Nécropolitique ou l’humour noir d’une rédaction
22 décembre 2009 by Mitiyu
Lundi dernier, on a été un peu étonné lorsqu’en feuilletant un célèbre quotidien malgache on a retrouvé à la page “POLITIQUE” le curriculum vitae du nouveau Premier Ministre malgache. Quoi de plus normal me diriez-vous. Mais vous serez sûrement aussi étonnés que moi si vous connaissez que cette fameuse page est surtout une page spéciale nécrologie. à savoir, aucun article ni reportage qui parle de la politique en général et aucun article tout court. Rien que le CV et les “faire-part”.Ah, si quand même. Une section concernant l’attentat de Lockerbie qui parle de condamnation, de cancer en phase terminale et de Tripoli. Etrange relation…Quoique je reste quand même sceptique en me demandant si c’était une coïncidence de la rédaction ou un humour noir qui tire le cynisme à son paroxysme ou encore une blague qui incite les autres à penser que le gouvernement doit spécialement figurer dans cette page. En tout cas, c’était très subtil!Finalement, cette page aurait pu s’intituler “NECROPOLITIQUE”
Fa inona marina moa no olana e?
10 décembre 2009 by saveoursmile
Nataoko ihany ny tsy hiloa-bava kanefa toa niserana tampoka tato an-tsaina ny sombin-dresaka tamin’ny sarimihetsika vahiny iray izay toa nanamarika ahy hany ka nanontany tena ihany aho. Ilay sombin-tantara dia mpahandro sinoa iray izay nimonomonona irery raha nahita ity mpampiasa azy mipenompenona mitady zavatra tsy hay eraky ny trano, ka hoy izy “tsy fantany akory izay tadiaviny, hany ka tsy ahita izy” (dikan-teny malalaka io an…)
Fa inona tokoa moa no olana vahana eto amin’ity tanintsika ity amin’izao fotoana izao e? Moa ve misy iray amintsika afaka mitsangana ka hilaza izany ka hiara-hiaiky ny rehetra fa izay tokoa no rangory fototry ny afo tsara ifanakonana mba ahitana vahaolana? Mino aho fa raha misy olona iray sahy hitsangana ka hilaza ny fahitany azy dia hisy tranga maromaro mety hiseho:
- ao ireo hiezaka hampiseho fa “efa nandinika lalina” ny zava-misy mitranga amin’izao ka hamoaka izao karazana tsangan-kevitra natambatambany araka ny niainany ny fizotry ny tantara teto Madagasikara hatrizay ka hatramin’izao …Mety tsy ho diso izany fomba fijeriny izany, fa saingy ho feno ve?
- ao ireo ihevitra hoe “io indray i ranona fa te hanandra-tena”… hany ka na misy mitombina aza ny nolazain-dranona dia tsy ho henoina intsony satria … i ranona io miteny io e
- ao ireo mety ho mitovy hevitra amin’izay nolazaina sy novelabelarina ihany fa toa mahatsiaro ho fandanian’andro fotsiny ihany ny firesahana izany
- mino aho fa maro ireo tranga hafa mety hiseho … ianao mamaky io koa inoako marimarina tokoa fa efa nahita tranga dimy farafaharatsiny ankoatran’ireo …
Ny tiana ho tsindriana dia ity: samy miaiky ny rehetra fa mandalo krizy i Madagasikara amin’izao fotoana izao, tsy handeha hitady ny antony nahatonga azy loatra aho (mbola ho lasa any amin’ny ady hevitra be io raha atomboka, heveriko fa efa be dia be ny ady hevitra nandeha hatramin’izay momba io lohahevitra io ka aleoko tsy ampiana intsony), fa kosa moa ve isika izay samy miezaka mitondra ny anjara biriky amin’ny famahana ny krizy mitovy hevitra amin’ny fahazoana ilay olana ho vahana? Asa lahy fa dia vaka ny saina amin’ity toe-draharaha ity …
La nostalgie de la pluie
9 décembre 2009 by Mitiyu
Finalement, avec la 15ème Conférence des Nations Unies sur le changement climatique à Copenhague, j’accueille avec joie bordée d’une touche nostalgique les premières pluies à Madagascar. Je suis en train de penser qu’avec la médiatisation du trafic des bois de rose, d’autres contrebandiers ou trafiquants seraient curieux d’opérer dans le domaine et la forêt malgache risque de disparaître complètement.
