Ireo fahazarana 7n’ireo olona tena mahavita azy

27 mai 2011 by Mitiyu  

Misy soatoavina sy fahalalàna maro tsara ifampizarana nefa tazonin’ireo izay mahay sy mahafantatra azy nefa mety mahasoa raha iainan’ny olona rehetra. Anisany amin’ireny fahalalàna ireny ohatra ity « Fahazarana fiton‘ireo olona tena mahavita azy » ity. Amin’izao fotoana dia tena tsara ampiaharina amin’ny fifaneraserana arak’asa sy ny fifandraisan’ny samy olombelona ny vonto atiny. Misy ny mihevitra fa natokana ho an’ireo olona ambony sy natao hitarika ihany ny zavatra fonosiny saingy isika rehetra dia natokana handroso sy hiavotra daholo.

Amerikana iray izay antsoina hoe Stephen Covey no nanoratra ny boky sy nanaparitaka ny fahaizana ka maro ireo olona nahita soa tamin’izany. Tiako ifampizarana aminareo eto izany satria anisan’ny fototra iray ahafahana manatsara ny fifaneraserana amin’ny mpiara-belona sy ny mpiara-miasa.

  • Fahazarana voalohany : Mivonona alohan’ny fitrangan-javatra
  • Fahazarana faharoa : Fantao mialoha aiza no tianareo haleha
  • Fahazarana fahatelo : Omeo laharam-pahamehana izay tena maika
  • Fahazarana fahaefatra : misaina hatrany hoe samy miara-mandresy
  • Fahazarana fahadimy : Ataovy aloha izay hahazoana (ny hafa) izay vao mikatsaka ny ho azo (n’ny olona)
  • Fahazarana fahaenina : Araraoty ny voka-tsoa azo miaraka
  • Fahazarana fahafito : Aranito ny fahaizana

Somary nanosarotra ny nandika ireo fahazarana ireo tamin’ny teny malagasy satria dia maro no mbola tsy ao anatin’ny kolotsaina sy voambolantsika. Anisan’izany ohatra ny teny hoe « proactif » izay nadika tsotra amin’ny alalan’io fahazarana voalohany io, anisan’izany koa ny teny hoe « synergie » izay nanazavana ny fahazarana fahaenina. Mbola mila ampiharina sy zaraina amin’ny manodidina hatrany amin’ny faran’ny ambanivohitra any ireo mba ahatsapan’ny olona fa tsy miasa mafy amin’ny tsy misy dikany fa miasa mba hahazo fahasoavana no sady fahasoavana ihany koa ny asa.

Raha ny tena marina dia fandrantoana farafahakeliny telo andro no ianarana ireo fahazarana ireo. Ary ny tena marina dia tsy tokony ampahafantarina ny hafa akory ireo fahalalàna ireo saingy rehefa nozohina ny Aterineto dia maro no miresaka azy ka tsy maninona fa ifampizarana raha mahasoa ny malagasy. Fantatra fa vitsy koa tsinona no handranto azy avy eto.

Ao anatin’izany fampianarana izany dia misy ihany koa ny fanavahana ny atao hoe MAIKA (urgent) sy ny hoe MAVESA-DANJA (Important)

Afaka manao efajoro iray isika ka amin’ny lafiny mitsivalana dia ho zaraina roa dia apetraka amin’ny zarany voalohany ny MAIKA ary amin’ny zarany faharoa ny TSY MAIKA. Amin’ny lafiny mitsangana kosa dia apetratsika eo ny MANAN-DANJA sy TSY DIA MANAN-DANJA. Tsy dia azo an-tsaina loatra angamba fa ataoko anaty kisary eto ambany.

