Sinoa namono malagasy : endrika isehoan’ny fahasarotam-piainana eto Antananarivo

23 novembre 2011 by Mitiyu  

Tabataba, horakoraka, hazakazaka, poa-basy… izany no hita sy re nanodidina an’iny faritr’i Behoririka iny nanomboka ny talata mitatao vovonana ka hatramin’ny maty masoandro. Ny antony dia nisy sinoa roa voalaza fa namono sy nandratra ny mpiasa tao aminy. Hatramin’ny hariva moa dia voalaza fa maty io mpiasa voavono io saingy voalazan’ny emmoreg tamin’ny fahita-lavitra kosa fa velona soa aman-tsara izy.

Tsy ny zavatra nitranga no mbola averina ho tantaraina eto fa ezahina fakafakàna ny antony mety nahatonga izay zavatra nitranga izay.

Etsy an-daniny, ireo sinoa dia fantatra fa matoa izy ireo tonga manokatra varotra eto Madagasikara dia tsy noho ny asa fanasoavana velively fa ny itadiavam-bola. Manararaotra ny tanjaky ny mpandraharaha sinoa eran’ny Afrika, eny fa eran’izao tontolo izao mihitsy aza.Tsy fantatsika na misoratra ara-dalàna ara-panjakana na tsia ireny fivarotana ireny. Adidin’ny tompon’andraikitra no mijery izany.

Etsy an-kilany, dia misy ireo mpiasa malagasy izay manaiky ny hiasa amin’ireny sinoa ireny, dia satria noho ny fitadiavana sy ny tsy fahampian’ny eo am-pelatanana ka manaiky izay karama omena eo eny fa na dia zara aza fa manodidina ny fito alina izay karama farany ambany izany ka tsy maro amin’izy ireny no tsy misoratra amin’ny Cnaps sy Ostie ary tsy manana taratasy fifanarahana arak’asa na « contrat de travail » akory.

Raha ny fitantaran’ny mpanao gazety izay tena nitranga omaly dia fantatra fa noho ny taratasy hosoka na feno takosona nataon’ilay mpiasa rehefa nivarotra kapa vitsivitsy izy no nahatonga ny gidragidra.

Omeko tsiny avy hatrany ilay mpiasa malagasy sy ireo mpiray tsikombakomba aminy noho izany hosoka sy halatra izany raha tena nisy tokoa fa tsy fanendrikendrehina. Ary omena tsiny ihany koa ireo mpividy malagasy izay napanao ireo mpiasa malagasy.Afaka mitory tsara ireo mpivarotra sinoa satria halatra sy fanaovana hosoka izany.

Omena tsiny mafimafy ihany koa ireo sinoa nikasi-tanana satria dia voararan’ny lalàna izany. Azony natao tsara no nitory sy nandefa teny amin’ny polisy ireo mpiasa malagasy raha tena voaporofo fa nisy ny hosoka sy ny halatra. Tsy azony atao kosa anefa ny mamono mandratra. Ary afaka mitory ireo voa atria fikasihan-tànana sy fandratrana izany.

Karama ambany dia matin’ny kolikoly? Noho ny tsy fisiana dia lasa manaonao foana? Laza fahazaran-dratsin’ny fiaraha-monina ny bizina sy ny halatralatra madinidinika? Lasa ohatra ho an’ny vahoaka ve ireo mpitondra sy manakaiky fitondrana toa lasa tafita sy manana tampoka amin’ny lafiny mbola maizina ka mampanitatra hevi-dratsy ny malagasy ambiny?

