Ny toeran’ny fivavahana sy ny fanjakana

20 mai 2010 by Mitiyu  

Nifandohy foana rehefa zohina ny fivavahana sy ny fanjakana na ny fitatanam-panjakana raha ny marimarina kokoa. Raha ny teto Madagasikara no halalinina dia hita taratra teo amin’ny tantara hatrany na ny fifankatiavany na ny fifankahalany. Anisan’ny nanamarika ny tantaran’ny fanjakana malagasy ohatra ny filazana fa tsy fitiavan’ny mpanjakavavy RANAVALONA I ny fivavahana kristianina ka nanenjehany azy. Ny ao ambadik’izay tsy voalaza firy anefa dia ny fivavahana kristianina izay efa tsapan’ny mpanjaka fa ho varavarana iray hanozingozonana ny fitondrana misy sy ny filaminana.

Ohatra roa mazava hita sy tsapa ihany koa ny fiarahan’ny filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA tamin’ny FJKM sy ny tompokolahy Kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA ka nahatonga ny Kardinaly manaraka, dia tsy iza fa i Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA hanohana ny hetsik’i ingahy Andry RAJOELINA. Hany ka lasa nentin’ny sasany hampifandrafesana ny samy krisitanina.

Raha ny tamin’andron’i Marc RAVALOMANANA no asiana resaka dia anisany nampikorontana ny olona maro ihany koa ny hoe « theocratie » izay noheverina fa nentina hitondrana ny firenena. Raha ny hevitr’io teny io mantsy ho an’ny be sy ny maro izay tsy dia nahafantatra marina ny tao an-tsainy tamin’izany andro izany dia ny hoe fanjakana avy amin’Andriamanitra na hoe fahefana avy amin’ny Voninahitr’Andriamanitra. Ny fitondran’ireo Papa no matetika voafantina ao anatin’izany karazana fitantanana izany ary vitsy na atao hoe tsy misy firy ny fanjakana laika izay voafaritr’izany teny izany. Mifanohitra mihitsy aza ho an’ny maro ny mahalaika sy ny teokrasia.

Raha ny fiteny vahiny no asiana teny dia hoy i Marx hoe ny fivavahana no « rongonim-bahoaka » (« La religion est l’opium du peuple » ka rehefa natao izay hanahirana ny vahoaka amin’ny fitadiavana isan-karazany dia sesefana fivavahana izy ireo mba hanana fanantenana sy toky amin’ny ho avy mba tsy havesatra aminy ny fiainana. Izany hoe endrika iray enti-manamaivana ny olana sy ny adintsaina izay misy izany ny fivavahana ka rehefa misy izy io afaka miasa mora foana ny mpanao politika fa indrindra indrindra ny mpitondra.

Maro ireo mpanabe ara-panahy, pretra, pasitera, presbitera, sns no mampitongilana ny voka-pifidianana noho ireo toro-hevitra atolony rehefa mitori-teny izy ireo. Mbola tafiditra amin’ny fitaizana fanahy ve izy ireny sa efa ny hevitry ny mpitondra lehibe no arahin’ny aty ambany ka aparitany? Raha ny fomba fiteny latina mantsy dia hoe vox populi, vox Dei na raha adika tsotra dia ny feom-bahoaka no feon’Andriamanitra. Ary io feom-bahoaka io marihina fa tsy misy rehefa tsy misy ireo mpitarika sy mpambosaka hevitra.

Betsaka ny fifandraisana misy eo amin’ny firenena frantsay sy malagasy raha tsy hilaza fotsiny ny fiandohan’izany tamin’ny taona 1896 izay taona nanamarika izany fiandohan’ny rohy misy izany ka niafara tamin’ny fanjanahana tamin’ny taona 1960 ka nitohy tamin’ny fifanampiana taorian’ny fahaleovan-tena. Ho an-dry zareo frantsay izao dia tena ady teo amin’ireo solombavam-bahoaka tamin’ny taona 1905 izany fisarahan’ny fanjakana sy ny fivavahana izany. Marihina moa fa ny ankamaroan’ireo vahoaka frantsay dia katolika avokoa tamin’izany andro izany. Fifandresen-dahatra, adihevitra mafana ary tsy nifarana raha tsy voafidy ny lalàna izay mamritra izany fisarahana izany.

