Maromaro ihany izay olona nanantona ahy hindram-bola izay tato ho ato. Asa angamba misy soratra hoe « banky » eny amin’ny andriko na koa mety hoe tena hakiviana tanteraka ka tsy mahita izay hiantsapazana ka izay hita voalohany no angatahana.

  1. Ny karazany voalohany amin’ireny ireto vehivavy mitrotro zaza, indraindray lehilahy pitsapitsana mitarika ankizy kely, mitaraina fa marary ny zanany ary mampiseho taratasim-panafody. Misy aza miteny fa any amin’ny hopitaly ilay zanany ka tsy hitany intsony izay ataony ahafahany mitady ireo fanfody izay asain’ny mpitsabo vidina. Misy amin’izy ireny no tsy manana zaza tena marary rehefa nodinihina satria rehefa jerena akaiky ireo taratasim-panafody dia fanafody tsy dia tena natokana ho an’ny aretina sarotra tsaboina fa itony atao hoe « générique » na fahita isanandro itony no ao anatin’ny taratasim-panafody. Ny sasany aza moa dia tsy misy ny laharana maha-mpitsabo ao anatin’ny olafitra ny fitombokase hita akaikin’ny sonia. Ny fanafodin’ireny raha tena te hanampy ianao nefa matahotra ny resaka hafetsena fotsiny dia entina mividy ilay fanafody mivantana. Anjarany avy eo raha tsy misy ny marary no mivarotra izany raha te hitady vola izy…
  2. Ny karazany faharoa indray dia efa mahazatra, ankizy kely na be antitra hita fa tena mahantra raha ny fitafiny fotsiny ihany no jerena. Ireo lazaina fa « kat’my » ireny moa dia hatramin’ny repoblika faharoa dia efa tsy nahagaga intsony ny mahita azy eto Antananarivo. Misy ireo ankizy mitrotro zaza mena vava na zazakely eo amin’ny roa ka hatramin’ny 4 taona eo. Misy ireo kilemaina izay mibahan-dàlana amin’ny seza mikodia na « fauteuil roulante ». Ny olona sasany mahita moa dia miteny fa iretsy olon-dehibe dia androrosy, izany hoe ireo olona voaozona tsy maintsy mangataka na dia tsy tokony hanao izany aza, raha ny lovan-tsofina no tantaraina, ary ny sasany kosa dia ireo ankizy irahin’ny raiamandreniny izay very asa na tsy manana asa ka mangataka. Tsetsatsetra tsy aritra fa dia voalaza ary hita tamin’ny fanadihadiana tamin’ny haino aman-jery fa hofaina Ariary 20 ka hatramin’ny 50 eo no ho eo ireto zazakely trotroina entina mangataka.
  3. Ny somary manintona ny saina dia ireo mpiara-belona sy mpiray vodirindrana na koa mpiara-miasa, izay eritreretina fa mana-katao kanefa dia mindram-bola na mangataka tsotra izao. Misy amin’ireny ny havana, ao koa ny namana, ary indraindray dia olon-tsotra zara fa niresaka sy nifanerasera teo an-tanàna kanefa dia noho ny fahamaizana dia lasa manatona sy miresaka amin’ny tena mba hindrana. Manahirana ny mamaly an’izy ireny satria na antoka apetraka aza amin’izao ohatra ny tsy misy fa efa namidy ary rehefa tsy misy amidy intsony dia izao lasa mindrana izao. Ny an’ny sasany indray dia mieritreritra fa zony ny mahazo avy any aminao noho ny fiarahana sy ny fifakahalalana ka ianao indray no ohatra ny ampitahoriny rah mitady tsy manome.
  4. Ny karazany hafa kosa dia ireo lehilahy sy vehivavy namana na mba sendra mahafantatra ka mampitady asa vaovao na « bizina » atao. Ny faheno matetika avy amin’izy ireo dia ny hoe « aiza no ahafahana manampy ny fidiram-bola ao an-tokan-trano » na ihany koa hoe « iry ranona lasa nivarotra, na nahazo trano, na nahazo fiara, izaho koa ve tsy afaka hanao izany? » dia entin’ny fitsiriritana dia lasa manaonao foana. Misy ny tonga dia miala amin’ny asany fa mieritreritra fa ratsy sy masiaka loatra ireo mpampiasa. Fa aleo kosa aloha izany toy izay ireto mivaro-tena izay lasa mirongatra be ireto tato ho ato. Ao ny manotra mamoa fady, ao ny mandihindihy mitanjatanjaka mamoa fady ary ny mivaro-tena amin’ny fomba efa niainan-draolombelona azy efa amanarivo taona maromaro.

Rehefa miverimberina aminao ireny tranga ireny dia lasa ny saina ka manontany tena hoe hanjavona koa ve izany ireo kilasy antonony ka tsy hisy afa-tsy ny mahantra sy ny manana sisa eto Madagasikara. Ka raha mahatsiaro tena tsy dia tena manana loatra ianao izany dia any amin’ireo hoe mahantra? Ny tarehimarika momba ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny fampahafantarana hafa moa amin’izao dia mbola tsy fanatra satria rehefa mijery ny vokatra misy ao amin’ny INSTAT dia mbola ny tamin’ny roa taona lasa no misy ao.

Dia tsy maintsy mitandrina mafy daholo izany amin’izao. Jerena tsara na dia Ariary zato na roanjato aza no maha-samy hafa ny vidin’entana dia efa hitany izay ao anatin’ny iray volana raha misy maromaro tahaka izay. Ny fitomboan’ny elanelana misy eo amin’ny mahantra sy ny mahita atao no tazana ombieny ka lasa mampanitatra saina ireo olon-dratsy. Ny tsolotra nefa etsy an-daniny dia manginy fotsiny fa tsy asiana resaka eto…