Izy daholo izany rehetra izany ary toy ny soavaly tapa-kofehy ny Vahoaka ka izay ohatra hitany eo ihany no ianarany ary rehefa tsy manampy azy hahita izay hoarapaka ny mpitondra dia lasa manaonao foana izy ireo. Tsy misy ny asa? Vitsy ny asa? Sa tsy ampy trai-kefa sy mari-pahaizana izy ireto ka dia mionoma amin’ny zava-misy. Mba fantany ve fa misy ireo vahiny fotsy fihodirana miasa eto amintsika no mikarama avo zato heny mahery noho izay raisiny isam-bolana? Tsy vitan’ny malagasy ireny dia tsy maintsy ataon’ny vahiny? Sa miasa kokoa ny malagasy raa ohatra ka vazaha no sefo? Sa fantatry ny karaàna fa rehefa vazaha no atao tompon’andraikitra eo dia mampisokatra ny tsena amin’ny ireo orinasa hafa tantanin’ny vazaha?

Ny zava-misy androany aloha dia hita sy tsapa fa miezaka ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fivondronana na ny CUA izany. Miezaka mampirindra ny fifamoivooizana sy manala ireo mpivarotra mampitohana sy mampikatso ny fifamoivoizana. Ny any ambonimbony no mbola mila fihezahana amin’ny fanomezana asa, fampianarana sy fitaizana ny mponina, amin’ny fanomezana azy ireo hanina sy rano madio sy ara-pahasalamana ary indrindra amin’ny fitsboana. Aorian’izay ilaina ihany koa ny fananana trano fonenana mendrika sy fiaraha-monina ary fandriam-pahalemana azo antoka. Mbola tsy ampy na tsy misy mihitsy ireo.

Na ny olona mana-katao aza dia mahatsapa fa mora lany kokoa ny vola amin’ireo karazan’entana mitovy tao anatin’izay roa taona izay. Tadidiko fa tamin’izahay mpianatra dia mahatadidy fa ampahafolon’ny vola lany amin’izao fotoana dia efa ampy ary indraindray aza misy ambiny. Tsy azo ampitoviana noho ny trangam-piainna tsy mitovy saingy azo atao ohatra ahatsapana izany fahalafosan’ny vidim-piainana izany.

Fantatry ny ankizy ankehitriny ve fa io vola vy tsy ampiasainy firy sy tsy tiany io dia nahafahana nandeha « bus » nandroso sy niverina sy mbola ividianana mofo gasy sy ramanonaka tamin’izany andro izany, izay tsy dia lavitra loatra? ankehitriny raha izany no tiana ho azo dia fara fahakeliny arivo ariary no vola mila entina.

Ka manaitra ny tompon’andraikitra fa tsy olona madinika indray no ampitahorina grenady mampandats-dranomaso sy basy atao tifi-danitra. Tsy izay no tena olana fa olana avy any ifotony mihitsy io. Aleo ny malagasy rehetra hihinana sy hialoka sy hianoka am-pahalemana.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Ary raha mba vehivavy moa no mitondra an’i Madagasikara?

4 novembre 2011 by Mitiyu  

Resaka « équilibre régionale » izay hita fa mbola tarazo nolovaina tamin’ny toe-tsaina « zarazarao hanjakana » no saika ho velabelarina teto saingy toa mikapo-drano ihany izany ka ho lasa rano an-damosin-gana.

Betsaka ireo karazana mpitodra efa nitantana sy nitondra ity nosy mamintsika ity. Tao ny Frantsay, tao ny avy any Avaratra Atsinana, ny avy any Atsinana, ny avy any Avaratra, ny teto Afovoan-tany, maro koa ireo praiministra avy any amin’ny faritra rehetra izay niaviany na ny avy any Atsimo na ny avy any Atsimo Andrefana, sns. Ny itovian’ireo olona rehetra ireo dia fantatra fa lehilahy avokoa izy ireo (ankoatra ireo mpanjaka vavy tamin’ny fotoan’androny angaha)

Efa miova ny toetr’andro ary miova ny vanim-potoana. Mety afaka saintsainina sy eritreretina raha toa ka vehivavy no hitondra ity firenena ity. Misy lafiny tsara sy lafiny ratsy izany raha ny trakefa sy ny zavatra hita maneran-tany ary koa ny kolontsaina malagasy no resahina.

