Aza ampiadiana ny samy kristianina

8 février 2010 by Mitiyu  

Teny fohy teny vitsy no entina manazava ny lohateny. Hita sy tsapa mantsy izao fa misy ireo olona mitady hampiady ny samy krisitainina, na ireo hoe mpitondra na ireo hoe mapnohitra dia mitady hametraka izany fahasamihafana izany ankehitriny.

Nisy ny hetsika nataon’ireo mpitandrina vitsivitsy tetsy antsahamanitra tamin’ny asabotsy ka nilazany fa ho mpanohitra ireo FJKM. Azo lazaina fa manana ny zony hanambara izany izy ireto saingy ny manahirana dia ireto mpitondra misoleladelaka amin’ny EKAR.

Marihina fa tsy ny kâtolika rehetra akory no manohana sy mankasitraka ny fitondrana misy ary marihina ihany koa fa maro ireo minisitra mpivavaka amin’ny FJKM no amin’ity fintondrana misy ity ka tsy dia tsara loatra angamba raha amin’ny anaran’ny fivavahana no itondrana izany firehana politika izany na dia ekena aza fa ny fivavahana dia anisan’ny fomba natao hitantanana hatramin’izay ka hatramin’izao na teto Madagasikara na tany ivelany.

Mbola tsy eto amintsika no tokony hisy izany ady masina sy fanafihana « masina » izany raha tsy hoe ady amin’ny devoly angaha no atao ka tafiditra amin’izany ny mpanao pôlitika maromaro dia amin’izay dia mitombina tsara izany rehetra izany.

No Tags

Popularity: 1% [?]

Fo falifaly, manambony moraly

4 février 2010 by Mitiyu  

Malaladalaka ny lalana, lefilefy ny fitohanana noho ny fety faran’ny taona, tsy ampy tsikitsiky ireo olona mifanena ny tena eny an-dalana. Dia lasa marina ny saina hoe nahoana marina moa no tsy asiana tsiky ity fiainana e?

Aleo tsy valiana io fa ny tsara dia mifampizara tsiky isika rehetra.

- Mitsikia fa tsara ny andro

- Mitsikia fa mbola samy velon’aina

- Mitsikia fa misy foana ny fanantenana na dia kely sy bitika monja aza

- Mitsikia fa tahin’Andriamanitra

- MITSIKIA… dia mizarà TSIKY

 

Nisy fotoana in-droa na in-telo tamin’iny taona 2009 lasa iny dia maro ireo olona no nanana fahakiviana na leo na sosososotra amin’ny tsy misy dikany fotsiny izao. Nisy maromaro ireo tsy faly tamin’ny asany sy ny tambin-karamany ka na dia krizy aza dia naniry ny hiala tamin’ny asany tsotra izao. Ny andro navesatra no mety antony nahatonga izany satria dia ireo maro ireo ihany koa no nanadino izany fisaintsainana izany fotoana fohy taty aoriana.

Aleo tsy misento fa mbola tsy tafavoaka ny ala? Ka raha tsy misento eo ianao ka tsy miaina sao sanatria lahy sempotra ka ho torana, izay vao tena loza! Itondrao tsiky ny fiainanao sy ny manodidina anao fa dia aretina soa mora mifindra izany.

Nisy fianarana kolotsaina tatsinana izay no nampianatra fomba iray mitondra soa sy fahasalamana mora ho an’izay manao azy ity. Mijoro mahitsy tsara ianao, tsy mihenjana ny hozatra rehetra, ampiakarina kely eo amin’ny lanilany ny loha-lela, dia somary akipy tapany ny maso ary mijery any amin’izay farany tsinjo dia miaina mora sady lalina no mitsiky ao anaty;

Mitsiky ao anaty! io no tena lesona tsara ianarana mba ahafahana mitsiky eto ivvelany avy eo.

Eritrereto izay fotoana mamy niainanao… dia mitsikia!

Tsarovy sy saino fa mbola nosoavina ianao matoa mbola afaka mamaky ity lahatsoratra ity… ka mitsikia!

Ary farany isa-maraina ianao eo anoloan’ny fitaratra afaka miteny maromaro hoe « Isan’andro, amin’ny lafiny rehetra aho dia mihatsara hatrany » dia mitsikia fa ho sambatra ianao.

