andro iraisam-pirenena ho an'ny fitenin-drenyFony aho vao nianatra niteny, dia ny malagasy no fitenin’i dada sy neny. Dia malagasy ihany koa no nianarana satria io aloha no nifandraisana. Nibadabada fony fahazaza ary nanomboka naheno fiteny hafa. Toa hafa saingy efa fandre satria ny naman’i dada sy neny dia niteny ireny fiteny ireny. Anglisy, frantsay nisy sinoa aza indraindray.

Nony tany an-tsekoly, nohalalinina ny tenin-drazana, dia ny malagasy izany. Nianarana ny abidia, noezahina nofehezina ny firafitry ny teny, ary nofantarina ny hevitr’ireo voambolana tsy dia faheno mahazatra. Norantovina ihany koa ireo vanim-potoana nisy teo amin’ny tantara sy ny teny, ireo fotoana niverenana « nitady ny very » fa toa mbola tsy hita ihany izany hatramin’izao.

Tsy mbola hita izany satria ny tanora sy ny mpianatra variana amin’ny fiteny « merci lesy » amin’ny « bonzour ndry » sy ny fomba fanoratra soratra maro sosona (sms) izay manova tanteraka ny fanoratana ny teny amin’ny alàlan’ny fanafohezana araka ny fanononana azy. Ny tanora moa etsy andaniny dia tsy mifampitory fitia raha tsy amin’ny tenim-bahiny. Toa manimanitra sy kanto angaha no fandrenesana azy ireny, hono?

Ny mitady asa moa dia tsy mahazo izany raha tsy atao amin’ny teny frantsay, na ny momba ilay mpitady na ny taratasy fangatahana. Ary efa hanao ihany, maninona moa tsy natao teny anglisy izy io noho ny teny anglisy miasa be eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena? Taraiky loatra, hay moa efa misy an’izany koa ka na ny teny frantsay aza dia ambanin-javatra amin’ireny mpandray mpiasa ireny.

Mahagaga fa rehefa misy fivoriana, na fandraisana vahiny, raha toa ka iray ny vahiny eo ary malagasy ny ambiny, dia tsy maintsy ilay teny vahiny no iresahana na farafaharatsiny ampiasaina ny teny roa. Kanefa raha ny malagasy no mandeha mivahiny dia tsy maintsy ny tenin’ny mpampiantrano, na teny anglisy, na frantsay no ifandraisana. Isaorana eto ny tanoran’ny « Peace Corps » izay miezaka miteny malagasy hatrany fa tsy mody miavona toy ny zanatany sasany izay mahay ny teny kanefa dia tsy mampiasa izany eto amin’ity Nosintsika ity. Ny sinoa sy ny karana aza ry zareo mba nianatra sy nizatra niteny izany fitenin’ny tany izay nampiantrano azy izany.

Na izany rehetra izany na tsy izany, dia mamiko ny teniko. Mamiko ny teniko noho izy tokana ho an’ny malagasy rehetra. Na dia misy somary miova kely indraindray dia ahafahana mifandray na avy avaratra na atsimo, na avy andrefana na atsinanana. Mamiko ny teniko noho izy manan-karena, fa na mbola tsy voadika daholo aza ireo voambolana siantifika sy teknika dia efa misy teny maro kosa ahafahana milaza toe-zavatra isan-karazany. azo adika sy avadika mantsy, ho fanampiny, ireo teny iasàna sy ianàrana, na hamoronana izay teny ilaina ka ampahafantarina ny be sy ny maro. Mamiko ny teniko, tsy kiringa nefa miaina. Mivoatra araka ny toetr’andro, na dia efa saika sorabe fa tsy latina aza no anoratako azy.