Bazar de Noel sy fifamoivoizana
23 décembre 2011 by Avylavitra
Fety ny andro, na ny marina kokoa, manakaiky andro fety isika izao. Tsy misaraka amin’izany ny fandaniana fahatany fanao rehefa vanim-potoana toy izao (ho an’ny sasany), raha fandaniana tsy azo ialàna kosa ho an’ny hafa.
Rehefa miresaka fandaniana ihany isika dia tsy afa-mivaona amin’ny resaka tsena. Tsy ny tsena rehetra koa anefa no hahaliana fa tsena iray miavaka sy mandalo fotsiny ihany. Dia ny Bazar de Noel
BAZAR DE NOEL
Araka izany anarany izany dia natao manokana ho an’ny andro Noely izy io (na dia miitatra toy ny sima misioka ka lasa lavitra any ambadiky ny taona vaovao aza). Ho fiatrehana izany dia nametraka fepetra ny Kaominina (C.U.A) ka nilaza fa ny eny Mahamasina ihany no azo anaovana ity karazan-tsemìnba iray ity. Andoavana haba ny fisoratana anarana hahazo toerana amin’izany.
Zovy anefa no tsy mahalàla, ary iza no tsy mahita fa ny moron-dàlana rehetra eto Antananarivo Renivohitra mihitsy izao no BAZAR (DE NOEL) ISAN’ANDRO. Ny aza mba tavela sy tafahitsoka any anatin’ireny ampahan-dàlana ireny ihany ny fiara, tompoko, fa dia ao ianao no raisina mandritra ny minitra maro dia maro (mba tsy hitenenako hoe ora miray na roa).
Fa ity no loza, raha efa nandoa vola izao ireo nisoratra anarana hanao bazar de noel eny Mahamasina, moa tsy faiantoka iray lavaka fotsiny ve? Ny hafa anefa aty ivelan’ny faritra manao tsy misy teritery, mivarotra an-kahalalahana, ary mahita ‘kil’ betsaka noho ny azy, satria tsy misy fepetra noraisin’ny Kaominina mba ho fampanajàna ny teny nataony, tsy misy fepetra noraisin’ny Kaominina mba ho fiarovana koa an’ireo nasainy niditra eny Mahamasina, ary tsy misy fepetra sahin’ny kaominina raisina manoloana ireo mpivarotra, tsy vitan’ny manery ny arabe, fa sady mandoto tanàna, sns. Tsy sahy andraisana andraikitra va re fandrao ….. Asa lahy!
Nihaino radio tsy miankina iray aho ary fandaharana sy fanadihadiana iray efa nalefa hatry ny omaly (22/12/2011) no reko, mikasika ny fitohanana’ny fiara eto Antananarivo Renivohitra. Toa tsotsotra ery ny fanalàna tsiny nataon’ilay mpilaza vaovao tamin’izany. Sahala amin’ny tsy manan-tsiny ery ny Kaominina sy ny polisy monisipaly. Dia gaga aho, tena gaga. Vao nanaomboka ny vay, nodia tsy hita. ka nony mivoaka nàna vao hoe « Fa inona ity? » Asa anefa na fantatry ny mpandraikitra ny tanàna tokoa na tsia (fa izaho aloha mahafantatra), fa ankoatra ny hadalan’ny taxibe (izay mbola tsy sahy andraisana andraikitra mazava ihany koa), dia isan’nby tena antony mahatonga fitohanana eran’Antananarivo io fidinana anaty arabe manao asa fivarotana etsy Behoririka, sy Andravoahangy ary ny faritra manodidina io. Kodiarandroa no fitondran’ny tena ka tsy sarotra ny mahita sy manamarina an’izay. Sarotra ho an’ny fiara mantsy ny handeha hitety fitohanana ka hijery ny maha-mitombina io lazaiko io. Aiza va ka raha miala eto Andravoahangy ianao ho any Alasora, dia aleo faritako eto ny zotra narahako, ary nahitako filaharanà fiara tsy nitapaka mandrapahatonga tany Ambatoroka (mandroso): Andravoahangy, Behoririka, Tsiazotafo, Ampandrana, Ankorahotra, Ambanidia, Ambatoroka….Fa rehefa niverina avy any indray dia toy izao no endriky ny fitohanana: Ankadindratombo, Ambatoroka, Ambanidia, Ankorahotra, Ampandrana, Andravoahangy ambony, Ambondrona, Ambohijatovo, Analakely, Soarano, Behoririka, Andravoahangy ambany (ninia nanalavi-dàlana mba hijery ny zava-misy)
Aoka aloha izay fa lava loatra sady mbola handeha hijery sao mitohana be ao ivelany ao. Mbola hamonjy #Antambl (Antananarivo miblaogy) any amin’ny Chillout Cafè mantsy.
BAZAR DE NOEL, milay fa tohizo eeee! Isan’andro no fetin’ny mpivarotra
No TagsPopularity: 1% [?]
Antananarivo Miblaogy, ce 23 Decembre 2011 à 19 heures au Chillout Café
21 décembre 2011 by saveoursmile
« Antambl » Kesako me direz-vous. Rassurez-vous, ce n’est pas du « «loza amin’atambo » , encore moins une invitation pour passer à table (quoique
– #antambl est le hashtag sur twitter pour couvrir le prochain évènement « Antananarivo Miblaogy » – qui en est à sa huitième édition (tiens, au fait, il semblerait que je ne sache plus compter, on en est à quelle édition maintenant ?).
Cela se passe au Chill Out Café à Ambondrona, ce vendredi 23 décembre 2011, à partir de 19 heures.
Qu’est-ce qu’un Antananarivo Miblaogy ?
En gros, c’est une rencontre AFK (Away From Keyboard) ou IRL (In Real Life) qui a regroupé, initialement, les bloggeurs qui se trouvent à Antananarivo. Mais le public a bien évolué depuis
Tu peux lire les récits des Antananarivo miblaogy antérieurs (version 7, version 6, version 5). Je suis sûr que les autres online-addicts complèteront les liens pour les versions antérieures (je me sens un peu paresseux pour faire un roll-back … Timeline, es-tu là ?)
Je te vois tout de suite en train de te demander si c’est un évènement exclusivement réservé aux bloggeurs : bien que ceci n’engage que moi, je pense que l’évènement accueille autant des bloggeurs, que des twitter-addicts …Allez, on ne mord pas
Comment se passe un Antananarivo miblaogy ?
Euh, comment les geeks et autres online-addicts passent leur temps ensemble ? En général, cela se passe autour d’un verre (qu’importe le contenu d’ailleurs). Certains y viennent pour raconter leurs expériences, d’autres s’échangent des trucs et astuces tandis que la plupart viennent pour mettre un visage à un pseudo, d’autres font de la pub de leurs projets (eh oui) … En tout cas, la majorité se marre et passe du bon temps ensemble. Rien de formel.
Si tu projettes de venir, j’aurai juste une requête (qui ne reflète que ma perception personnelle des choses, et qui n’est donc pas une « règle« que les organisateurs ont imposé ): un Antananarivo Miblaogy est supposé être une rencontre AFK, de grâce, le monde peut bien vivre sans live-tweet et autres status updates facebook, foursquare et autres google plus … Serait-ce trop demander ? (de toutes façons, tu peux t’étendre de long en large sur le sujet sur ton blog ultérieurement-avec photos, videos et autres anecdotes à l’appui)
Tiens, on arriverait peut-être à se mettre d’accord sur la traduction de «tweet » en Malagasy cette-fois-ci.
No TagsPopularity: 1% [?]


License