Nifandohy foana rehefa zohina ny fivavahana sy ny fanjakana na ny fitatanam-panjakana raha ny marimarina kokoa. Raha ny teto Madagasikara no halalinina dia hita taratra teo amin’ny tantara hatrany na ny fifankatiavany na ny fifankahalany. Anisan’ny nanamarika ny tantaran’ny fanjakana malagasy ohatra ny filazana fa tsy fitiavan’ny mpanjakavavy RANAVALONA I ny fivavahana kristianina ka nanenjehany azy. Ny ao ambadik’izay tsy voalaza firy anefa dia ny fivavahana kristianina izay efa tsapan’ny mpanjaka fa ho varavarana iray hanozingozonana ny fitondrana misy sy ny filaminana.

Ohatra roa mazava hita sy tsapa ihany koa ny fiarahan’ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA tamin’ny FJKM sy ny tompokolahy Kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA ka nahatonga ny Kardinaly manaraka, dia tsy iza fa i Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA hanohana ny hetsik’i ingahy Andry RAJOELINA. Hany ka lasa nentin’ny sasany hampifandrafesana ny samy krisitanina.

Raha ny tamin’andron’i Marc RAVALOMANANA no asiana resaka dia anisany nampikorontana ny olona maro ihany koa ny hoe « theocratie » izay noheverina fa nentina hitondrana ny firenena. Raha ny hevitr’io teny io mantsy ho an’ny be sy ny maro izay tsy dia nahafantatra marina ny tao an-tsainy tamin’izany andro izany dia ny hoe fanjakana avy amin’Andriamanitra na hoe fahefana avy amin’ny Voninahitr’Andriamanitra. Ny fitondran’ireo Papa no matetika voafantina ao anatin’izany karazana fitantanana izany ary vitsy na atao hoe tsy misy firy ny fanjakana laika izay voafaritr’izany teny izany. Mifanohitra mihitsy aza ho an’ny maro ny mahalaika sy ny teokrasia.

Raha ny fiteny vahiny no asiana teny dia hoy i Marx hoe ny fivavahana no « rongonim-bahoaka » (« La religion est l’opium du peuple » ka rehefa natao izay hanahirana ny vahoaka amin’ny fitadiavana isan-karazany dia sesefana fivavahana izy ireo mba hanana fanantenana sy toky amin’ny ho avy mba tsy havesatra aminy ny fiainana. Izany hoe endrika iray enti-manamaivana ny olana sy ny adintsaina izay misy izany ny fivavahana ka rehefa misy izy io afaka miasa mora foana ny mpanao politika fa indrindra indrindra ny mpitondra.

Maro ireo mpanabe ara-panahy, pretra, pasitera, presbitera, sns no mampitongilana ny voka-pifidianana noho ireo toro-hevitra atolony rehefa mitori-teny izy ireo. Mbola tafiditra amin’ny fitaizana fanahy ve izy ireny sa efa ny hevitry ny mpitondra lehibe no arahin’ny aty ambany ka aparitany? Raha ny fomba fiteny latina mantsy dia hoe vox populi, vox Dei na raha adika tsotra dia ny feom-bahoaka no feon’Andriamanitra. Ary io feom-bahoaka io marihina fa tsy misy rehefa tsy misy ireo mpitarika sy mpambosaka hevitra.

Betsaka ny fifandraisana misy eo amin’ny firenena frantsay sy malagasy raha tsy hilaza fotsiny ny fiandohan’izany tamin’ny taona 1896 izay taona nanamarika izany fiandohan’ny rohy misy izany ka niafara tamin’ny fanjanahana tamin’ny taona 1960 ka nitohy tamin’ny fifanampiana taorian’ny fahaleovan-tena. Ho an-dry zareo frantsay izao dia tena ady teo amin’ireo solombavam-bahoaka tamin’ny taona 1905 izany fisarahan’ny fanjakana sy ny fivavahana izany. Marihina moa fa ny ankamaroan’ireo vahoaka frantsay dia katolika avokoa tamin’izany andro izany. Fifandresen-dahatra, adihevitra mafana ary tsy nifarana raha tsy voafidy ny lalàna izay mamritra izany fisarahana izany.

Ny an’i Madagasikara, izay ny ankamaroan’ny lalàna misy dia nentina sy nadika avy amin’ny an’ny frantsay dia voafaritra mazava ny maha-laika ny fanjakana hany ka somary nanakorontana ny sasantsasany izay tsy kristianina sy tsy protestanta ny fifanantonana akaiky teo amin’ireo mpitondra firenena sy ny mpitondra fivavahana.

Raha ny salan’isa no jerena anefa dia latsaky ny antsasany amin’ireo vahoaka malagasy no kristianina ary ny ampahany betsaka dia mbola mandala ny favavahana nentin-drazana. Ary ny ampahany ambiny vitsivitsy kosa dia bahanan’ny fivavahana silamo.

Ny zava-misy anefa dia maro ny mpivavaka fa vitsy ny mpino sy tia fivavahana amin’ny fony. Raha tsy hilaza afa-tsy ireny hain-trano teny Foulpointe na ny any Manajara izao, na ihany koa ny ratra sy von’olona misy eto amin’ny firenena dia manahy ny tena ary vaka ny saina satria endrik’ilay ratsy nohita soritra etsy sy eroa. Amin’izany dia lasa ny eritreritra manao hoe amin’ny maha-olombelona ireo antsasa-manilan’ny vahoaka malagasy izay kristianina ireo ve dia tsy maharesy ny ratsy izay misy amin’izao fotoana izao? Sa efa tonga ilay fotoana voafaritra hanombohan’ny ady farany sy ny korontana lehibe ka mbola ny ainy sisa no avotri’reo mpino?

Lasa tia vola ny olombelona, anisan’izany ny malagasy. Mitombo ny kolikoly, mitombo ny fahavetavetana. Mamono ny rahalahiny ny malagasy ary tsy menatra sy tsy miampanga-tena akory avy eo. Mitombo ny sekta mihamaro ny olona mitodika amin’Andriamanitra saingy toa fitarainana sy fangatahana hatrany izy ireny fa vitsy ny fifonana sy ny fisaorana. Malagasy, aiza no alehanao?