Ny an’i Madagasikara, izay ny ankamaroan’ny lalàna misy dia nentina sy nadika avy amin’ny an’ny frantsay dia voafaritra mazava ny maha-laika ny fanjakana hany ka somary nanakorontana ny sasantsasany izay tsy kristianina sy tsy protestanta ny fifanantonana akaiky teo amin’ireo mpitondra firenena sy ny mpitondra fivavahana.

Raha ny salan’isa no jerena anefa dia latsaky ny antsasany amin’ireo vahoaka malagasy no kristianina ary ny ampahany betsaka dia mbola mandala ny favavahana nentin-drazana. Ary ny ampahany ambiny vitsivitsy kosa dia bahanan’ny fivavahana silamo.

Ny zava-misy anefa dia maro ny mpivavaka fa vitsy ny mpino sy tia fivavahana amin’ny fony. Raha tsy hilaza afa-tsy ireny hain-trano teny Foulpointe na ny any Manajara izao, na ihany koa ny ratra sy von’olona misy eto amin’ny firenena dia manahy ny tena ary vaka ny saina satria endrik’ilay ratsy nohita soritra etsy sy eroa. Amin’izany dia lasa ny eritreritra manao hoe amin’ny maha-olombelona ireo antsasa-manilan’ny vahoaka malagasy izay kristianina ireo ve dia tsy maharesy ny ratsy izay misy amin’izao fotoana izao? Sa efa tonga ilay fotoana voafaritra hanombohan’ny ady farany sy ny korontana lehibe ka mbola ny ainy sisa no avotri’reo mpino?

Lasa tia vola ny olombelona, anisan’izany ny malagasy. Mitombo ny kolikoly, mitombo ny fahavetavetana. Mamono ny rahalahiny ny malagasy ary tsy menatra sy tsy miampanga-tena akory avy eo. Mitombo ny sekta mihamaro ny olona mitodika amin’Andriamanitra saingy toa fitarainana sy fangatahana hatrany izy ireny fa vitsy ny fifonana sy ny fisaorana. Malagasy, aiza no alehanao?

No Tags

Popularity: 1% [?]

13 mai 1972 – 13 mai 2007 – 13 mai 2010

12 mai 2010 by Mitiyu  

Ito misy arsivam-pitataram-baovao iray ifampizarako aminareo. Anisan’ireo tapa-porohana sisa tsy may tamin’ireo sombim-baovao nangonina sy notahirizin’ireo haino aman-jery izay tsy misy intsony na tsy manana izany tahiry izany intsony ankehitriny noho ny antony samihafa. Lahatsoratra notontosain’ny mpanao gazety iray tamin’ny 13 mai 2007 ho fanamarihana ny fahatsiarovana ny faha-35 taona nisian’ny hetsiky ny taona 72.

« 13 mey 1972 – 13 mey 2007. Feno 35 taona katroka androany ny tolom-bahoaka izay nampirodana ny Repoblika voalohany.

Tany am-boalohany dia noheverin’ny mpitondra fa tsy dia inona loatra ny zava-nisy. Nisy ny fihetsiketsehan’ny mpianatra niantomboka tamin’ny faha-22 n’ny volana janoary 1972 izay niatombohany dia tsy inona fa ny fandavan’ny governemanta miandraikitra ny ara-tsaina tsy hampivoatra ny fianarana tao amin’ny fianarana ho dokotera tao Befelatanana.

Niainga tamin’io hetsika io ny 13 mai 1972. Nanampy izay sy nampitatra ny raharaha ny zava-nisy teo amin’ny firenena tamin’io taona io. Ankoatr’ ilay raharahan’ny MONIMA tany Atsimo izay nitranga tamin’ny 1971 dia teo ny lafiny sosialy. Nandritry ny dimy taona, lasa dia nitombo avo sasaka ny tanora tsy nanana asa. Na dia ireo nanana diplaoma aza tamin’izany dia voakasik’izay. Ny ampahatelon’ireo nanana diplaoma dia tsy nahita asa nifanentana tamin’ny fahaizana nananany.

