Taloha kelin’ny faran’ny taona 2009 dia niezaka mafy ireo mpilaza vaovao frantsay manamafy amin’ny mpijery sy mpihaino azy fa tapitra ny krizy ekonomika izay iainan-dry zareo any aminy. « Autosuggestion ou réalité »? azo adika malalaka hoe fampiakaran-tsaina sa zava-misy marina?

Matetika mantsy ny tena antony mahatonga ny krizy koa dia ny tsaho sy ny filazambaovao na marina io na diso. Teny iray dia mampiova zavatra maro. ka izany no tena mahatonga ny filazam-baovao ho toy ny fahefana faha-efatra.

Raha ny malagasy no resahina dia toa mandrimandry manana aretina ihany na ny vahoaka na ny mpitondra. Misy ny fambara aretina na « symptôme » misy etsy sy eroa; Anisan’izany ny fitokonana etsy sy eroa. Anisan’izany ihany koa ireo olana eto an-drenivohitra mikasika ny tsena izay tsy tena voavahy fa nafindrafindra na vahaolana vonjy tavan’andro fotsiny. Ary ny tena mibaribary toy ny vay an-kandrina dia ny tsy fandriam-pahalemana etsy sy eroa izay vohizin’ny resa-be etsy sy eroa.

Manoloana izany anefa dia miezaka ny mampihodina ny fiainany andavanandro ramalagasy. Mandeha miasa ireo izay mbola manana izany ary ny tsy an’asa dia manjoretra eny alatrano na eny an-tsena mieritreritra izay mety ho aviny rehefa tsy voatarika hiloka na hanao asa ratsy (tsy misy, hono, ny asa ratsy fa ny maharatsy azy dia noho ny ratsy entiny eo amin’ny fiaraha-moniny)

Mandrimandry manana aretina ny gasy satria manoloana izany rehetra izany dia ekeny avokoa izay mitranga aloha hatreto na dia misy ihany aza ny mimonimonina mangina any amin’ny misy azy avy any. Ekena aloha izay misy dia jerena eo izay fandehany fa dia ho avy koa ity ny andro ratsy ka aleo mifitsaka fa Haiti aza efa tsy fidiny azy…

Raha ohatra ahy ny marary dia tsy dia mpitsabo firy fa sady tsy dia tena mahafa-po matetika ny fanazavany sy ny fitsaboana ataony, afa-tsy izay mpandidy tena mahay na mpitsabo tena miavaka angaha saingy lafo, no sady lafo be ihany koa ny fanafody sasany raha misy izany. Aza mba marary ihany aloha amin’izao fotoana izao raha eto Madagasikara e. Izany fiantohana (assurance na mutuelle) izany aloha dia tsy an’ny be sy ny maro.

Resaka fandriampahalemana no ho resahina, tsetsatsetra tsy aritra, nisy ilay mpamily fiarakaretsaka voatsatotstoka antsy dia naverin’ny mpamono teo anoloan’ny tranony teo Ankadifotsy afak’omaly vao maraina rehefa nantsoin’ny olom-patany, hono, tamin’ny finday ny alina mialoha io loza io. Tsy very ny entana sy ny fananana teny aminy ka dia nahalasa saina hoe inona no tena nilain’ny jiolahy. Ny fiara toa nisy nilaza fa nisy namerina ihany koa avy eo.

Mba nivoaka alinanalina andro talata ny tena hijery ny manodidina ka tsy dia gaga firy mahita ny havitsian’ny fiara mivezivezy eny an-dalana. Misy raha fa tsy hay! andro amin’ny 8ora sy sasany alina izany eny Analakely…

Ka iza koa anefa ny mpitsabo afaka antonina e? Ny vahiny? ny mpitondra sa ny isanisany amin’ny vahoaka tsy mandady arona? (fa tsy izay milaza azy ho vahoaka nefa tsy feno roa alina akory = 1% ny olona eto Antananarivo)? Dokotera ô, aiza ianao ilay tena mahay manasitrana? Tsy mila anao antitra izahay, tsy mila anao tsy manana tra-kefa ihany koa ary tsy mila anao fetsifetsy sy tia kely. Sa ny vahoaka ihany no mpitsabony? Asa re!