Resaka farandro indray no nahoraka tamin’ny manodidina ny misasaka ny volana mey teo. Raha tsiahivina kely moa dia nianga tany Amerika ny tantara. Nisy fikambanana kristianina avy ao amin’ny Family Radio notarihin’ilay rangahy antitra iray izay no nanaparitaka eran’izao tontolo izao, nandalo Facebook, ary nanao sora-baventy be teto Madagasikara fa dia hoe hanomboka ny 21 mey lasa teo izany ny Fitsarana farany ary amin’ny oktobra izao no tokony ho farandro.

Raha ny nahafantaran’izy ireto izany moa dia hoe nanao fampitahana ny nitranga tamin’ny andron’i Noa izy ireto ary dia voalaza ao anaty Baiboly daholo, hono, izany. Marihina fa dia efa maro sy matetika tokoa no nisy fanambarana vy amin’ny fikambanana na olomalaza ny momab io andron’ny farandro. Ohatra izany ohatra ny hoe 31 desambra 1999 alina hifoha 1 janoary 2000, sns. Ho an’ny tena krisitianina moa dia niezaka ihany hikaroka andininy sy teny tao anaty baiboly ka voalaza mazava tao ny hoe « Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka koa aza, afa-tsy ny Ray ihany » (Marka 13: 32 na jereo koa Matio 11: 27)

Vahotra anefa ny saina miambakavaka tsy hita izay hoeritreretina satria amin’ny maha-olona dia mipetraka ihany ny fanontaniana na tsy mpino aza manao hoe : »rehefa maty moa izany dia tapitra hatreo ve sa mbola misy fitohizany? » Amin’ny finoana maromaro dia ekena fa mitohy ny dian’ny fanahy rehefa miala eo an-tany. Ohatra amin’izany ny an-dry zareo Egypsianina izay nanomana ny nofo mangatsiakan’izay maty ka hamonjy ny varo-tsy mifody ka nampanaraka azy ny fananany sy ny hareny. Mino an’izany ihany koa ny finoana samihafa misy. Ary amin’ny maha-kristianina ny tena dia efa voalaza fa misy ny Paradisa sy ny Helo ka arakaraka izay vitanao tety an-tany ihany no ifaharan’ny fiainanao.

Tato ho ato dia nahare fijoroana vavolombelona roa mitovitovy RaMalagasy, dia ny an’i Tiana izay mpivaro-mandeha tetsy anoloan’ny hotel de Ville Analakely sy i Yves izay tra-dozan’ny môtô ka narary mafy tao amin’ny lohany tokony nodidina. Izy roalahy ireto dia samy nitantara fa nentin’i Jesoa Kristy nitsidika ny lanitra sy ny helo. Ary rehefa nozohina ny tantaran’izy ireto dia mifandraika amin’ny an’i Nenilava na Volahavana Germaine sy izay voalazan’ny ao amin’ny Fanambarana ny fitantarana ny zavatra hita sy nitranga.

Rehefa nikaroka ny momba ny fitsinjaran’ny finoan’ny malagasy na teny amin’ny INSTAT, na tamin’ireo tranonkala miresaka momba an’i Madagasikara toy ny an’ny CIA  dia hita fa betsaka ny vahoaka malagasy no mbola mitana ny fivavahana nentim-paharazana isan-karazany ary latsaka kelin’izany ny Kristianina. Ny Silamo moa dia vitsivitsy ihany satria latsaky ny 10% na dia misy faritany telo lehibe dia tsy iza fa Mahajanga, Antsiranana ary Toliara aza no tena ahitana betsaka azy. Hita tao anatin’izany antontan’isa izany koa fa manodidina ny 60 taona eo no andro iainan’ny malagasy ka ny vavy no ela velona kokoa noho ny lahy.

Dia lasa ihany ny saina… Misy izany ny fiainana aorian’izao fiainana izao. Saingy manao ahoana izany fiainana izany? Ary aiza no aleha raha misampana ny lalana? Rehefa zohina ny fiainana amin’izao fotoana, dia entanin’ny fizarazarana, ny fitiavan-tena, ny rendrarendra ary ny filan’ny nofo ny olom-belona ary indrindra fa isika malagasy. Miteraka tsiny sy sazy ho antsika izany ary mety izany ihany koa no mahatonga izao trangan-javatra tsy dia mahasoa rehetra miseho tao antin’ny telopolo taona mahery izao.

Dia mety ho aiza izany raha tapitra ny aina? Sûr ve?