Ny lafiny ratsy mety atahoran’ny be sy ny maro dia toy izao :

  • matetika dia diso hentitra ny vehivavy, mety hampikorontana na handodona ny efa eritreretina ho milamina sy efa
  • amin’ny kolotsaina malagasy amin’ny ankapobeny, indrindra fa any amin’ny faritra be slamo dia mety tsy dia hanan-kasina loatra ny vehivavy ka ho sarotra vao ho to-teny amin’ireo lehilahy tantanany
  • toy izany ihany koa eo anivon’ireo miaramila izay efa notarihin’ampela ka tsy dia nahazaka izany loatra maika moa fa olon-tsotra sivily fa tsy miaramila toa azy ireo
  • kizitina kokoa noho ny lehilahy ny vehivavy ka mety atahorana hampifendro noho ny hahavitana ny lahasa satria ny teo aloha aza nisy mpitondra lehilahy voalaza fa mpanao didi-jadona ary tsy zakan’ny maro
  • matetika dia miasa saina amin’ny zanany kokoa noho ny lehilahy ny vehivavy ka raha vehivavy maro anaka na manan-janaka mila arahina akaiky dia mety hanalasala ihany ny tena ifantohany saina tanteraka amin’ny fiainam-pirenena
  • sns

Ireto kosa ny lafiny tsara mba mahafinaritra sady mety ahitana fandrosoana amin’izay fitantanam-behivavy izay:

  • satria fitondran-dehilahy no betsaka eto Madagasikara dia matoa afaka misonga toy izany ny vehivavy iray dia tena mahavita sy mahay izy izay
  • tsapa fa mahay miasa sy tonga amin’izay tanjona tiany hahatongavana ny vehivavy raha anisan’ireo vehivavy sangany amin’ny sehatra misy azy. Raha ny amiko manokana dia tsapa sy hita fa misy « rigueur » kokoa ireo vehivavy miasa eny anivon’ny sehatra isankarazany ireny raha oharina amin’ny lehilahy manao asa mitovy aminy
  • ny vehivavy dia mahay mihafy sy mifehy kibo mba hahazoana vokatra tsaratsara kokoa ka afaka mampandefitra ny tenany izy noho izany fa tsy dia faly higalabona sy hitsentsitra ny hatsemboham-bahoaka toy izay efa fahita
  • mahay mitaiza sy manana fo antra ihany koa anefa ny andriambavilanitra raha toa ka olona somary atahorana azy ireo karazam-behivavy mpitondra hita sy fantatra ka na dia ao anatin’izany fahasiahana sy filana vokatra izay dia mety hitempo ihany ilay fon-dreny raha tena misy tsy azo idovirana
  • raha ny ohatra nolovaina tamin’ireo mpanjaka vavy efatra fantatra teto amintsika sy ny mpitondra ny firenena Alemana amin’izao fotoana dia tsy iza izany fa i Angela Merkel dia tsapa fa tsy mena mitahy amin’ny lehilahy ny vehivavy

Misy lafiny atahorana ihany anefa na dia izany aza manodidina izay firenena tantanim-behivavy. Anisan’izany ohatra ny fahatahorana ny fandriam-pahalemana izay somary na tena hentitra na mihazohazo raha ny traikefa efa hita. Raha tsy hoe vehivavy « commando » mety tsy dia ho zatra gidragidra sy sahotaka ary rotaka. Ny vehivavy koa dia mety ho voarabirabin’ny lehilahy mahay miresaka ka mety tsy tena hitondra voka-tsoa ho an’ny be sy ny maro izany.

Eritreritra mba sendra nandalo, vetsovetso natao ho hira, trafon-kena ome-mahery am-bava homana am-po mieritra

No Tags

Popularity: 1% [?]

