Rahampitso talata no hanomboka eny Mahamasina ao amin’ny Lapan’ny kolotsaina sy ny fanatanjahantena ny seho fampirantiana iray goavana karakarain’ny Praiminisitra lefitra misahana ny toe-karena sy ny indostria ary ny Sendikàn’ny Indostria eto Madagasikara. Ny lohahevitra mandritra izany hetsika izany moa dia ny hoe « Manjifa ny vita gasy aho, tombony ho an’ny rehetra »

Mahafinaritra ny fandraisana andraikitra ohatra izao manoloana ny fanatontoloana sy ny fidiran’ny vokatra vahiny toy ny sinoa, eropeana, amerikana, arabo ary afrikana tatsimo. Misy voka-tsoa roa lehibe no andrasana amin’izany dia ny fiatrehana fifaninanana matihanina ho an’ireo vokatra vokarin’ny indostria malagasy sy ny fahafahan’ireo indostria ireo manatsara ny kalitao no mampihena ny vokatra ihany koa noho ny fifaninanana.

Ny somary nahagaga kely fotsiny rehefa nojerena akaiky ny fikarakarana ito fampirantiana izay hanomboka rahampitso ito dia mampanontany tena hoe nahoana no « vita gasy » fa tsy « vita malagasy » no notenenina. Fantatra mantsy fa somary manenoneno hafahafa no koa miendrika tsy fahatomombanana ny teny hoe « vita gasy » raha oharina amin’ny hoe « vita malagasy ». Ohatra amin’ny izany ny fiteny eny an-dàlana manao hoe kiraro zaitra gasy, zaitra an-tsena vita gasy, sns. Moa tsy iverenana ny fomba fiteny hoe « fotoan-gasy », mahazo « teny gasy » sy ireo teny hafa somary milaza tsy fahatomombanana isankarazany manodidina ny teny hoe « gasy ». Teny diso tsy mba kabary fa ny mihinam-bary aza, hono, misy latsaka. Tsy hanomezan-tsiny iny fa indro kely hoy ny mpandrafitra.

Etsy an-daniny dia mahavariana fa maro lavitra ireo mpiantsehatra hamelabelatra sy handray fitenenana no vahiny « caucasiens » raha oharina amin’ireo mpandraharaha malagasy izay afaka mandray fitenenana ihany koa. Anisan’ireny ohatra raha ny fandaharana no jerena :

  1. Pierre Chatelet (Talen’ny CRITT Réunion)
  2. Benoît Dubourg (Injeniera mpanolotsaina QHSE CRITT Réunion)
  3. Françoise Delmont de Palmas (Sekretera Jeneralin’ny ADIR)
  4. Gilles Couapel (Dom’Eau)
  5. David Arnaud (Isodom)
  6. François Mandroux (ImageCorp)
  7. Pascal Bezençon (filoha Tale Jeneralin’ny GasyNet)
  8. Patrick Grondin (Tale Jeneralin’ny MAM Assistance)
  9. Jean Luc Pistoresi (Tale Jeneralin’ny Orange)
  10. Nicolas Beal (Tale ara-barotry ny Orange)
  11. Emilie Pleuvret (kabinetra Croissens)

Ireto kosa ny anarana malagasy amin’izany mpiantsehatra izany :

  1. Faly Ravoahangy (Tale HSE sy « Excellence Opérationelle » Groupe Galana)
  2. Isabelle Rakotozafy (Manam-pahaizana momba ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Divay, tompon’ny Clos Malaza)
  3. Pierre Raoelina (M. Pack)
  4. Dera Randriatsarafara (Avy ao amin’ny Praiministra Lefitra misahana ny Fampandrosoana sy ny Fanajariana ny tontolo)

Fantatra fa maro amin’ireo orinasa manana trano heva no mpikambana ao amin’ny SIM ka ny ankamaroan’ireo dia orinasa malagasy avokoa na dia misy ihany aza ny sasany no misy fampiasam-bola vahiny.

Ny fanontaniana dia ny hoe tsy maintsy avy any ivelany foana ve izany ny hevitra tsara entina miasa sy mamokatra eto Madagasikara sa inona no antony nisafidianana ireo mpandray anjara ireo. Ary maninona no tsy nisy sinoa sy amerikana raha fifampizarana traik’efa no anisan’ny antony? Ny resaka mandeha moa izany dia hoe na ireo vahiny ireo aza dia mbola betsaka ny miasa amin’ny orinasa karana fa tsy tena tompony.

Tsy ny fihaviana na firazanana no tiana havoitra eto fa ny fifanolànan’ny lohahevitra sy ny vontoatiny. (Paradoxal ou contradictoire?) Satria dia resaka « tissu économique » na hoe fifanjifana samy mitovy fihaviana no fantatra fa fiaingan’ny hevitra nikarakarana ito seho lehibe ito ary ohatra miafara amin’ny fanakanana ny fanjifan’ny enjana vita sinoa sisa no fiafarany.

Na inona na inona anefa fizotrany dia mirary soa hatrany ny vita Malagasy izahay ary enga anie tsy ho « talata giraobaka » na ho « alarobia tsy miverina » fa ho « zoma mahafinaritra » hatrany. Dia hiroborobo hatrany ireo orinasa malagasy manoloana ireo vokatra rehetra avy any ivelany.