- la génération future risque de ne plus avoir de la chance de visiter les réserves naturelles
- la génération future risque aussi de croire qu’une forêt ce sont les différents jacarandas autour du lac Anosy
- la génération future risque de penser que la forêt est comme les mythes et les légendes de triangle de bermudes ou de l’Atlantide
- la génération future risque de penser que les rapaces endémiques, les lémuriens, les caméléons ou encore les plantes carnivores vivaient à Madagascar avec les dinosaures
Bref, je me pose des questions. Car je me souviens il y a quelques années de cela en France, des éléves de CM1-CM2 ont cru que les poissons ont une forme cubique et sont panés dans l’eau, que les sardines habitent dans les boîtes…D’habitude, je n’apprécie pas trop la pluie, surtout lorsque je suis dehors sans imperméable ni parapluie. Mais là, je dois avouer que je remercie le Ciel qu’il pleuve ainsi :
- pour arroser la culture
- pour adoucir l’air qui commençait à être suffocant et insupportable
- pour relancer le cycle de l’eau qui nous aide tant
- pour le plaisir de recueillir l’eau de pluie qui passe par la gouttière pour différents usages sans qu’on se soucie d’une quelconque facturation supplémentaire
En ce moment, j’aime la pluie comme on n’en a jamais eu depuis longtemps. Voyons le côté romantique des choses. On peut par exemple rester sous la couette en écoutant le bruit de la pluie sur les vitres ou encore le toit en tôle (dommage pour les isolations phoniques) et éventuellement regarder un bon film avec du popcorn ou des chips.Ce qui me désole juste avec cette pluie, ce sont les embouteillages un peu partout surtout du côté de Soarano et Behoririka. (Tena vendrana mihitsy!)
No Tags7 desambra any Kopenagy : aiza ho aiza ny firenena malagasy?
1 décembre 2009 by Mitiyu
Fotoana fohy, andro vitsivitsy sisa dia higadona ny 7 desambra hanombohan’ny fihaonambe faha-15 n’ny firenena mikambana momba ny fiovan’ny toetry ny andro. Haharitra 11 andro izy io ary eo no antenaina fa hisy fanapahan-kevitra matotra sy mety ho an’ny zanak’olombelona ho soniavin’ireo firenena maro izay ho avy hivory ao, ary andrandraina an’ireo firenen-dehibe mba haka fanapahan-kevitra matotra sy rariny ho fitsinjovana ny fiainan’ny zanak’olombelona sy ireo zava-manan’aina fantatra.Raha ny ara-tantara aloha dia fantatra fa nisy hatrany ireo fiovan’ny toetrandro teto ambonin’ny tany raha tsy hampahatsiahy ny fotoana lavan’ny hatsiaka madiry fantatra amin’ny hoe “ère glaciaire” na ny firotsahan’ny orana lava reny fantatra amin’ny hoe “déluge”.Nanimba ny tontolo iainany ny zanak’olombelona ka raha te hiavotra dia tsy maintsy manarina. Izany indrindra no tiana hahatongavana amin’io fihaonan’ny firenena mikambana any Kopenagy io. Ny sinoa sy ny amerikana dia irina mba haka fepetra matotra mikendry ny tombon-tsoa iombonana, ary ireo firenen-dehibe hafa ihany koa mba hanaraka azy roa tonta ireo. Mino ny tena fa anisan’ny tafiditra ao amin’ny dian’ny filoha Amerikana Barack OBAMA tany Shanghai izany resaka izany.Volana vitsivitsy lasa izay dia mbola maro no nihevitra fa angano ity fiovan’ny toetr’andro ity. Natao nitovy saranga amin’ ny resaka dadabe noely na koa ny sambon-danitra tsy hay fihaviana… Saingy efa maro ankehitriny ireo fisahon-javatra ahafahana manamarina fa misy tokoa ity fiovan’ny toetr’andro ity.Anisan’ireny ny :
- fitombon’ny faritra ianjadian’ny hain-tany
- fitomboan’ny tondra-drano etsy sy eroa raha tsy ilaza afa-tsy ny firenena aziatika isika
- ny fiakaran’ny haavon’ny ranomasina
- sns amin’ny resaka toetr’andro
Raha hivory ireo firenen-dehibe ireo, inona no zavatra afaka andrasana amin’ny fifidianana hatao ao? Misy tombon-tsoa ho an’ny firenena malagasy ve? sa dia tombon-tsoa mampandeha mialoha ny toe-karena sy ny fifandrasana ara-barotra ahazoan’ny firenena matanjaka tombony no ho raisina sy hosafidiana ao?Ny zavatra tiana hambara dia ny hoe : mila mahafehy sy mahafantatra tsara ny tokony horesahina any ireo solon-tena malagasy ka afaka hanaiky na handà mazava izay voatapaka ao arakaraka izay politika mazava mipetraka sy misy ho an’ny fanatsarana ny firenena.Mila arovana ireo fananana ara-java-boahary mampiavaka an’i Madagasikara ka mila miady mafy ho an’izany isika na eto an-toerana na any ivelany.
No Tags

License