Tabataba, horakoraka, hazakazaka, poa-basy… izany no hita sy re nanodidina an’iny faritr’i Behoririka iny nanomboka ny talata mitatao vovonana ka hatramin’ny maty masoandro. Ny antony dia nisy sinoa roa voalaza fa namono sy nandratra ny mpiasa tao aminy. Hatramin’ny hariva moa dia voalaza fa maty io mpiasa voavono io saingy voalazan’ny emmoreg tamin’ny fahita-lavitra kosa fa velona soa aman-tsara izy.

Tsy ny zavatra nitranga no mbola averina ho tantaraina eto fa ezahina fakafakàna ny antony mety nahatonga izay zavatra nitranga izay.

Etsy an-daniny, ireo sinoa dia fantatra fa matoa izy ireo tonga manokatra varotra eto Madagasikara dia tsy noho ny asa fanasoavana velively fa ny itadiavam-bola. Manararaotra ny tanjaky ny mpandraharaha sinoa eran’ny Afrika, eny fa eran’izao tontolo izao mihitsy aza.Tsy fantatsika na misoratra ara-dalàna ara-panjakana na tsia ireny fivarotana ireny. Adidin’ny tompon’andraikitra no mijery izany.

Etsy an-kilany, dia misy ireo mpiasa malagasy izay manaiky ny hiasa amin’ireny sinoa ireny, dia satria noho ny fitadiavana sy ny tsy fahampian’ny eo am-pelatanana ka manaiky izay karama omena eo eny fa na dia zara aza fa manodidina ny fito alina izay karama farany ambany izany ka tsy maro amin’izy ireny no tsy misoratra amin’ny Cnaps sy Ostie ary tsy manana taratasy fifanarahana arak’asa na « contrat de travail » akory.

Raha ny fitantaran’ny mpanao gazety izay tena nitranga omaly dia fantatra fa noho ny taratasy hosoka na feno takosona nataon’ilay mpiasa rehefa nivarotra kapa vitsivitsy izy no nahatonga ny gidragidra.

Omeko tsiny avy hatrany ilay mpiasa malagasy sy ireo mpiray tsikombakomba aminy noho izany hosoka sy halatra izany raha tena nisy tokoa fa tsy fanendrikendrehina. Ary omena tsiny ihany koa ireo mpividy malagasy izay napanao ireo mpiasa malagasy.Afaka mitory tsara ireo mpivarotra sinoa satria halatra sy fanaovana hosoka izany.

Omena tsiny mafimafy ihany koa ireo sinoa nikasi-tanana satria dia voararan’ny lalàna izany. Azony natao tsara no nitory sy nandefa teny amin’ny polisy ireo mpiasa malagasy raha tena voaporofo fa nisy ny hosoka sy ny halatra. Tsy azony atao kosa anefa ny mamono mandratra. Ary afaka mitory ireo voa atria fikasihan-tànana sy fandratrana izany.

Karama ambany dia matin’ny kolikoly? Noho ny tsy fisiana dia lasa manaonao foana? Laza fahazaran-dratsin’ny fiaraha-monina ny bizina sy ny halatralatra madinidinika? Lasa ohatra ho an’ny vahoaka ve ireo mpitondra sy manakaiky fitondrana toa lasa tafita sy manana tampoka amin’ny lafiny mbola maizina ka mampanitatra hevi-dratsy ny malagasy ambiny?

Izy daholo izany rehetra izany ary toy ny soavaly tapa-kofehy ny Vahoaka ka izay ohatra hitany eo ihany no ianarany ary rehefa tsy manampy azy hahita izay hoarapaka ny mpitondra dia lasa manaonao foana izy ireo. Tsy misy ny asa? Vitsy ny asa? Sa tsy ampy trai-kefa sy mari-pahaizana izy ireto ka dia mionoma amin’ny zava-misy. Mba fantany ve fa misy ireo vahiny fotsy fihodirana miasa eto amintsika no mikarama avo zato heny mahery noho izay raisiny isam-bolana? Tsy vitan’ny malagasy ireny dia tsy maintsy ataon’ny vahiny? Sa miasa kokoa ny malagasy raa ohatra ka vazaha no sefo? Sa fantatry ny karaàna fa rehefa vazaha no atao tompon’andraikitra eo dia mampisokatra ny tsena amin’ny ireo orinasa hafa tantanin’ny vazaha?

Ny zava-misy androany aloha dia hita sy tsapa fa miezaka ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fivondronana na ny CUA izany. Miezaka mampirindra ny fifamoivooizana sy manala ireo mpivarotra mampitohana sy mampikatso ny fifamoivoizana. Ny any ambonimbony no mbola mila fihezahana amin’ny fanomezana asa, fampianarana sy fitaizana ny mponina, amin’ny fanomezana azy ireo hanina sy rano madio sy ara-pahasalamana ary indrindra amin’ny fitsboana. Aorian’izay ilaina ihany koa ny fananana trano fonenana mendrika sy fiaraha-monina ary fandriam-pahalemana azo antoka. Mbola tsy ampy na tsy misy mihitsy ireo.

Na ny olona mana-katao aza dia mahatsapa fa mora lany kokoa ny vola amin’ireo karazan’entana mitovy tao anatin’izay roa taona izay. Tadidiko fa tamin’izahay mpianatra dia mahatadidy fa ampahafolon’ny vola lany amin’izao fotoana dia efa ampy ary indraindray aza misy ambiny. Tsy azo ampitoviana noho ny trangam-piainna tsy mitovy saingy azo atao ohatra ahatsapana izany fahalafosan’ny vidim-piainana izany.

Fantatry ny ankizy ankehitriny ve fa io vola vy tsy ampiasainy firy sy tsy tiany io dia nahafahana nandeha « bus » nandroso sy niverina sy mbola ividianana mofo gasy sy ramanonaka tamin’izany andro izany, izay tsy dia lavitra loatra? ankehitriny raha izany no tiana ho azo dia fara fahakeliny arivo ariary no vola mila entina.

Ka manaitra ny tompon’andraikitra fa tsy olona madinika indray no ampitahorina grenady mampandats-dranomaso sy basy atao tifi-danitra. Tsy izay no tena olana fa olana avy any ifotony mihitsy io. Aleo ny malagasy rehetra hihinana sy hialoka sy hianoka am-pahalemana.