  1. Amin’io dia hitantsika fa misy ny zavatra MAIKA no sady MANAN-DANJA. Anisan’izany ohatra ny krizy, ny olana mavesatra, ny teti-kasa misy fotoana tsy maintsy hahavitana azy,sns.
  2. Misy indray kosa ny zavatra TSY MAIKA saingy mbola tena MANAN-DANJA. Anisan’izany ny fiomanana, ny fahamailona, ny fandaminana isanisany, ny fandalinana ny fifandraisana, ny fialam-boly, sns.
  3. Misy kosa ireo zavatra MAIKA nefa dia matetika tsy MANAN-DANJA firy. Ao anatin’izany ohatra ireo fanakorontanana madinika, ny fivoriana tsy dia misy dikany, ny antso voaray atao nefa tsy dia maika akory ary ny olana madiniky ny hafa.
  4. Ny farany moa izany dia ireo zavatra sady TSY MAIKA no TSY MANAN-DANJA koa. Tafiditra ao anatin’izany ny fandaniam-potoana, ny zavatra atao hanalàna andro, ny antso na taratasy na mailaka izay tsy misy fotony, ny fijerena be loatra ny fahitalavina na ny Aterineto na ihany koa ireo fialam-boly amin’ny fotoana tokony hanaovana asa na zavatra hafa.

Tsapa fa tsy misy toerana ho an’ny « RaMoraMora » eto saingy misy fotoana kosa ilaina ny fitsaharana. Ho an’ny finoana Kristianina moa dia tena ilaina tokoa ny fitsaharana io saingy noho ny fahotàna tamin’ny fototra dia noroahina tao Saha Edena RaOlombelona ka ny hatsembohan’ny tava no hihinana. Saingy izao no tadidio, tsy ozona fa fahasoavana ny asa. Ka enga anie samy hahazo ny asa sahaza azy avy isika rehetra.

Ny tiana hamaranana ity fizaram-pahalalàna ity dia ho zaraiko eto ihany koa ireo toetra tsara anànana raha te hifandray sy hifanerasera tsara amin’ny hafa ianao mba hahombiazanao ihany koa :

  • Voalohany, ataovy aloha izay hahazoanao ny hafa : Aza maika ny hiteny na haneho ny hevitra na ny fomba fijerinao fa aoka ho fantatrao tsara ny momba ny olona miresaka sy miara-miasa aminao ka aorian’izay ianao afaka maneho kokoa izay tianao ambara.
  • Asehoy ny fahatsorana sy ny fanajanao ny hafa ary indrindra indrindra asehoy fa olona sariaka ianao : Ahoana mihitsy moa no ahafahan’ny hafa miara-miasa amin’ny olona manevateva azy sy tsy hay iaraha-monina ary tsy mifanaja aminy?
  • tazony hatrany ny teny nomena : eto aloha dia very hatrany ireo mpanao pôlitika fa maro amin’izy ireo no tsy mahatàna ny teny nomena. Aoka ianao tsy ho toa azy ireo fa rehefa « eny » dia « eny » rehefa « tsia » dia « tsia » ary rehefa nilaza ianao fa ho ataonao dia tanteraho araka izay voalazanao.
  • Mahaiza manaja izay olona tsy eo : matetika mantsy dia misy ireo faly mifosafosa sy manaratsy izay olona tsy eo rehefa mivory na miresaka maromaro kanefa dia misolelaka sy manatsara ery rehefa tsy eo. Ataovy ho toy ny eo hatrany izay olona tsy eo mba tsy hahasolafaka anao satria mety hisy amin’ireo olona manoloana anao no hamadika hitantara izany teny hafahafa nataonao tamin’ilay olona tsy teo
  • Teneno MAZAVA izay zavatra andrasanao : tadidio fa misy hatrany ny fiovana amin’ny zavatra eritreretinao sy ny teneninao ary ny teneninao sy ny henon’ny olona ay ny henon’ny olona sy ny azony. Ka mba hamerana izany dia saino mazava aloha izay hevitrao ka ambarao mazava arakaraka izay nieritreretanao azy izay. Rehefa mazava amin’ny hafa ny zavatra andrasanao aminy dia mora ho azy ireo koa ny hanatanteraka izany
  • Mahaiza mamela heloka : ny olombelona rehefa dia tsy misy tsy diso. Ny tanjontsika dia ny hahatsara ny fiaraha-monina ka tsara atombontsika amin’ny tenantsika izany. Somary manahirana io satria ho very ihany koa raha mamela heloka isaky ny mandeha izao saingy ilaina izany ary ilaina ihany koa no mampahafantatra ilay olona diso tamin’ny tena ny lesoka nataony mba hahazoany lesona amin’izany ary iezahany tsy hamerenana azy intsony