, ,

Popularity: 2% [?]

Une leçon Made in Shunde

3 février 2010 by Mitiyu  

 (Li Ka Shing, l’homme le plus influent dans le monde des affaires à Hong Kong)

« Analyse comparative de l’esprit entrepreneurial des chinois de Foshan et des malgaches d’Antananarivo », tel pourra être le sujet d’une recherche qui contribuera énormément au développement de l’entrepreneuriat dans la Grande île. Souvent on ne lit ni les thèses ni les livres; Cela sert souvent d’objet décoratif ou d’un livre en plus dans sa bibliothèque (si on en a,  bien sur!)

Je me souviens des touristes asiatiques, spécialement nippons et chinois, qui prennaient tout et n’importe quoi en photo. L’objectif d’un tel geste, quoique, pas vraiment dérisoire? Benchmarker… Ou plutôt copier pour soi le meilleur de ce qu’a fait l’autre. Et les asiatiques poussent plus loin le bouchon : copier – améliorer – baisser le coût – fiabiliser là où il faut.

Chiik! Chiiik! chiik! l’appareil photo argentique d’antan faisait autant de bruit que l’inspiration qui animait le geste. Les Occidentaux ne le voyaient pas venir. L’Afrique ignore encore la puissance de ces dragons de l’Est et plus particulièrement ceux du Sud-Est. Macau, Taiwan, Hong Kong et la Chine, d’une part (parce que c’est quand même différent) et Japon, Singapore, Thailand, Malaysie, Viet-Nam et Phillipine d’autre part.

Pour l’instant, restons en Chine et voyons ce qui semble être intéressant pour les malgaches.

Les occidentaux, et particulièrement les Nord américains avaient eux-aussi une base solide qui aidait leur population et les autres fans à vouloir faire mieux et faire plus. On parlait des American Dream ou encore des golden Boy ou au mieux les Self-Made Man. Cela a beaucoup appris les asiatiques avec leur appareil photo accroché à leur nuque et pendant au bout de leur cou.

Je fais un va et vient redactionnel et je reviens à Shunde où se trouve un esprit entrepreneurial hors du commun. En effet, le hobby de la population locale est de créer, de lancer et de diriger une ou plusieurs entreprise. Les longues études, on ne les fait pas, trop peu pour les entrepreneurs, on les laisse pour ceux qui n’osent pas prendre du risque ou ceux qui veulent partir aux Etat-Unis ou en Angleterre pour tenter de chercher la dernière technologie à copier ou tout simplement fuir et rêver une nouvelle liberté hors de quelques filtres et censures.

Ces chinois aiment entreprendre, l’argent c’est sacré et c’est dommage car tout n’est pas toujours question d’argent, du moins pour ceux qui possèdent un minimum de scrupules. Mais restons dans la partie positive de la chose. L’entrepreneuriat que tout le monde tente d’inculquer au lambda malgache est tellement si accessible et naturel à Foshan, une ville voisine de Guangzhou, préfecture de Guandong. Lors qu’on sait que le PIB par habitant dépasse les 40,000Yuans ou l’équivalent de plus de 12millions d’Ariary, on est tenté d’adopter leur stratégie de Benchmarking. C’est peu par rapport à d’autre pays mais significatif vu l’évolution économique du pays.

 Shanghai

Cette année, la ville de Shanghaï accueillera, en tant que première ville d’un pays en développement, l’Exposition Universelle. C’est un signe qui ne trompe pas… (Même si Foshan est quand même assez éloignée de Shanghai comme Manhattan est loin d’Alberta)

Le malgache n’a pas de culture entrepreneuriale. Le « Business » généralement connu dans le pays n’appartient pas du tout à cette culture. Ce qui est aussi dommage car on nous a appris à attendre, à recevoir et à faire la grève si tout ne correspond pas à nos attentes. C’est ce qu’il y a à changer maintenant. On s’arrache les cheveux à vouloir tant développer l’entrepreneuriat en milieu rural mais en milieu urbain ce n’est pas toujours très développé et avec l’exode rural, la population urbaine ne trouve pas de travail. Un emploi décent…

, , ,

Popularity: 2% [?]

