Blogging,  Communauté,  Culture,  Identité,  Langue (Mg),  Société

fetifety sy harona plastika

Mampalahelo mahamenatra fa raha vao resaka korana na fanasàna mihaja ka arahina resaka harona plastika dia ny mitranga eny Iavoloha isaky ny taom-baovao na isaky ny fetim-pirenena no avy hatrany dia miverina ao anatin’ny resaka ifanaovan’ny olona. Lasa fombafomba ve sa izay no vokatry ny fahantrana ka toy ny tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra?

Ny olona mitondra sy mameno ilay harona kely mety azo iafina ihany satria maro no niaka-dapa ka tsy dia mhay ny fombafomba, fa ilay izy miseho amin’ny fahitalavitra no tena nahatonga ny resabe. Ao koa moa ireo matin’ny henamaso ka mandevin-tay an-tsalaka te hanao toy iretsy mpameno harona fa na matahotra ny ho azo sary na ihany koa manongo tena menatra noho ny tsy fahaiza-miainan’ny vahiny nohasaina sasany.

Ka tsy fahalalam-pomba ary ve aloha sa tena efa lasa fombafomba mihitsy izy ity?

Raha zohina ny fiaraha-monina malagasy dia tao anatin’ny taona vitsivitsy lasa izay dia efa lasa fomba fanao ny mamono mofomamy amin’ny taratasy famaohana na « essuie-tout na soupalin » ka mitondra izany mody ho an’ireo ankohonana tsy voaasa tamin’ny fety. Efa miha-harivo ihany koa matetika vao tapaka izany mofomamy izany ka hany hery tsy mihinana azy mijanona eo amin’ny latabatra nisy ny tena fa matahotra ny ho tratra hariva na efa laon’ny lanonana ka manisy ny sakafo anaty fonosana ary mitondra azy mody. Indraindray koa tsy lany ny sakafo nifampizarana ka zaran’ny mpikarakara aza misy ny mitondra mody na ho an’ny olona na ho an’ny alika sy ny saka ao an-trano ohatra. Misy amin’ny vahiny nasaina no tsy menatra intsony manolotra harona plastika amin’ireo tanora lahy sy vavy mpikarakara ka mangataka mihitsy ny hamenona izany mba ho sakafon’alikany.

Misy amin’ireo mpikarakara lanonana no manao sakafo tsy fahita ary tsy ho taka-bidin’ireo olona nasaina sasany. Toy ireo atodin’ny papelika na irony atodin’ny haza an-drano lafo vity toy ny caviar itony. Misy ireo raiaman-dreny mba te hizara izany amin’ireo zanany tsy nasaina ka mitondra izany mody toy ireo vatomamy nozaraina tamin’ny fifamofoana na napetraka teny ambony latabatra. Zavatra matetika hita eto Antananarivo sy any amin’ny faritra izany. Ny any amin’ny faritra sasany aza moa omby natao vonoina hamahanana ny fokonolona no lasa entin’ny tsirairay mody ho laoka mandritra ny herinandro.

Rehefa nohadihadiana dia efa hatry ny ela ny teny amin’ny lapan’Iavoloha no nisy izany fombafomba hafakely izany. Tsy vao izao tsy akory fa fitondrana maro nisesy izay. Ny mahalasa saina dia izy ity tsy mahamenatra satria dia toa lasa fomba mihitsy. Ny orinasa sasany aza moa rehefa faran’ny taona ka misy fizarana kilalao sy fiaraha-misakafo dia mahafoy tsy minan-kanina ireo mpiasa sasany mba ahafahana mitondra izay zaka mody.

Dia ahoana izany no tokony hatao?

J'aime ma patrie et je souhaite le bien des malagasy

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.