Izay aloha ny tafatafa momba io. Maro ny fahalalana fanampiny fonosin’izy io ary mbola maro ihany koa ny tohiny fa ireo sokajy ireo no ampiharo ary ho hitanao fa hivoatra ny fahazaranao mba ahafahanao misonga hatrany.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Resaka « Taxi be » ihany…

26 mai 2011 by Mitiyu  

Raha tsiahivina vetivety ny niandohan’ny taxi be teto Antananarivo dia ireo minibus nantsoina hoe « Buxi » angamba no azo lazaina fa tena nisantatra izany. Taty aoriana moa dia feno minibus vita avy any Japon  no tena nanao ny ankamaroan’ny asa fitaterana ary amin’izao fotoana dia niampy ireo fiara Mercedes avy any Alemana izany. Iaraha-mahalala sy iaraha-miaina isan’andro izany.

Maro amintsika no lasa manao fanatanjahan-tena rehefa handray ireny fiara fitateram-bahoaka ireny. Vao mipoipoitra ery lavira ery ny lohan’ny fiara dia efa miomana sahady mitana tsara ny poketra na kitapo ary miedinedina hanenjika ny fiara. Satria enjehina mantsy izy ireny amin’ny ora firavana sy fandehana miasa sy mianatra. Raha vao mareforefo dia aleo tsy miandry azy mihitsy raha amin’izany ora izany satria ao ny misavika sy mihazakazaka manaraka azy mandroso amin’izay tiany tena hijanonana, ao ihany koa ny misisika mba ho tafiditra alohan’ny hafa ary rehefa tafiditra dia mbola mitsabikimbikina kely mandigana ireo hazo natao fipetrahana manelanelana ny seza. Toy izay ihany koa ny mivoaka.

Tato ho ato dia maro ireo lozam-pifamoivoizana hita sy re amin’ny haino aman-jery fa nitranga tetsy sy teroa. Fiara mifandona, manitsaka olona, manimba tamboho sy rindrin’olona ary ny mifanenjika samy taksi be. Asa na tena ireo mpamily no tsy mitandina na ny fiara no ratsy karakara na ihany koa noho ny habetsahany dia mitombo arakaraka izany ihany koa ireo salan’isan’ny loza.

Ny zavatra tsapa aloha dia maro amin’ireo mpamily no tsy manaja ny lalàm-pifamoivoizana, tsy manaja ny toeram-piantsonana sy ny fandraisana mpandeha, ary ny tena mampalahelo dia tsy ampy fitaizana sy fanabeazana ka lasa manaonao foana ary rehefa saziana dia migrevy satria tsy zatra manara-dalàna. Efa nisinisy ihany izay teti-kasa niaezaka ny nampanjary ny fifamoivoizana miaraka amin’ireto fiara fitateram-bahoaka ireto, na ny avy ao amin’ny polisim-pirenena izany, na ny avy ao amin’ny polisy monisipaly na ireo fikambana maro isan-karazany na ny gazety izay mampiseho ny tsy fanarahan-dalàna.

Nisy ihany koa ny fanajariana natao ho an’ireo toeram-piantsonana toy izay natao ho an’ny zotra 119 mampitohy an’Ankatso sy 67ha. Nahazoana famatsiam-bola, hono ireny, saingy izao, tsy miova ny fitondran-tenan’ireo mpamily sy mpandray vola. Nisy ny ezaka nataon’ny kôperativa amin’ny nanisiana ireo mpandridra anaty na hoe « cadenceur » izay mitantana ny fijanonana, fampandrosoana na ny fandefasana ny fiara izay miantsona amin’ireny toerana natokana ho amin’izany ireny. Fa mbola tazanao ihany ireo mpamily tsy dia miraharaha loatra an’izy ireny. Satria angamba mety olona tamin’izy ireo ihany no nantsoina ka tsy atahorana na tsy misy lanjany aminy.

Fa dia maro izy ireto amin’izao fotoana. Raha mijery an’iny Anosy iny na iny faritra Analamahitsy-Ambohitrarahaba iny na ihany koa ny valavan’Andraharo mipàka mankany Ambohimanarina iny, dia efa tsy mahataitra intsony ny mahit ireto taksi be am-polony maro mitandahatra mitanjozotra mora manaraka ny onjan’ny fifamoivoizana. Raha sainina an-tsaina ohatra dia ao anatinan’ny zato metatra raha misy fiara roapolo dia farafahakeliny folo na dimy ambin’ny folo amin’ireo no taksi be mifanarakaraka amin’ireo toerana voalaza tetsy ambony izany.

