Blogging,  Communauté,  Culture,  Economie,  Identité,  Langue (Mg),  Société

ny toe-tsaina hoe?

Isaky ny misy adi-hevitra na resadresaka momba ny fiaraha-monina malagasy dia miverina matetika io resaka toe-tsaina mila mivoatra sy mila asiam-panavoazana io. Samy miteny avokoa izay te hiteny, samy milaza mahatsikaritra ny tsy mety amin’ny fiaraha-monina avokoa izay manambara. Ny fanontaniako dia tsotra ihany : « Amintsika na aminareo rehtra izay milaza fa mila manova toe-tsaina rmalagasy, iza isika no efa mba niova sy nanome ohatra teo amin’ny fiaraha-monina misy antsika tsirairay avy? Resaka fotsiny sa efa mba tena nampiharina?

Zava-misy vitsivitsy ireo hotanisaiko eto ambany ka mety anisan’ireo ve ianao?

  • rehefa misy raharaha mila karakaraina eny amin’ny biraom-panjakana dia mitady fomba hanafainganana izany, na manome vola na zavatra hafa, na mitady olom-patatra na olona afaka hikarakara (na omena vola io na tsia)
  • mampiasa ny fahefana kely (na lehibe) ananan’ny tena mba hahazoana tombon-tsoa manokana (fanafainganana raharaha etsy sy eroa, fanamorana vidin-javatra ilaina, fitadiavana olona tompon’andraikitra, sns.)
  • ty miraharaha ny hafa fa rehefa tsy mety amin’ny tena dia diso avokoa, na amin’ny resaka fifamoivoizana io, na resaka fiaraha-monina, na fifaneraserana amin’ny toeram-pokonolona na toerana manokana
  • tsy mba manome làlana na mandefitra rehefa mitondra fiara raha tsy hoe efa tsy afa-manohatra angaha
  • tsy manome toerana ny zokiolona sy ny bevohoka ary ny kilemaina rehefa mandeha ireny fitanteram-bahoaka ireny na malalaka na sarotra ny làlana sy ny toerana ao anatin’izany fiara izany
  • tsy miarahaba ireo zoky na zokiolona izay mety mifanolobodirindrina na mpiray fikambanana na mpiray fiangonana na olom-patatry ny fianakaviana sns.
  • manipitsipy fako eny an-dàlana rehetra eny na mandeha an-tongotra io na mandeha fiarakodia
  • milahatra aloha na miandry toerana dia milaza amin’izay eo aloha na ny eo afara fa toeranao eo vao lasa indray mameno taratasy na mamita zavatra hafa « vetivety » (eny amin’ny banky io ohatra na milahatra fety na hafa) ka tsy afaka hiharitra hiandry eo ohatra ny olona rehetra
  • misongona ny fiara rehetra mitaonjozotra mora manara-dalàna rehefa misy fitohanana na fandehanana mora laotra eo amin’ny fifamoivoizana (rehefa mody alatsinainin’ny paka na pentekoty, na rehefa mivoaka ny renivohitra mody ny hariva)
  • manaraka fiara mpitondra marary na mpamonjy voina na dia tsy misy ifandraisana amin’ilay marary na voina manjo ny hafa mba hizorana mora foana sy haingana
  • mampirehitra jiro fanairana (double clignotants) sy mody mikiririoka na dia tsy tena manan-kaja afaka hanao izany aza (raha ny fantatra, na tamin’ny fitondrana teo aloha na ny amin’izao fotoana dia tokony ny filoha sy ireo filohan’ny andrim-panjakana ihany no afaka manao izany fa tsy ny talen-kabinetra na solombavam-bahoaka na olona hafa tsy fantatra ery no hanao izany)
  • ny miteny hoe « tsy hainao angaha hoe iza aho!? »
  • ny manoratra tanin’olona amin’ny anaran’ny tena na amin’ny anaran’ny vady aman-janaka nefa sady tsy nividy azy io no tsy nifampiraharaha tamin’ny tena tompony akory
  • sns. maro tsy voatanisa

Mahatsiaro anisan’ireo olona ireo ve ianao sa na ny iray amin’ireo aza mbola tsy nisy nataonao? Raha amin’ilay sokajy farany io ianao dia tena mendrika tokoa ary mendrika ny tokony halain-tahaka.

Mampiseho ohatra avy amin’ny tena aloha vao milaza momba ny hafa ry ise an!

J'aime ma patrie et je souhaite le bien des malagasy

3 commentaires

  • Hary

    Tena misy fahamarinany tokoa ireo voalaza rehetra ireo. Izaho manoratra etoana anefa dia mino fa betsaka ny olona tsy toy izany.
    Tiako hotsipihina eto ihany koa fa matetika tsy fahalalàna sy tsy tsy fahampiana teo amin’ny fitaizana no matetika mahatonga ireny « toe-tsaina » ireny. Ary indrisy fa ny avara-pianarana sy manan-katao no tena manao izany.
    Koa inty misy soso-kevitra asa raha mety : maninona moa raha ireo fihetsika tsara no tanisaina satria indraindray dia ny tsy fahafantarana no mahatonga ireny fihetsika ireny ? (Ho hitantsika eo indray ny hanaovana ireo « mody tsy mahalala »).
    Anombohako azy ity ohatra efa fanaoko ary tena mandaitra matetika rehefa miditra biraom-panjakana :
    – Miarahaba am-panajana ny olona hatonina (matetika izy gaga satria vitsy ny manao azy toy izany)
    – Mitsikitsiky (na tsy mamaly ilay tsiky aza izy)
    – Milaza amin’ny fomba tsotra ny zavatra ilainao
    – Misaotra sy manao veloma rehefa vita izany

  • mitiyu

    Hary> mahafinaritra ahy izay fomba fijery mitraka arosonao izay ary izay mihitsy no tokony atao.

    Zarina ialàna ny « aza » dia soloina hoe « tsara raha »

    Fiaraha-monina malagasy teo aloha ary mbola hita taratra eny ambany vohitra ny mifampiarahaba na tsy mifankahalala aza. Manao « mbay làlana » raha miserana, sns

    Tsy mora anefa ny mamoaka ireny satria dia efa raiki-tapisaka amintsika ilay fahazaran-dratsy ka lasa toy izy ireny indray no tena fomba.

    Eritreretiko kely izay hevitra izay dia ifampizarana eto fa misaotra. enga anie fotsiny tsy lazain’ny sasany hoe miana-kendry sy be moraly raha mitanisa izany.

  • annuaire

    Io resaka toe-tsaina io mintsy no itako olana ho antsika Malagasy ka mahatonga ny firenena ho latsaka an-katerena lava izao isaky ny misy tsy itovian-kevitra. Very tanteraka ilay fahendrena Malagasy izay nananan’ny razantsika taloha ka tsy mahay mifampiresaka sy mifanaja intsony ny olona. Ny sasany indray entin’ny vola sy ny fahefana ary ny fitiavan-tena miaingainga izaitsizy ka tsy te hahalala izany fihavanana Malagasy izany. Tokony ampidirina amin’ny taranja any ampianarana ny fahaiza-miaina amin’izay fotoana izay mbola kely ny Malagasy de efa afaka taizaina amin’izany mba ananan-tsika taranaka vanona sy reharehan’ny firenena malalan-tsika

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.