Mahasadaikatra, mahatezitra ny mahita sy maheno amin’ny haino aman-jery fa TSY MISY TIAN’NY MPAMATSY VOLA ireo olona natolotra ho safidianina ho Praiminisitra. SAtria ve any aminy ny vola dia tsy maintsy milefitra sy manao izay safidiny satria matahotra ny tsy hahazo famatsiam-bola? Ary ireo famatsiam-bola azo hatramin’izay ve tena nampiasaina tsara zato isan-jato amin’ny tokony nanaovana izany sadia misy ampahany betsaka mivily lalana, tsy voatery ho vao izao fa na hatramin’izay aza?

Rehefa miresaka famatsiam-bola izay ihany dia tonga ao an-tsaina avy hatrany ny hoe fahantrana. Satria mahantra ny firenena malagasy sy ny vahoaka malagasy matoa miankin-doha tanteraka amin’ny mpamatsy vola. Tsy resahintsika eto ny hoe na ny amerikana aza mindram-bola sy mitrosa amin’ny eropeana, tsy izay fa ny fiankinan-doha be loatra ataon’ny malagasy amin’ny mpamatsy vola no itarihana ny saina.

source : unfpa

Araka ny fantatra dia voalaza fa firenena anisan’ireo fadiranovana i Madagasikara. Raha ny taha navoakan’ny ONU farany dia maherin’ny 76isan-jaton’ny malagasy no miaina ao anatin’izany fahatrana izany. Izany hoe malagasy roa amin’ny telo izany. Ny ho anina androany mbola ho tadivina rahampitso hany ky mitombo hatrany ny faharatsiana sy tsy fanarahan-dalàna rehetra hahitana izay eritreretina ho mahasoa ny tena. Na ny mpitondra sy mpanao politika sasany aza dia hita taratra anatin’izany tsy dia fahampiana izany ka lasa misika mafy mitady toerana mba hihinanana.

Ary amin’ireo iray ampahatelon’ny olona « miaina tsara » sy manan-katao dia mbola maro koa ny mitaraina amin’ny vidim-piainana sy ny tsy fahasoratana isan-karazany, ao anatin’izany ny fivoaran’ny tsirairay. Firy amin’izy ireny no tsy dia mitrosa sy mindram-bola? firy amin’izy ireny no mahavita mitahiry sy manana ambim-bava ka afaka mikasa tsy misahirana? Misy tokoa aloha ny atao hoe manana ny ampy tsy mitaraina sady tsy sendra izany adin-tsain’ny fiainana andavanandro izany. Mbola afaka manorina trano ara-dalàna tsara, mitafy sy mihinana araka ny tokony ho izy sy ny sisa.

Faly aho raha nihaino radio andro vitsivitsy lasa izay satria dia nisy hevitra efa ifampizarako matetika no manomboka voalaza. Mety tsy avy amiko no nahitan’ilay olona hevitra fa izy mambosaka ilay hevitra fotsiny dia efa mahafinaritra. Toy izao izany : ahoana moa raha tena milaza ho tia tanindrazana sy tia firenena tokoa ireo mpitondra sy mpanao pôlitika ireo raha tsy omena ny tambin-karama tokony ho raisiny fa izay fitaovana ahafahany mampandroso ny firenena aloha ary izay vary sy laoka ampy ho an’ny fianakaviany fotsiny. Izany dia afaka atao mandritra ny enim-bolana na herin-taona. Rehefa hita fa mahavita azy, toy ny karazana fotoam-pitsapana na période d’essai izany. Dia omena amin’izay izay mendrika azy. Toy ny mpiasa rehetra manao « période d’essai » izany.

Rehefa tena hita fa mahafa-po ny zava-bitany sy ny asany dia tsy maninona fa afaka tazonina ela eo ilay olona. Io dia mila ametrahana salan’isa enjehina arakaraka izay adidy sy lahasa tokony ataony. Tratra ilay isa dia voatazona, tsy tratra moa ilay salan’isa dia soloina. Ary raha sanatria ka hita sy tsapa fa nangalatra  sy nameno paosy fotsiny io olona io nandritra izay fotoana izay dia ho sazina avo roa heny noho izay sazy ho an’ny olona tsotra. Mba ho tena ohatra ny mpiasam-bahoaka malagasy fa tsy hitovy amin’ny izao mpanao politika ratsy sy feno hafetsena ratsy maneran-tany sy manerana ny Afrika izao.

Ny tena manahirana ny mpitondra amin’izao fotoana dia ireo olona na vondron’olona, avy eto Madagasikara na avy any ivelany izay misakana azy tsy handidy sy hamehy malalaka ary mitaky valiny sy tombontsoa avy aminy. Izany dia na noho ny fifanarahana miafina izay natao mialohan’ny nahazoana toerana, na ny fifanarahana natao teo amin’ny fitondrana mba hanamorana asa na fahazoan-dalana isankarazany na ihany koa ny fianteherana amin’ireny olona na vondron’olona ireny noho izay vola na fitaovana na fanampiana eritreretina fa mety ho azo avy amin’izy ireny.

Tsy mahavita tena izany isika malagasy raha izany no zohina ary atahorako tsy mahaleo-tena ihany koa. Somary miseho amin’ny fomba hafa indray amin’izay fotoana izay ny fanjanahan-tany fa tsy ho toy izay nitranga teo aloha. Ny loza dia ny sinoa izay zanatany japoney fahiny koa izao no mitsofoka ao anatin’ilay resaka fa tsy ny tandrefana irery intsony.

Raha ny vahaolana afaka aroso amin’izay fotoana izay dia ny hoe tadiavo ny fomba amehezana ny finana na ny finana diso tafahoatr’ireo eo amin’ny fitondrana na ambony na ambany na antenantenany. Miaraka amin’izay dia mila jerena ihany koa aiza no ahafahan’ny vahoaka mihinana sy miasa ary mampidi-bola ho an’ny tokan-tranony. Fa ny tena izy dia ny hoe ahoana no fomba ahafahan’ny malagasy tsy iankindoha tanteraka amin’ireo mpamatsy vola vahiny sy ireo firenena matanjaka ka tsy hiandry izay sitrapon’izy ireo foana vao hanao zavatra sy hiezaka. Tsy misy lalana hafa noho izay efa faleha nefa hita fa tsy dia tena nahasoa loatra ve?

Ho an’ny olona maro dia kamo ny mpiasa malagasy. Ary tsy ny mpiasa ihany fa ny malagasy tsotra izao. Lasa natao biby fampitahorana ireo mpiasa madinika ny fampiasana vahiny amin’ny toerana izay eritreretina ho vita’ny malagasy. Ary izay malagasy apetraka amin’ireny toerana ireny dia ilaina hatrany hisaina sy hanmefy toy ny vahiny. Misy lafiny tsara izany ary misy lafiny ratsy ihany koa saingy avy any amin’ilay vahoaka lazaina kamo aloha no mila mampiseho fivoarana sy fiaraha-mientana ary indrindra indrindra fahazotoana vao afak any tena hivoatra.