Mbola hitombo ary hihabetsaka hatrany anefa izy ireny satria misy ireo tompom-piara taloha no te hanampy na hanolo ny azy ka tsapa fa nihamaro ireo « Sprinter Mercedes » amidy etsy Andranobevava sy Anosy ary Analakely. Rehefa nanotaniana ireo mpivarotra dia fantatra fa eo anelanelan’ny Ariary 24 tapitrisa ka hatramin’ny Ariary 36 tapitrisa no vidin’ireto fiara fanaovana fitanterana ireto. Misy ny mbola vy ny varavarankely ary misy kosa ny efa vaky fa fitatra no eo. Misy ny fohy ary misy ny lava. Ka arakaraka izay sy ny hatsarany. Ho an’ny « minibus » kosa indray rehefa nojerena ny teny ambany tetezan’ny Behoririka sy ny eny Antetezanafovoany dia eo anelanelan’ny Ariary 14 tapitrisa ka hatramin’ny Ariary 32 tapitrisa no ahafahana mividy izany arakarak’izay hoe misy fitaratra na tsia izay.

Somary mahatsikaiky ihany moa ny fomba famarotan’ireto tompom-piara satria dia malaza amin’izao ny fametahana anaran’orinasa allemàna mba hitenenana fa tena tsara ny fiara satria avy any Allemàna. Efa betsaka mantsy izao no mpanamboatra ireto « autocollant » atao amin’ny fiara izay nahazatra ny nahita azy ireny tamin’ny fiara « tuning ». Rehefa jerena akaiky ny laharan’ny fiara dia misy « 974″ izany hoe avy etsy amin’ny nosy La Réunion izany nefa ny soratra amin’ny vatany dia teny alemàna sy laharana an-tariby allemàna.  Toraka izany ihany koa dia mbola soratra amin’ny teny allemàna ihany koa saingy tao familiana amin’ny ankavanana na « conduite à droite » ilay fiara izany hoe na avy any Hong Kong na Japon na firenena hafa ankoatran’i Frantsa sy Allemana ary Belzika.

Eo amin’ny fametrahana ny laharan’ny fiara ihany koa dia misy zavatra mahatsikaiky satria ny laharana avy any hong Kong (litera roa arahina isa efatra) nefa misy ilay soratra « F » amin’ny takelaka mangamanga kely manambara fa avy any Frantsa, hono izany, ny fiara. Na ihany koa litera « B » ne « D » izay midika fa avy any Belzika na Allemàna. Misy kosa ireo manisy takelaka fotsy ka ampitovitoviana amin’ny takelaka avy any Soissy na Allemàna saingy « 974″ kosa indray ilay laharana. Mahavariana, mahatsikaiky.

Fantatra mantsy izany izao fa dia ny fiara avy any Soissy sy Allemàna na ireo firenena Eropeana tandrefana no safidy voalohan’ny mpanjifa dia avy eo vao ny avy any Hong Kong na Japon raha voavadika tsara ny familiana, dia avy eo ny fiara avy ao Frantsa izay voalaza fa ratsy kokoa raha oharina amin’ny avy any Soissy na Allemàna raha taona mitovy. Ny farany moa dia ny avy etsy La Réunion. Ka mety noho izay filaharana izay izany no mahatonga ny fametahana « autocollant » misy orinasa Allemàna na ihany koa ny fanamboaramboarana ny fametrahana ny laharan’ny fiara. Fomba fmarotana daholo moa izany saingy mety ahitana taratra fitaka ihany na izay antsoina hoe « dol » amin’ny fiteny azy ka tsara mailo ihany izay mividy fa tsy manao avy any amin’ny tanàna be vola tsy mahalala na inona na inona.

Sipirintera moa izany ny fiantsoan-dry zalahy an’ireto « Sprinter Mercedes » ireto izay misy milaza fa manana motera « TDI » na dia iaraha-mahita eo aza fa « CDI » no soratra mivandravandra eo. Tsara ihany angamba ny mijery ny fari-pahaizan’ny mpamily sy ny mpanampy azy vao alaina miasa izy ireny na omen’ny fanjakana fahazoan-dàlana hamily. Satria ao amin’ny fanabeazana sy ny toe-tsaina mihitsy no mila harenina.

