Fotoana fohy, andro vitsivitsy sisa dia higadona ny 7 desambra hanombohan’ny fihaonambe faha-15 n’ny firenena mikambana momba ny fiovan’ny toetry ny andro. Haharitra 11 andro izy io ary eo no antenaina fa hisy fanapahan-kevitra matotra sy mety ho an’ny zanak’olombelona ho soniavin’ireo firenena maro izay ho avy hivory ao, ary andrandraina an’ireo firenen-dehibe mba haka fanapahan-kevitra matotra sy rariny ho fitsinjovana ny fiainan’ny zanak’olombelona sy ireo zava-manan’aina fantatra.Raha ny ara-tantara aloha dia fantatra fa nisy hatrany ireo fiovan’ny toetrandro teto ambonin’ny tany raha tsy hampahatsiahy ny fotoana lavan’ny hatsiaka madiry fantatra amin’ny hoe « ère glaciaire » na ny firotsahan’ny orana lava reny fantatra amin’ny hoe « déluge ».Nanimba ny tontolo iainany ny zanak’olombelona ka raha te hiavotra dia tsy maintsy manarina. Izany indrindra no tiana hahatongavana amin’io fihaonan’ny firenena mikambana any Kopenagy io. Ny sinoa sy ny amerikana dia irina mba haka fepetra matotra mikendry ny tombon-tsoa iombonana, ary ireo firenen-dehibe hafa ihany koa mba hanaraka azy roa tonta ireo. Mino ny tena fa anisan’ny tafiditra ao amin’ny dian’ny filoha Amerikana Barack OBAMA tany Shanghai izany resaka izany.Volana vitsivitsy lasa izay dia mbola maro no nihevitra fa angano ity fiovan’ny toetr’andro ity. Natao nitovy saranga amin’ ny resaka dadabe noely na koa ny sambon-danitra tsy hay fihaviana… Saingy efa maro ankehitriny ireo fisahon-javatra ahafahana manamarina fa misy tokoa ity fiovan’ny toetr’andro ity.Anisan’ireny ny :

  • fitombon’ny faritra ianjadian’ny hain-tany
  • fitomboan’ny tondra-drano etsy sy eroa raha tsy ilaza afa-tsy ny firenena aziatika isika
  • ny fiakaran’ny haavon’ny ranomasina
  • sns amin’ny resaka toetr’andro

Raha hivory ireo firenen-dehibe ireo, inona no zavatra afaka andrasana amin’ny fifidianana hatao ao? Misy tombon-tsoa ho an’ny firenena malagasy ve? sa dia tombon-tsoa mampandeha mialoha ny toe-karena sy ny fifandrasana ara-barotra ahazoan’ny firenena matanjaka tombony no ho raisina sy hosafidiana ao?Ny zavatra tiana hambara dia ny hoe : mila mahafehy sy mahafantatra tsara ny tokony horesahina any ireo solon-tena malagasy ka afaka hanaiky na handà mazava izay voatapaka ao arakaraka izay politika mazava mipetraka sy misy ho an’ny fanatsarana ny firenena.Mila arovana ireo fananana ara-java-boahary mampiavaka an’i Madagasikara ka mila miady mafy ho an’izany isika na eto an-toerana na any ivelany.