Non classé

Mbola afaka hirehareha aho fa Malagasy

Andrianiko, hono, ny teniko, ny ansquowhawydny hafa koa feheziko. Dimampolo taona izao no voalaza fa niverina ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Tao anatinsquowhawydny taona vitsivitsy lasa dia hita sy tsapa fa misy ireo mpiray tanindrazana no mieritreritra fa ambony sy tafita rehefa miresaka aminsquowhawydny teny vahiny.

Maro ny mibadabada aminsquowhawydny teny frantsay, etsy andaniny ireo tsy mivolana raha tsy aminsquowhawydny teny anglisy ary ampahany vitsivitsy no miresaka aminsquowhawydny teny alemà sy sinoa. Ny zanaka nentinsquowhawydireo mpianatra taminsquowhawydny fiandohansquowhawydny repoblika faharoa etsy andaniny dia mahay teny rosianina.

Nosy i Madagasikara ary isaorana ansquowhawydAndriamanitra isika mbola tsy niady sisin-tany firy taminsquowhawydny firenena hafa na dia misy ihany aza ireo nosy kely vitsivitsy tokony ho ansquowhawydI Madagasikara nefa bodoinsquowhawydny firenena hafa.

Ary dia mbola afaka mirehareha ny maha-malagasy ahy aho noho izay teniko izay. Teny miavaka sy tokana, ahafana mifanerasera tsara, ary ravahansquowhawydireo fitenim-paritra maro loko.

Mbola tsy nahita aho taminsquowhawydny fety maro izay natrehiko ka ireo olona miezaka ny manao fitafy Malagasy dia misalaka sy misikina fotsiny ihany. Indrisy fa na dia filatro nentin-drazana aza no tiana atao dia irony pataloha sy palitao tandrefana irony no isalorana lamba (landy) dia izay.

Misy ihany moa ireo olona vitsivitsy no misatro-bory na miambozona firavaka nentin-drazana. Saingy takona izy ireny ka haingo ivelany sisa no hita. Tsy mba tena nisy ireo niezaka namoaka fitafy miavaka sy tena Malagasy azo oharina amin’ny ny an’ireo indianina vavy miankanjo saari na ireo afrikana maro manao boubou, na ireo japoney manao kimono, na ireo sinoa manao ifu. Naleontsika nitady nivery ka manafangarongaro endrika, dia ny vary sy ny tsiparifary. Ka ny soga sy ny landibe aravaka tandroksquowhawydomby no hankalazaina fa tena fitafy nentin-drazana.

Saingy mbola afaka mirehareha ny maha-malagasy ahy aho noho ireo tanora vitsivitsy ireo, mikaroka sy mitady ny very ka mampifangaro ny soga sy ny landy ary ny landibe mba ho filatro mihaja sy miavaka ka ho tonga fitafy nentin-drazana ho ansquowhawydireo zanaka amam-para any aoriana.

Tonga ireo vahiny sasany dia namokatra ireny akanjo lazainy fa avy amin’ny tena Malagasy. Ao ireo misarinsquowhawydomby, ombalahy sy tarondro. Ao ihany koa ireo misarisarin-tsokatra sy lefona ary koa taksi-borosy. Ny an’ny sasany moa dia nampiany lakam-bezo sy Atandroy lahy mandihy. Misy ampahany aza misy sarin-toaka malaza. Dia izay no nahafantarana fa nandalo teto gasikara ilay vahiny iray ka lasa voan-dàlana ilay endrika tsy tena avy eto an-toerana fa kolotsaina sadasada nafangaro ny zava-misy.

Saingy na mampahatsiahy ahy ranomaso sy alahelo aza ireto aloalo aravaka ny akanjo, dia mbola afaka aho ny hirehareha fa manana ireo amin’ny kisarisary maro ireo ka tsy aminsquowhawydny akanjo fotsiny ihany no ahitana azy ireny fa manerana ny fireneko.

Nisy fotoana ireo ankizy sy tanora, tsy tia mozika afa-tsy rôka na rap ary tsy nandihy raha tsy dihy vahiny. Kanefa adinony fa mbola misy ireo mpandala ny jijy, ny beko na koa ny sôva, ary mbola maro ireo mpanao asa apinga, ny mpilatsy tàanana ary ny mpandihy soroka no miezaka manavao ireto kolontsain-drazana mba haharaka ny toetrsquowhawydandro. Ka na ny kabôsy na ny sodina na ny valiha dia tsy tena malagasy fotsiny no niandohany. Indrisy anefa fa mampalahelo fa misy ireo tanora no mihevitra fa ny dihy mampihetsika fitombenana no tena dihy malagasy ka adinony tanteraka fa lovansquowhawydny moron-tsiraka taminsquowhawydny firenena afrikana ireny.

