Tonga indray ito ny faran’ny herinandro. Faran’ny herinandro izay mifanojo amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Amin’izao vanim-potoana hiainantsika izao moa dia ny datin’ny 26 iona no natokana hankalazana izany satria dia io no voamarika fa fotoana niverenan’ny fahaleovan-tenan’ny malagasy rehefa nozanahin’ireo frantsay nandritry ny 60 taona mahery teo.

Ho an’ny ankamaroan’ny olona eto an-drenivohitra dia atao hoe fety rehefa misy sakafo sy zava-pisotro mahamamo. Izany hoe entina hamalifaliana ny vatana mba tena hahatsiarovana hoe sambasambatra ary ezahina hanadinoina ny adim-piainana isan’andro. Miroborobo araka izany ireo orinasa mpanodina na mpanafatra taoka sy alikaola ka krizy na tsy krizy dia mandeha hatrany ary na manana na mahantra dia mividy an’izany avokoa.

Somary nahatsiaro resaka nifanaovana tamin’ny namana mpanafatra entana sy mpiantsena atsy morisy sy any Azia ny tena ka nahatadidy ity teny nataony ity : » Fety izany ka fety an!… azo anasana tongotra mihitsy ny taoka tao sady ireo ilay tena lafo vidy avy any ivelany mihitsy. » Ary tsapa izany rehefa tonga ny fampiakaram-bady, tsy maintsy mba misy divay kely foana eny ambony latabatra rehefa tsy apetraka amin’ny toerana iray ery an-tsisitsisin-trano ery, ary misy tanora mivezivezy mizara oisiky mitety latabatra rehefa vitsivitsy izany. Izy roa moa dia toa lasa fomba ny manapoaka sampainina rehefa handidy mofomamy.

Tsaroako tampoka nefa ity teny ao amin’ny soratra masina ity izay nalaina tao amin’ny Ohabolana toko faha-31 andininy faha 4 ka hatramin’ny faha-7 :

« Tsy mba an’ny mpanjaka, ry Lamoela,
tsy mba an’ny mpanjaka ny misotro divay,
na an’ny mpanapaka ny mitady toaka;
5 fandrao manadino ny lalana izy, raha misotro;
ka mamily ny rariny ananan’ny mahantra rehetra.
6 Fa ny efa ho faty no omeo toaka,
ary ny efa vontom-pahoriana ny fanahiny no omeo divay;
7 aoka hisotro izy, ka hanadino ny fahoriany
ary tsy hahatsiaro ny manjo azy intsony.

Mahafaoka ny hevitra rehetra tiana ambara io toko sy andininy ao amin’ny Baiboly io. Saingy ny mampalahelo dia izany no mitranga eto amintsika satria rehefa mba nohasaina nanotrona teny Iavoloha na mahita izany amin’ny fahitalavitra ny tena, na ihany koa tamin’ireo sampana sy fikambanana niafina notsidihina taloha dia hita fa ireo mpitondra sy mpanao pôlitika ambony no tena rain’ny toaka. Ary tsy misy tsy misotro izany na sivily na miaramila, na olona ambony na mpanatanteraka.

Tsy vokovoko manga ny tena saingy mahatsapa fa misy mety ihany ny ataon’io fikambanana io eto amin’ny firenena ka manaitra ny saina. Sao dia mba mety raha ahenanareo na atsahatra amin’izay mihitsy ity fisotroan-toaka ity ry zalahy! Nisy aza moa filoha teo aloha nalaza fa tsy misotro mihitsy RAHA TSY ny oisiky nentiny avy any aminy rehefa misy fanasàna. Ary nisy ihany koa minisitra teo aloha nampalahelo fa notateriny ary nasainy notanterin’ireo mpiara-miasa taminy ny oisiky izay mivoaka tamin’ny fanasana nalehany tany Antsirabe ary tsy nahamenatra azy ny nanao izany na dia nisy nahatsikaritra aza. Misy koa moa min’ireo olona ambony taloha izay efa lasan-korazana no nalaza ho hitam-poko hitam-pirenena mamo imasom-bahoaka nefa dia vao maraina na hamonjy fiasana.