Raha teo amin’ny sehatry ny fampianarana izay ihany dia hita fa nandringa ny sekolim-panjakana izay sekoly nolazaina fa natao ho an’ny olon-drehetra nefa raha jerena dia natao ho an’ny zanaky ny mpanan-karena. Ary nihelohelo tao anatin’izany ny fanjanahana ara-tsaina izay mbola ahazoan’ny fianarana frantsay bahana. Teo ny fanjakajakana ataon’ny mpampianatra frantsay sasany izay nibahana ny fanagasiana ny fampianarana sy ny fanamboarana ny fotoana fialan-tsasatry ny mpianatra.

Tsy teo amin’ny sehatry ny fampianarana ihany no nanahiran-tsainan’ny vahoaka, indrindra ny mpianatra tamin’io taona io, fa teo ihany koa ny lafiny toe-karena dia nahatsapana ny fisian’ny endri-panjanahana vaovao entin’ny frantsay, hany ka nahalao ny valalabemandry. Hany ka tsy ny mpianatra ihany no nirotsaka an-dalambe fa na ny ray aman-dreny ihany koa. Rehefa samy niziriziry nitana ny heviny ary ny roa tonta am-bolana vitsivitsy, an-daniny ny mpianatra nanao fitokonana – izay ny teto Antananarivo no nanomboka azy ary dia nitatra tany amin’ny faritany izany – ny volana aprily, ankilany ny tompon’andraiki-panjakana, dia niha-henjana ny raharaha.

Ny alohan’io sabotsy 13 mey 1972, izany hoe ny zoma 12 mey, dia heno tao amin’ny fandefasam-peom-pirenena fa nosamborina ireo mpitarika ny fitokonan’ny mpianatra ary nakatona ny sekoly rehetran’ny ambaratonga ambony sy ambaratonga faharoa. Ny sabotsy marainan’ny 13 mey dia saika ho eny Ambohitsaina araka ny fanao araka ny fitokonana ny mpianatra teto Antananarivo nefa nosakanan’ny FRS izay nanao satro-by sy nirongo fiadina izy ireo.

Saingy nentanin’ny fitakina ny rariny sy ny eritreriny tsy nandry noho ireo namany nolazaina fa natao sesi-tany tany Nosy Lava ireto mpianatra ireto ka nirohotra nankeny amin’ny araben’ny fahaleovan-tena indray. Analiny maro ireo mpianatra tafavory teo hitaky ny famotsorana ireo namany izay voatana ary na dia tsy teo aza ireo mpitarika nahazatra azy dia filaminana tokoa no niseho ary vahoaka marobe no tonga nanotrona azy ireo. Ny sasany aza tonga hitady ireo zanany tsy nody ny alin’iny. Ny sasany kosa tonga hanome hery ny zanany teo.

Tamin’ny 10 ora maraina dia nitoraka grenady mandatsa-dranomaso ny FRS ka nahatonga ny fikorontanana sy ny ady saritaka ary nipoaka ny balan’ny fiadiana mamono. Tamin’io dia voalaza fa nisy 19 no maty tamin’ny mpianatra ary 7 tamin’ireo mpitandro ny filaminana. Tsy lazaina intsony ireo naratra izay notanterina tany amin’ny hopitaly nangatahan-drà tamin’ny fanamafisam-peo.

Tamin’ny iray ora sy sasany tolakandro dia niala tany Ranomafana, provansin’i Fianarantsoa ny filoha Tsiranana ka tonga tamin’ny helikopterany ary nisidina ny vahoaka izay nihotakotaka.

Tamin’ny 4 ora dia nanao filaharam-be ireo ray aman-drenin’ny mpianatra nankeny Tsimbazaza nangataka fiarovana ho an’ireo zanany tao amin’ny Ministeran’ny atitany kanefa voasakana ary voatery niverina nihazo an’Anosy ary tonga tao amin’ny araben’ny fahaleovan-tena indray.

Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva dia nanao fanambarana hentitra ny filoha Tsiranana, izay kabary vao maika nampiakatra ny tambavin’ny vahoaka ary dia fanaovana antso samy hitandro ny filaminana no namaranany ny kabariny.

Tamin’ny 9 alina dia re fa nodoran’ny sasany ny birao sy ny trano fanaovana printin’ny gazety Le Courrier de Madagascar ka kila tanteraka.