Aleo manontanitany foana toy izay manaonao foana e!

No Tags

Popularity: 1% [?]

Fa nankaiza ny vola e?

19 mai 2011 by Mitiyu  

Maromaro ihany izay olona nanantona ahy hindram-bola izay tato ho ato. Asa angamba misy soratra hoe « banky » eny amin’ny andriko na koa mety hoe tena hakiviana tanteraka ka tsy mahita izay hiantsapazana ka izay hita voalohany no angatahana.

  1. Ny karazany voalohany amin’ireny ireto vehivavy mitrotro zaza, indraindray lehilahy pitsapitsana mitarika ankizy kely, mitaraina fa marary ny zanany ary mampiseho taratasim-panafody. Misy aza miteny fa any amin’ny hopitaly ilay zanany ka tsy hitany intsony izay ataony ahafahany mitady ireo fanfody izay asain’ny mpitsabo vidina. Misy amin’izy ireny no tsy manana zaza tena marary rehefa nodinihina satria rehefa jerena akaiky ireo taratasim-panafody dia fanafody tsy dia tena natokana ho an’ny aretina sarotra tsaboina fa itony atao hoe « générique » na fahita isanandro itony no ao anatin’ny taratasim-panafody. Ny sasany aza moa dia tsy misy ny laharana maha-mpitsabo ao anatin’ny olafitra ny fitombokase hita akaikin’ny sonia. Ny fanafodin’ireny raha tena te hanampy ianao nefa matahotra ny resaka hafetsena fotsiny dia entina mividy ilay fanafody mivantana. Anjarany avy eo raha tsy misy ny marary no mivarotra izany raha te hitady vola izy…
  2. Ny karazany faharoa indray dia efa mahazatra, ankizy kely na be antitra hita fa tena mahantra raha ny fitafiny fotsiny ihany no jerena. Ireo lazaina fa « kat’my » ireny moa dia hatramin’ny repoblika faharoa dia efa tsy nahagaga intsony ny mahita azy eto Antananarivo. Misy ireo ankizy mitrotro zaza mena vava na zazakely eo amin’ny roa ka hatramin’ny 4 taona eo. Misy ireo kilemaina izay mibahan-dàlana amin’ny seza mikodia na « fauteuil roulante ». Ny olona sasany mahita moa dia miteny fa iretsy olon-dehibe dia androrosy, izany hoe ireo olona voaozona tsy maintsy mangataka na dia tsy tokony hanao izany aza, raha ny lovan-tsofina no tantaraina, ary ny sasany kosa dia ireo ankizy irahin’ny raiamandreniny izay very asa na tsy manana asa ka mangataka. Tsetsatsetra tsy aritra fa dia voalaza ary hita tamin’ny fanadihadiana tamin’ny haino aman-jery fa hofaina Ariary 20 ka hatramin’ny 50 eo no ho eo ireto zazakely trotroina entina mangataka.
  3. Ny somary manintona ny saina dia ireo mpiara-belona sy mpiray vodirindrana na koa mpiara-miasa, izay eritreretina fa mana-katao kanefa dia mindram-bola na mangataka tsotra izao. Misy amin’ireny ny havana, ao koa ny namana, ary indraindray dia olon-tsotra zara fa niresaka sy nifanerasera teo an-tanàna kanefa dia noho ny fahamaizana dia lasa manatona sy miresaka amin’ny tena mba hindrana. Manahirana ny mamaly an’izy ireny satria na antoka apetraka aza amin’izao ohatra ny tsy misy fa efa namidy ary rehefa tsy misy amidy intsony dia izao lasa mindrana izao. Ny an’ny sasany indray dia mieritreritra fa zony ny mahazo avy any aminao noho ny fiarahana sy ny fifakahalalana ka ianao indray no ohatra ny ampitahoriny rah mitady tsy manome.
  4. Ny karazany hafa kosa dia ireo lehilahy sy vehivavy namana na mba sendra mahafantatra ka mampitady asa vaovao na « bizina » atao. Ny faheno matetika avy amin’izy ireo dia ny hoe « aiza no ahafahana manampy ny fidiram-bola ao an-tokan-trano » na ihany koa hoe « iry ranona lasa nivarotra, na nahazo trano, na nahazo fiara, izaho koa ve tsy afaka hanao izany? » dia entin’ny fitsiriritana dia lasa manaonao foana. Misy ny tonga dia miala amin’ny asany fa mieritreritra fa ratsy sy masiaka loatra ireo mpampiasa. Fa aleo kosa aloha izany toy izay ireto mivaro-tena izay lasa mirongatra be ireto tato ho ato. Ao ny manotra mamoa fady, ao ny mandihindihy mitanjatanjaka mamoa fady ary ny mivaro-tena amin’ny fomba efa niainan-draolombelona azy efa amanarivo taona maromaro.