Mandrimandry manana aretina

3 février 2010 by Mitiyu  

Taloha kelin’ny faran’ny taona 2009 dia niezaka mafy ireo mpilaza vaovao frantsay manamafy amin’ny mpijery sy mpihaino azy fa tapitra ny krizy ekonomika izay iainan-dry zareo any aminy. « Autosuggestion ou réalité »? azo adika malalaka hoe fampiakaran-tsaina sa zava-misy marina?

Matetika mantsy ny tena antony mahatonga ny krizy koa dia ny tsaho sy ny filazambaovao na marina io na diso. Teny iray dia mampiova zavatra maro. ka izany no tena mahatonga ny filazam-baovao ho toy ny fahefana faha-efatra.

Raha ny malagasy no resahina dia toa mandrimandry manana aretina ihany na ny vahoaka na ny mpitondra. Misy ny fambara aretina na « symptôme » misy etsy sy eroa; Anisan’izany ny fitokonana etsy sy eroa. Anisan’izany ihany koa ireo olana eto an-drenivohitra mikasika ny tsena izay tsy tena voavahy fa nafindrafindra na vahaolana vonjy tavan’andro fotsiny. Ary ny tena mibaribary toy ny vay an-kandrina dia ny tsy fandriam-pahalemana etsy sy eroa izay vohizin’ny resa-be etsy sy eroa.

Manoloana izany anefa dia miezaka ny mampihodina ny fiainany andavanandro ramalagasy. Mandeha miasa ireo izay mbola manana izany ary ny tsy an’asa dia manjoretra eny alatrano na eny an-tsena mieritreritra izay mety ho aviny rehefa tsy voatarika hiloka na hanao asa ratsy (tsy misy, hono, ny asa ratsy fa ny maharatsy azy dia noho ny ratsy entiny eo amin’ny fiaraha-moniny)

Mandrimandry manana aretina ny gasy satria manoloana izany rehetra izany dia ekeny avokoa izay mitranga aloha hatreto na dia misy ihany aza ny mimonimonina mangina any amin’ny misy azy avy any. Ekena aloha izay misy dia jerena eo izay fandehany fa dia ho avy koa ity ny andro ratsy ka aleo mifitsaka fa Haiti aza efa tsy fidiny azy…

Raha ohatra ahy ny marary dia tsy dia mpitsabo firy fa sady tsy dia tena mahafa-po matetika ny fanazavany sy ny fitsaboana ataony, afa-tsy izay mpandidy tena mahay na mpitsabo tena miavaka angaha saingy lafo, no sady lafo be ihany koa ny fanafody sasany raha misy izany. Aza mba marary ihany aloha amin’izao fotoana izao raha eto Madagasikara e. Izany fiantohana (assurance na mutuelle) izany aloha dia tsy an’ny be sy ny maro.

Resaka fandriampahalemana no ho resahina, tsetsatsetra tsy aritra, nisy ilay mpamily fiarakaretsaka voatsatotstoka antsy dia naverin’ny mpamono teo anoloan’ny tranony teo Ankadifotsy afak’omaly vao maraina rehefa nantsoin’ny olom-patany, hono, tamin’ny finday ny alina mialoha io loza io. Tsy very ny entana sy ny fananana teny aminy ka dia nahalasa saina hoe inona no tena nilain’ny jiolahy. Ny fiara toa nisy nilaza fa nisy namerina ihany koa avy eo.

Mba nivoaka alinanalina andro talata ny tena hijery ny manodidina ka tsy dia gaga firy mahita ny havitsian’ny fiara mivezivezy eny an-dalana. Misy raha fa tsy hay! andro amin’ny 8ora sy sasany alina izany eny Analakely…

Ka iza koa anefa ny mpitsabo afaka antonina e? Ny vahiny? ny mpitondra sa ny isanisany amin’ny vahoaka tsy mandady arona? (fa tsy izay milaza azy ho vahoaka nefa tsy feno roa alina akory = 1% ny olona eto Antananarivo)? Dokotera ô, aiza ianao ilay tena mahay manasitrana? Tsy mila anao antitra izahay, tsy mila anao tsy manana tra-kefa ihany koa ary tsy mila anao fetsifetsy sy tia kely. Sa ny vahoaka ihany no mpitsabony? Asa re!

, ,

Popularity: 3% [?]