Fa na dia izany aza ny zava-misy dia mbola afaka ny hirehareha aho fa Malagasy noho ireo harena ara-kolotsaina marobe misy eto amin’ny firenena sy ananansquowhawydI Gasikara ka tsy maha-mena-mitahy ireo mpandala ny kanto malagasy hiatrika ny sehatra iraisam-pirenena fa afaka mitondra tsara izany hifaninana aminsquowhawydny ny ansquowhawydireo firenena hafa.

Repoblika telo no nifanesy. Isaky ny mitady hitraka ilay fireneko dia misy foana ireo miezaka ny mandetika azy. Tsy azo lazaina izy ireny fa hoe tena tia tanindrazana fa toa saribakoly tia seza sy mitady voninahitra fotsiny ihany. Ka ny harena kely ananany sy ny fahefana azony ao no entina manosihosy ireo mpiray tanindrazana sy entina misolelaka aminsquowhawydny firenen-dehibe hafa.

Saingy mbola faly aho hatraminsquowhawydizao mahatsiahy fa ao anaty ràko ao, misy ny rànsquowhawydireo mpanjaka razambe, namolavola sy niady mafy ny mba hanandratana ny fireneny sy ny vahoakany. Ka nametraka fefiloha mba tsy hahatondraka ny tanàna, nitondra amim-pahendrena ho tombon-tsoansquowhawydny tsirairay. Ka ireo ratsiratsy saina sy nanana fiheveran-dratsy dia novonoina sy nokendaina taminsquowhawydny lamba mba ho ohatra ho ansquowhawydny ho avy.

J'aime ma patrie et je souhaite le bien des malagasy

5 commentaires

  • saveoursmile

    Midadasika ity gasikara ity, ary tsy dia miparitaka loatra ny fampahafantarana ny momba azy (ireo tantara, soa toavina, ny riba sy ny fomba amam-panao hatrizay) ka tsy ho sahiko ny ihambo ho mahalala marina ny tena maha-malagasy, eny fa na dia miezaka ny tsy hanao vary amin’anana araka izay azo atao ihany aza rehefa misafidy ny hampiasa ny tenin-drazana.

    Nahafinaritra ny namaky ity lahatsoratra ity, fa toa vaka ihany ny tena rehefa tonga teto amin’ny andininy farany … ankoatra ilay « sazy » mahazo ireo ratsiratsy saina, toa sarotra ihany ny mamaritra amin’izao fiaraha-monina misy antsika izao hoe iza, na inona tokoa moa no rafitra afaka handidy ny « fanasaziana » raha toa ka heverina fa ny fokonolona no nanao izany taloha (?) tamin’ny alàlan’ireo dina.

  • mitiyu

    Maromaro ihany ireo mpitondra nandentika ny fanjakana na hafahafa toetra no novonoina na nosazin’ny vahoaka.

    Anisan’izany ohatra ilay dadatoan’Imboasalama izay tsy nanaiky ny faminanian’Andriambelomasina fa raha ny anio no an’Andrianjaka ny ampitso kosa no an’Andrianampoinimerina ka raha tsy diso ny fahalalako dia toa nokendain’ny Zanamarefo tetsy ilafy io mpitondra hafahafa saina io tamin’izay satria tsy nitady afa-tsy ny tombotsoan’ny tenany ihany.

    Anisan’izany koa ohatra Radama II izay voalaza fa tsy maty akory rehefa nokendaina na dia hita fa tsy nahasoa ny firenena aza ny anton’izany.

    Karazana fanakendana ihany koa angamba « Ny empêchement » natao ho an’i Zafy Albert tamin’ny fotoan’androny sy ny hafa ambiny.

    Indrisy fotsiny ho an’Itompokolahy Ratsimandrava fa tsy tokony ho toy ireny ny nanjo azy sady mbola tsy fantatra marina ny tao ambadik’izany.

  • mitiyu

    oay, tena nifamadika ny anarana. Teny diso tsy mba kabary, hono.
    « Andrianjafy » fa tsy « Andrianjaka » fa ialana tsiny

  • ralalamalala

    Tena vendraP daholo ilay politisianina gasy fa tsy misy antenaina na ireharehavana mihitsy aloha ny endrika ananan’i Madagasikara any ivelany. Fandaniana ny vola tokony ho an’ny vahoaka fotsiny ireny fatina Pretoria sy ny sisa ireny fa tsy ampy fahamatorana daholo mihitsy.

    Rehefa tsy hay ny mitondra dia miala mijanona fa resaka vola sy resaka fanararaotam-pahefana fotsiny no antony ampijaliana ny vahoaka hoatrizao.manalabaraka sy mahamenatra ireto izy.

  • Ra-29 martsa

    Tena mankasitraka indrindra akia!

    Mampitsiry fanantenana be ny mahafantatra fa mbola misy ny olona toa anao : mirehareha satria Malagasy.

    Ny hafatro dia ny hoe : ndao tazomina hatrany izy io, na dia eo aza ireo mikasa hamono izany afom-pitiavana izany.

    Raha maro ny olona misaina toa anao, dia

    HO TAFITA IHANY ITY MADAGASIKARA MALALANTSIKA ITY.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.