Rehefa miverimberina aminao ireny tranga ireny dia lasa ny saina ka manontany tena hoe hanjavona koa ve izany ireo kilasy antonony ka tsy hisy afa-tsy ny mahantra sy ny manana sisa eto Madagasikara. Ka raha mahatsiaro tena tsy dia tena manana loatra ianao izany dia any amin’ireo hoe mahantra? Ny tarehimarika momba ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny fampahafantarana hafa moa amin’izao dia mbola tsy fanatra satria rehefa mijery ny vokatra misy ao amin’ny INSTAT dia mbola ny tamin’ny roa taona lasa no misy ao.

Dia tsy maintsy mitandrina mafy daholo izany amin’izao. Jerena tsara na dia Ariary zato na roanjato aza no maha-samy hafa ny vidin’entana dia efa hitany izay ao anatin’ny iray volana raha misy maromaro tahaka izay. Ny fitomboan’ny elanelana misy eo amin’ny mahantra sy ny mahita atao no tazana ombieny ka lasa mampanitatra saina ireo olon-dratsy. Ny tsolotra nefa etsy an-daniny dia manginy fotsiny fa tsy asiana resaka eto…

No Tags

Popularity: 1% [?]

A l’heure des marques…eating

18 mai 2011 by Mitiyu  

Logorama by H5

La société de consommation nous a complètement immergés dans l’océan des marques et des produits. Combien de messages publicitaires et d’invitation à la consommation recevons-nous chaque jour et combien de ces messages retenons-nous? Telle est la principale question que pourra se poser un marketeur ou un communicateur.

Depuis ces quelques années de crise, on tente vainement à relancer la consommation. Mais la relance de la consommation ne pourra se faire qu’avec un revenu digne de ce nom qui atterrit dans la poche du citoyen lambda. De nos jours, la gratuité prime. Sauf que rien n’est gratuit…

François Alaux, Ludovic Houplain et Hervé de Crecy de l’Agence H5 nous rappelle, grâce à ce court-métrage qui a gagné un oscar en 2010, qu’il existe d’innombrable marques et produits qui nous entoure et qui, petit à petit, prennent une place considérable dans notre vie. Beaucoup de ces marques n’existent pas à Madagascar, si on ne cite que KFC, MacDo ou autre PizzaHut, etc. mais nous les reconnaisons grâce aux médias et pour ceux qui ont eu la chance de voyager, de les découvrir durant ces déplacements. Mais beaucoup sont présents dans l’ïle Rouge, si on ne cite que Michelin (les deux Bibendum), Windows, Bic, Haribo, Shell, fido Dido, AirFrance, Quicktime, chewing gum Hollywood, etc.

Saluons en passant la créativité et l’idée conceptrice de ce film ainsi que sa réalisation technique et son graphisme, et ceci malgré un scénario assez bâclé. En effet, le neoud et le dénouement sont assez approximatifs. Mais le fait est que l’ouvre mérite quand même son Oscar.

A Madagascar, « marques » correspond à seconde main ou occasion, pour ne pas dire friperies, tandis que les produits neufs sont souvent des démarqués ou des clones à la limite de la contre-façon. Les entreprises sont les plus grandes consommateurs de marques dans le pays. On y utilise son Xerox, on scanne avec son HP, on imprime avec son CANON et de préférence on utilise des DELL ou des IBM.

A la maison, les ménages consomment plus des VENUS (avec la mention « France »), des TRUST, des SONICA ou encore des NAZA et des SATURNE. Parmi les marques qui se fraient une place au soleil, il y a Changhong et Cherry (oui ce sont des marques que très peu d’occidentaux connaissent). A la campagne, on conduit des FranceRider et on trouve de temps à autre des Kubota.