à l’heure de l’habitat

2 novembre 2011 by Mitiyu  

Je me souviens d’un bihebdomadaire que je lisais régulièrement pour trouver des opportunités immobilières à Antananarivo et pourquoi pas au bord de la mer. Cette presse me rappelle aujourd’hui que dans quelques jours se tiendra la nouvelle édition du Salon de l’Habitat, une initiative privée, si je comprends bien. A l’heure du Trano Mora, le thème de l’habitat et de l’habitation en général est d’actualités.

Pour ce post, nous allons écarter toute polémique concernant tel ou tel politicien ou proche de politicien qui s’est construit en un temps record une à plusieurs propriétés dans le pays. Ce qui nous intéresse aujourd’hui c’est la réponse à la question « Comment avoir une habitation décente et contenant le minimum de confort nécessaire tel que eau courante ou toilette avec un grand T? »

Je reconnais qu’il y a eu un effort de la part des autorités en place d’avoir détaxé les matériaux de construction. Nous n’entrerons pas aujourd’hui dans le débat relatif à l’impact économique de la détaxation. Mais il est vrai que cela DEVRAIT normalement alléger la facture finale si ce n’est pour augmenter la marge des distributeurs et des opérateurs du secteur. J’ignore si c’est toujours d’actualités…

Bref, il est plus que nécessaire maintenant de voir les besoins des malagasy. Il existe dans le SAVA des foyers qui en ont le moyen mais qui préfèrent juste  acquérir un 4×4 et dès fois une chaîne satellite mais toujours habitant dans des cases en Falafa et sans eau courante.

En se référant aux différentes annonces dans les journaux, on sait qu’une maison ou un appartenant augmente en valeur lorsque les douches et les toilettes sont à l’intérieure. On sait aussi que plus l’habitation est accessible, plus la valeur augmente que ce soit en terme de loyer que ce soit en valeur d’achat. Tout cela nous montre que notre culture de l’habitation est légèrement différente du concept de ce que l’on savait sur les toilettes en plein nature et au bord de la mer.

La dernière édition du salon de l’habitat nous a montré différents prestataires malagasy et étrangers qui oeuvrent dans le secteur. On y a ainsi trouvé des décorateurs avec des mobiliers en métal et du résine (silicone?) des briques compressées et autres agglomérats, des portes et fenêtres en aluminium etc. Ce qu’il y a c’est que construire une maison est ainsi devenue un hobby de richard car la facture ne pourra jamais descendre en dessous de vingt million d’Ariary. Il y a un marché dirait le prestataire que nous avons approché. Mais combien de personnes au final pourra obtenir une maison digne de ce nom.

En voyant les différentes constructions d’Andralanitra, là où oeuvre le père Pedro OPEKA, on peut constater qu’il est possible de construire une maison en dur et à étage avec Dix million d’Ariary voire moins disait le tâcheron. Mais ceci sans préciser que la finition et l’installation des sanitaires peut valoir le double sinon plus. Alors quid de la formule « Trano Mora »… Pourquoi ne pas vulgariser et démocratiser afin que chacun puisse avoir un bon « chez soi »

Une fois, j’ai dû chercher des mécaniciens pour une vieille voiture à restaurer. Les mécanos habitent à Anosibe à cinq ou six kilomètres du centre ville d’Antananarivo mais possédant l’un des marché les plus connus de la capitale. La maison de la famille des mécanos était plus ou moins correcte mais dans le voisinnage il y avait une vieille dame d’une soixante d’année ou plus qui vit avec ses enfants (ou une partie de ses enfants) de ses petits enfants et de ses arrière-petits enfants. La vieille dame habite une « chambre » d’une surface de un mètre carré sans exagéré mais optimisé car la façon de dormir est presque au vertical. En face, une famille habite une maison construite en bois rond et qui vibrait au moindre déplacement en intérieure. C’est un quartier accessible en voiture et ce sont des maisons en bord de chemin mais l’indécence de l’habitation favorise la promiscuité.

Tiens, j’ai un lointain souvenir des 35000 logements…

No Tags

Popularity: 1% [?]