Tonga eto an-tanindrazana i Ramatoa Lalao Ravalomanana
Araka ny vaovao voaray hatry ny anikeo maraina dia tonga soa aman-tsara eto Antaninarivo Ramatoa Lalao Ravalomanana. Fiaramanidina manokana an’ny GS Aviation no nitondra azy sy ny vinantolahiny Radavidra. Tamin’ny 5 ora maraina teo no tonga teny amin’ny seranampiaramanidina teny Ivato izany fiaramanidina izany.
Avy hatrany moa dia nihazo ny toeram-pitsabon-dry masera etsy Ankadifotsy ireto vao tonga sy ny mpitsena rehefa avy nifampiarahaba narahin-dranomasom-pifalina fa tafaverina an-tanindrazana indray rehefa tsy teto an-toerana nandritra ny efatra taona ary voaroaka teny aminn’ny sisintany rehefa saika hihazo hiverina teto volana vitsivitsy lasa izay.
Alahelo no hita tsy tsapa teny amin-dramatoa Lalao Ravalomanana hoy ny mpitantara raha nahita ny tsy fahasalaman-dreniny izy satria dia tsy nahatadidiy azy akory, hono, ity farany.
Ny vazivazin’ny sasany moa dia ny hoe « i dada nilaza ny hiverina sy nandrasana hatry ny ela indray ity no adino fa i neny tsy nilaza na inona na inona no tonga »
Ankinina amin’Andriamanitra ny zava-drehetra fa dia mirary soa ho an’ny fianakaviana izahay. Tsy tokony arahina resaka politika ny tranga mampalahelo toy itony na ho an’ny mpomba na ho an’ny tsy mpomba.