Ny ampitson’iny, izany hoe ny alahady 14 mey dia mbola vory marobe teo anoloan’ny lapan’ny tanàna ny vahoaka ary dia teo no nanapahan’ny mpianatra hevitra fa ho dorana ny lapan’ny tanàna na dia nandà izany aza ireo ray aman-dreny sasantsasany izay tonga teo. Teo amin’ny rihana faharoa no nanombohan’ny afo ary dia kila tanteraka izany lapan’ny tanàna izany.

Tamin’io andro io ihany koa no nandrenesana fa nametra-pialana ny maha-Minisitry ny Fampianarana azy Andriamatoa Laurent Botokeky ka nosoloina an’Andriamatoa Norbert Ranohavimanana izay Filohan’ny faritany tany toamasina.

Tamin’ny 10 alina dia nanao fanambarana io tompon’andraikatra vaovao io ary nampanantena ny mpianatra fa atomboka ao anantin’ny filaminana sy fahatonian-tsaina tanteraka ny resaka.

Marihana fa ny 18 mey 1972 no voatery nametra-pialana ny filoha Philibert Tsiranana ary nanome ny fahefana feno an’i Jeneraly Gabriel Ramanantsoa hitondra ny firenena.

Izay raha amin’ny ankapobeny ny raharahan’ny tolom-bahoaka tamin’ny 13 mey 1972. Kihon-dalana tsy azo adinoina eo amin’ny tantaran’i Madagasikara satria làlana nahafana’ny Malagasy nanilika tamin’ny ampahany betsaka ihany tokoa na dia efa azo aza ny fahaleovan-tena ny miendri-pangejana sy ny fanjanahana vaovao na ilay antsoina hoe « Néocolonialisme » izay napetraky ny frantsay. Dingana voalohany ihany koa io anefa ho an’ny vahoaka malagasy hanamarihany ny fialany amin’ny fahazanany eo amin’ny sehatra maro sy indrindra ara-politika amin’ny hitantanany ny fireneny amin’ny ho avy. »

Izay ilay fahatsiarovana ny faha-35 taonan’io tolom-bahoaka io.

38 taona aty aoriana, niverina nisokatra ny gazety Le Courrier de Madagascar ary efa ho tafajoro indray izany lapan’ny tanàna voadoro tamin’izany andro izany. Nandroso ve ny Malagasy? Mino marina ve isika fa tena mahaleo-tena ary mahatapaka sy mahatoa ireo sori-dalana tiana enti-mampandroso ny firenena sa dia miankin-doha tanteraka amin’ny fitantanana an-kolaka ataon’ireo firenena matanjaka samihafa?

Raha ny tsapa sy ny hita dia mbola lavitra ny dia ka mila fihezahana mafy sy maro ny malagasy. Ataon’ny lazom-piainana varina sy vendrena noho ny fitadiavana ka tsy mahita izay tena mitranga marina eto amin’ny firenena, ary tsy mahatsapa akory fa misy ireo vitsivitsy mandrovi-tsihy no manararaotra ny tsy fahatsapan’ny sasany ka mampamoritra sy mampilofika ny valalabemandry ka mangalatra sy manangon-karena amin’ny fomba tsy ara-drariny, lavitra ny tombotsoan’ny be sy ny maro.

Vao vita tamin’ny alahady teo ny FIM na ny Tsenabe iraisamp-pirenenan’i Madagasikara. Ho an’ireo izay afaka nijery teny an-toerana dia mety ho lasa ny saina misafosafo loha ka hiteny fa tsy misy ny olana. Fa dia fiarabe vaovao sy matanjaka no mameno iny arabe andaniny sy ankilany ary afovoany izay mampitohy ny lalam-be sy ny tokotanin’ny « Centre de Conférence International » etsy Ivato. Ary rehefa tafiditra ao anatin’izany tsenabe izany dia mahatsapa fa mbola vitsy sy marefo ireo orinasa malagasy na tantanin’ny malagasy raha oharina ami’ny ireo orinasa vahiny na tantananan’ny vahiny.

Efa ho azy izao ny faha-50 taonan’ny nahazoana ny fahaleovan-tena. Izay fahaleovan-tena azo an-taratasy saingy tsy mbola nisy fotoana tena nahatsapana fa mampiabo ny fahavitan-tenan’ny malagasy (« autonomie » na ihany koa « autosuffisance »)

, , , ,

Popularity: 1% [?]