L’Asie a marqué de son empreinte les grandes villes de Madagascar. Les opérateurs locaux ont trouvé des fournisseurs en Chine qui leur permettent de créer et de mettre leur propre marque sur les produits de leur choix. Une anecdote que j’aimerais partager avec vous, dans une ville chinoise (Chine continentale) il existe un fournisseur de poste téléviseur et des lecteurs DivX. En commandant ses produits, le client est étonné lorsque le vendeur lui demande s’il souhaite qu’on lui mette du SONY, du LG ou du SAMSUNG comme marque en sachant pertinemment que les postes choisis n’ont pas de marque à l’origine. Une façon de dire que finalement si je veux une grille-pain de marque « Rakoto » ou un scooter de marque « Mitiyu » je pourrai l’avoir facilement. Rappelons nous de l’histoire au début des tablettes tactiles. Après le lancement du premier iPad d’APPLE, les autres concurrents potentiels tels que DELL, MOTOROLA ou encore MICROSOFT ont longuement hésité pour finalement ne pas lancer tout de suite leur tablette. Tandis qu’un chinoi a tout de suite lancé son iPed, voyant là un créneau que les exploitants d’Androïd ont considéré comme étant inintéressant.

La consommation des marques est devenue une philosophie pour le malagasy… sauf que la majorité tente de survivre et rares sont ceux qui philosophent.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Mr Moov, c’est minable ce que vous faites

12 mai 2011 by andrianjorar  

Je suis sur que monsieur Pisal Hamida est quelqu’un d’intelligent et de cultivé sinon il ne serait pas à la tête d’une boite comme moov et telma. Mais sur ce histoire contre SSD, il a été franchement …minable et tout petit.

Vexé parce qu’on lui a dit ses 4 vérités : Fa ty angaha Ravalomanana no tsy azo tenina a?

Et si au moins il avait raison. Le service se ramasse, le SAV raconte des conneries dignes de Mr Bean, et les arguments sont aussi fallacieux que ceux de Collin Powell à l’ONU en 2003, mais on ne veut pas reconnaître son tort. Savez vous au moins que vos commerciaux ont même insinué que les perturbations étaient dues aux évènements au Japon? Inch allah !

Que le service soit médiocre, on peut encore le tolérer si Moov avait la décence de reconnaître son tort.  Mais de là à porter plainte contre un client qui est dans son droit : c’est minable comme réaction. Portez plainte contre tous les blogueurs malgaches, et démontrez nous votre puissance financière, on s’en branle! Ça ne changera pas la qualité de vos services.

Pour rappel, voici ce que vous avez dit en 2007 sur Sobika (n’essayez pas de l’effacer, on l’a déjà sauvegarder)

« ….Est ce que DTS a le moyen d’offrir ce réseau de qualité ?

Nous disposons de toute une armada pour offrir un réseau de qualité aux utilisateurs. Ainsi, nous avons mis en place le « Network operating center » (NOC), un outil de supervision des trafics internet. Avec cet outil, on peut contrôler, superviser la disponibilité du réseau. Notre service technique est en mesure d’intervenir en un temps record en cas de panne. »

Temps record mon cul !

Allez, faites un effort, reconnaissez votre erreur, acceptez que c’était une grosse connerie de porter plainte contre SSD, après on acceptera vos excuses publiques et médiatisées. Autrement vous êtes en train de déclarer la guerre contre tous les blogueurs malgaches, et pour un FAI, je ne suis pas sur que ce soit la réaction la plus intelligente.

Mais vous pouvez toujours essayer! Et vous resterez dans l’histoire comme celui qui a effectué la révolution la plus conne de Madagascar! C’est vous qui voyez!

Andrianjorar

No Tags

Popularity: 1% [?]

DTS/moov contre blogger: ou quand un prestataire de services intente un procès à son client pour services non rendus

6 mai 2011 by saveoursmile  

Loin des valses hésitations politiques qui (ne) se passent (pas) à Madagascar, une « affaire » mérite d’attirer l’attention: celle du fournisseur d’accès internet DTS (opérant la marque Moov) contre un de ses clients (qui est aussi un blogger). Retour sur les évènements:

- en Mars-avril 2011, la connexion EASSY a connu d’énormes difficultés techniques (coupures) pénalisant énormément ceux qui l’utilisent. A noter qu’à Madagascar, cette connexion est  utilisée par Telma/Moov et par Blueline (qui soit-dit-en passant a régulièrement communiqué sur ces problèmes durant la période). Telma/Moov  a choisi la politique de l’autruche vis-à-vis de ses clients.

