« Tsarovy sy mba tadidio… malagasy anie ianao ô »

Mahafinaritra ery ny figadon’io sombin-kira voatonona ambony io, indrindra rehefa izy izay no arahina valiha sy aponga. Ho feno 50 taona amin’ity taona 2010 ity ny nahazoan’ny malagasy fahaleovan-tena. Mipetraka ny fanontaniana manao hoe « dia inona ary izany no mahamalagasy anao? »Afaka raisintsika amin’ny lafiny efatra izany.

Raha ny ara-kolotsaina sy ny soatoavina no resahina dia mora ny fanehoan-kevitra satria tsy mila mitady lavitra akory dia mahita izay azo raisina ho maha-malagasy. Ny riba sy ny hasina malagasy no voalohany tonga ao an-tsaina raha kolotsaina no resahina. Ary ny fihavanana sy ny firaisan-kina kosa raha ny soatoavina no fakafakana. Ito lafiny iray ito no tena nahindrahindra sy mbola sahanin’ny ministera voakasika hatramin’izay ka hatramin’izao.

Maro ihany koa ny afaka tanisaina raha ny vakoka sy ny kolotsaina no ambara. Indraindray aza toa lasa kisary sisa fa tsy dia iainana intsony. Iza marina moa no tsy mahalala izany vako-drazana, hira gasy, famorana, famadihana, sambatra, hazolahy, sns. Eto dia manahirana ny miresaka fivavahana malagasy satria hatramin’ny fidiran’ny fivavahana kristianina dia niova ny fandraisana ny fivavahana malagasy. Tsy eo intsony ireo toko telo misahana ny razana sy ny zanahary, lasa fady ny mamadika sy manao joro noho ny finoana tsy mitovy ary mampisaraka indraindray ny resaka firazanana.

Raha ny fisainana sy ny fiteny dia somary miharatsy ny fitsarana ny maha-malagasy. Antony mahatonga izany ohatra ho an’ny antokon’olona vitsivitsy dia rehefa mahay fiteny vahiny ianao dia ambony fa raha malagasy mandala ny fiteniny dia toa misy manambany. Very ihany koa ireo fisainana niaraka tamin’ny ohabolana nolovaina tamin’ireo razana. Hany ka ankehitriny dia aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola, ary toa lasa trano atsimo sy avaratra ka aleo samy manana ny azy. Indrisy, samy maka ho olon-ko azy ny fiaraha-monina ankehitriny.

Ny tanora moa dia lasa manao fiteny malagasy kiringa ka manafangaro ny vary sy ny tsiparafara. Ny « tu vois » sy ny « tu sais » lasa mialoha ny fehezan-teny malagasy.

Eto amin’ny resaka fitafy sy fihetsika dia ahafahana mivalapatra tsara satria mampiady hevitra ny rehetra. Nanatrika ny hetsika « Takariva malagasy » ny tena ary voalaza tao anaty fanasana fa fitafy malagasy no tsara raha hisalorana. Vahotra ny saina satria salaka sy sikina no tao an-doha nefa ilay lanona handeha mivantana amin’ny fahitalavitra. Sao dia sanatria hamoha fady eo ny fiakanjon’ny tena? Hany hery nitafy lamba arindrano misy satrok’andrina vita amin’ny kofehy miloko ranom-bolamena. Misy namana somary malaza izay aza moa dia koba no nasolo ny mofo mamy nahazatra tamin’ny fampakaram-bady, nahafinaritra. Ny an’ny tena dia nijanona tamin’ny fiantsoana mpanao vako-drazana izay namela tsiahy ratsy satria dia nahatorana ny fofon’ny vitsivitsy tamin’izy ireo.

Ho ahy manokana dia tsy tiako sy tsy ankasitrahiko ny misalotra na miambozona aloalo satria dia toy ny mitondra alahelo sy tomany noho izy ireny fametraka eny amin’ny fasana. Mivoatra isan’andro ny fitafy malagasy ary tsy ifanomezan-tsiny raha mbola ny landy sy ny landibe ary ny soga fotsiny aloha no tena ahafahana mampiavaka azy io ankehitriny. Ho ahy ny maha-malagasy dia miankina amin’ny ao am-po, ny fanahy mitaiza sy mitahiry ireo fahendrena izay efa nisy teo aloha ary ny indrindra ny saina. Anjaranao no mahita ny anao, fa mbola hiverina amin’ny vanim-potoana mbola hitady ny very indray aloha isika malagasy vao hahafantatra sy hahalala ary hahay ny maha-malagasy antsika.