Mikorontana ny ao Barikadimy, misy tabataba ny eny Ambohitsaina. Mahagaga sy mahatalanjona ny zavatra mitranga eny amin’ny anjery manontolo.

  • Ireo manimanina :

Efa hatramin’ny taona 72 no fantatra ara-tantara fa ny hetsiky ny mpianatra dia mitarika zavatra goavana tsy eritreretina hatrany, raha ny teto Antananarivo no jerena. Fantatra fa rehefa misy fanakorontanana tiana hitranga eto amin’ny firenena dia ny eny ankatso aloha no rangitina voalohany ary avy eo dia entina mivoaka ny faritry ny anjey manontolo ny hetsika noho ny avy eo.Ny tao amin’ny departemantan’ny fitsaboana no tena tsaroana amin’izany ary nisy ireo mpitarika no nahazo toerana ambony amin’ny fitondrana nifanesy.

  • Ireo « toa hoe » mpianatra :

Raha ny korontana faramparany tamin’ny taona 2009 no jerena dia ohatra ny variana ihany ny tena mijery ireto olona mitabataba sy manambara fa mpianatr’Ankatso izay manakorontana ny renivohitr’i Madagasikara. Na ireny olona ireny dia tena mpianatra eny marina saingy tsy mpanatrika ny fampianarana fa irony lazaina mpingitrika lava irony, na tsy mpianatra fotsiny tsotra izao satria tsy anisan’ireo olona mifanena matetika miara-miandry taksibe eo amin’ny faran’ny fiantsonana na ihany koa ireo mpilahatra vatsim-pianarana na ihany koa ireo mpijery filazana amin’ny peta-drindrin’ny departemanta. Eny misy ihany olona vitsivitsy ohatra azoazo an-tsaina saingy ohatra olona manaraka am-bokony koa ireny fa tsy ireo « mpianatra mpitarika voalaza ho mpanakorontana ».

  • Ireo mpaka vatsim-pianarana :

Haka vatsim-pianarana no antony iray mahasarika ny mpianatra sasany hisoratra anarana sy hanaraka ny fampianarana eny Ambohitsaina. Mila fanarenana maharitra sy milamina anefa ny fandaminana sy ny fanomezana izany vatsim-pianarana izany satria :

  1. misy ireo tsy mahay sy niverina taom-pianarana nefa mahazo vatsim-pianarana
  2. misy ireo velon-dray aman-dreny, miara-mipetraka amin’izy ireo nefa mahazo vatsim-pianarana na dia tsy feno aza izany indraindray
  3. misy ireo mahazo vatsim-pianarana dia mamo tampina sy be revy rehefa mahazo izany, ary tsy vitsy, eny na dia malalaka aza ny fampiasan’ny tsirairay izany vatsim-pianarana izany

Na dia tsapa fa kely aza izany dia aleo alaina foana fa zara aza misy an’iny. Amin’izao fiainana izao vao hita fa tena ilain’ny tsirairay ny vatsim-pianarana saingy tsara raha atao fanoitra sy fampandrosoana ny fitaizana izany fa tsy sanatria « tambin-karama » ho an’ny mpianatra sanatria.

  • Ireo mpampianatra sy mpikaroka :

Matetika dia te hiteny foana hoe « mpapianatra mpikaroka » saingy tsy mpikaroka avokoa ireo mpampianatra sy « mpanabe » misy eny amin’ny anjery manontolo. Zavatra roa no fantatra dia ny :

  1. tsy fahampian’ireo karaman’ny mpampiantra sy mpikaroka. Oharina izany amin’ny vola sy ny ambaindainy azon’izy ireo sy ny azon’ny mpiasa malagasy mitovy mari-pahaizana sy traikefa amin’izy ireo sy izay karama mety ho azony raha mampianatra any ivelany izy oharina amin’ny salan’ny karaman’ny mpiasa any ivelany amin’ny ankapobeny. Tsy mahagaga raha sadaikatra ihany ireo mpampianatra raha mahita ireto mpianany izay toa mananan-karena ivelany noho izy ireo. Izany moa dia hita amin’ny firavaka anaovan’ny mpianatra sy ny fiara entin’ny sasany ary indraindray ny fitenin’ny sasany aminy.
  2. Tsy ny mpianatra no andrianina fa ny mpampianatra raha ny ora fahafahana no jerena. Tsy afaka, hono, i profesora i anona na i madama i anona dia tsy misy ny fianarana androany fa ahemotra amin’ny fotoana ho lazaina manaraka eto…
  • Ireo mampiasa ny tranon’ny mpianatra :

Fanontaniana: Misy politika mazava ve ny fitantanana sy fanaraha-maso ireo trano natokana ho an’ny mpianatra? Indrindra fa ny eny Ankatso? Nisy ireny prefa ireny dia miditra ao anatiny ianao dia mizarazara enina ka hatraminny valo ny ao anatiny. Ny mpianatra iray zara fa mahazo 2 metatra toradroa indraindray. Misy ny olona mipetraka amin’izy ireny no vahiny mpandao eto andrenivohitra fa tsy mpianatra ary misy koa ireo mpianatra efa miasa saingy mbola mahazo izany fampiantranoina izany.

Nisy ny fahamaizana teo anivon’ny CROUA tsy vao ela izay ka manontany tena hoe nisy may tao ve ireo antontan-taratasy momba izany fampiantranoina mpianatra izany? Raha eny ny valiny dia efa voasolo ve izany amin’izao? Manao ahoana ny fanadiovana ara-lojistika sy administrtiva momba ireny trano ireny? Misy mandoa hofany ara-dalàna ve ary iza avy no tsy mandoa dia inona avy ny fepetra ahafahana tsy mandoa izany. Afaka ampiasaina avokoa ve ireny fatana elektrika sy ny vata fampangatsiahana ireny ary indraindray fitaovana mandany herin’aratra? efa mandoa faktioran’ny jirama ve ny mpianatra sa dia izay lany eny fotsiny dia samy mandaha kidaona avokoa?