- pour remédier à ce problème, il est de notoriété publique que Telma/Moov a eu recours aux services de son concurrent Orange et, de ce fait, a fait transiter son traffic international via l’autre connexion par fibre optique reliant Madagascar au reste du Monde: le câble Lion

Le blogger SSD-Dago a rapporté quasiment au jour le jour sur son blog, à sa façon, comment il vivait ces dur moments- ce qui lui a valu ce procès. Par ailleurs, il a saisi  l’OMERT (Office Malgache d’études et de Régulations des Télécommunications) pour trancher sur l’affaire (bien avant que celui-ci soit porté au tribunal)

Je ne veux pas rajouter de l’eau au moulin, aussi, listerai-je ici les articles qui traitent de ce cas pour ceux qui veulent un aperçu.

Pour information, l’affaire est passée au tribunal ce matin et il en est ressorti un report au 27 mai 2011.

Donc, commençons par les articles de SSD-Dago:

« Moov de merde »,

« Moov continue à insulter ses clients »

« L’échéance de 48h promise par Moov est épuisée »

Quelques réactions et articles rapportant l’affaire

- via un éditorial de Madagascar-tribune.com

- via Cyber Observer: avec analyse juridique à l’appui

- via quelques réactions sur twitter

Affaire à suivre (rajoutez les liens vers d’autres articles relatant l’affaire dans les comments)

No Tags

Popularity: 1% [?]

encore du chemin à faire…

5 mai 2011 by Mitiyu  

Que se passe-t-il lorsqu’un client insatisfait, de surcroît un blogger, fait un coup de gueule? Il poste. Il expose les faits et donne son analyse.

Que se passe-t-il lorsque le fournisseur ne supporte pas la liberté d’expression? Il porte plainte…

J’essaie d’imaginer tout ce qui se raconte et ce qui s’échange de nos jours à propos d’une marque, d’une entreprise ou d’un produit sur le net. Il a des dizaine voire des centaines de forum où l’on peut laisser ses remarques, ses coups de gueule, ses insatisfactions. Il y a aussi des sites qui permettent de recueillir toutes ces choses en un seul lieu.

Le web 2,0 permet à des internautes avertis d’utiliser ces nouveaux supports interactifs pour donner ses avis, chercher des tests de produits, conseiller des futurs acheteurs suivants ses expériences passées et surtout d’alerter les autres consommateurs des différentes pièges qui peuvent l’attendre en consommant tel ou tel service et produits.

A Madagascar, on grogne souvent contre les FAI, les fournisseurs d’énergies, les transporteurs et j’en passe. On écrit haut ce que les autres pensent tout bas. Et oui, c’est la situation actuelle du pays. On essaie encore de museler un jeune marginal au cas où il risque de créer un effet papillon. Mais au lieu d’améliorer leur service et de mieux communiquer sur leur situation de crise, certaines sociétés préfèrent passer « à l’attaque » et tente d’isoler celui qui ose critiquer son service.

Il est effectivement vrai qu’il n’existe pas toujours des clauses inscrites en lettres minuscules dans les contrats de prestation de service comme quoi « en cas d’insatisfaction, le client peut résilier le contrat et demander des remboursements et/ou des dommages/intérêts ». Ici le fournisseur reste le Roi et le client accepte le peu qu’on peut lui offrir en contrepartie du règlement d’un montant qui, pour un pays pauvre dont le PIB ferait honte à tout économiste autochtone, reste relativement cher par rapport au pouvoir d’achat de chaque individu et à ce même service fournit dans les pays développés.

Il est plus d’actualités que jamais que les entreprises en situation de monopole doivent plus que jamais faire l’objet d’une réglementation,  où une loi permettra de prendre la défense du consommateur. Mais pour certains, cela reste utopique et qu’ils peuvent toujours faire fructifier leur affaire même si jamais tout le monde n’est pas content.

No Tags

Popularity: 1% [?]