Non classé

Ny ady varotra malagasy

(image : Lilia Dutoit sur http://dutoitvillemer.free.fr)

mpividy : « Ohatrinona ny kilaon’ny ovy? »

mpivarotra : « 600 sy 1000 e! »

mpividy : « kaï! henjana be izy izany madama fa arivo ihany ny fividiananay aty, iony aza izao ilay mbola misy fotaka mbola tsy nosasainareo »

mpivarotra : « vidin’entana sy « frais » anie izao tena miakatra be mihitsy amin’ity vidin-tsolika tsy mihitsaha-mitombo sy ny vola gasy very sanda ity e, ao fa omeko 200 sy 1000 ianao fa tsy mahita izany any an-kafa »

mpividy : « tena arivo Ariary ihany ny volako aty fa aleo mba tsofinao rano amin’izay dia maka iray kilao aho e »

Tafiditra lalina ao anaty fiainana andavan’andron’ny malagasy ny fiadina varotra. Ny mpividy toa mahatsiaro maty antoka raha tsy miady ary ny mpivarotra efa vonona hanatrika ireo mpiady varotra ka manombana ambonimbony noho ny tena vidinsquowhawydny entam-barotra.

Raha tsiahivina anefa ny ara-tantara dia tsaroana fa fomba iray nentina nanamafisana ny fifandraisana sy ny fifaneraserana ny ady varotra teo amin’ireo malagasy taloha fa tsy dia noho ny tsy fisiana firy tsy akory.

Ankehitriny anefa dia entina ahazoana tombony kely kokoa ny ady varotra. Misy marimaritra iraisana ezahina tadiavina ao ka samy miezaka mikatsaka izany ny ankolafy isanisany. Samy mahafantatra ny vola matiny sy ny mason-karenany ireo mivarotra ary ny mpividy kosa mahafantra ny tena vidin’entana eritreretiny.

Raha hiodika kely vetivety amin’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna mandehandeha eny an-dalam-be eny isika dia mahatsikaritra fa dia tena lasa nidangana be ireo entana amidy ary matetika dia lafo avo telo na efatra heny na mihoatra amin’ny vidiny eny amin’ny magazay sinoa na karana hakany ireo entana. Rasina ohatra ny solomaso iray fiharo amin’ny masoandro marika sandoka na « contre-façon ». Tombanan’ireo mpivarotra Ar 16,000.00 ohatra ny iray ka rehefa tena miady elaela eo ianao no sady mandeha dia mety azonao Ar2,400.00 izany.

Hita sy tsapa ny elanelana misy kanefa sarotra ny hiteny fa maty antoka ireo mpivarotra satria dia toy izany daholo foana ihany no iafaran’ny vidin’ireo solomaso. Misy angamba no adaladala voafitaka satria mahafantatra ny vidin’ilay marika tena izy ka mahita fa efa mora izany ary voafitaka satria mieritreritra fa tena izy ilay entana fa tsy dika sandoka.

Tsy dia hamerina ny lesona nomensquowhawydi Ed Andriamalala tao anaty Fanagasiana momba ny fanararaotana sy ny fitsetsefana ny mahantra isika akory fa te hilaza kosa ny lesoka ateraky ny ady varotra.

Misy ny kirizy ara-bola eran-tany. Samy manao izay ho afany ireo mpitondra firerenena sy manam-pahaizana ara-bola mikatsaka ny vaha-olana mety ahafahana misonga. Arakan y fomba fijeriko manokana dia tsy tsara loatra ho ansquowhawydny ady aminsquowhawydny fihemorana ara-toe-karena na « récession économique » ny adi-varotra. Tsy mikatsaka ny fiakaransquowhawydny vidinsquowhawydentana be fahatany koa anefa (« inflation ») fa mijery ny fomba hamelomana iy fiara ara-toekarena taingenansquowhawydny vahoaka malagasy ity.

Voalohany aminsquowhawydizany ny tokony ezahinsquowhawydny be sy ny maro manjifa ka tsy miady varotra. Ary ny mpivarotra etsy an-daniny dia tokony hivarotra ny entana aminsquowhawydny vidiny tena izy ary mirary. Izany fomba fanjifana izany dia miteraka ny mazava sy mangarahara aminsquowhawydny lafinsquowhawydny tombom-barotra sy ny fizarana harena ho ansquowhawydny mpiara-belona.

Rehefa vitsy ny miady varotra dia Irina ho mitombo ny vola miditra ho ansquowhawydireo miasa tena aminsquowhawydny varotra ka raha 300 no laniany na tahiriziny teo aloha mety ho lasa 1000 izany aminsquowhawydizay fotoana izay ka ny 700ambiny dia afaka hanjifana zavatra hafa noho izay noeritreretina na tahirizina hanjifana aoriana. Na ihany koa mety ahafahany mampiakatra ny fidiram-bola na ny karamansquowhawydireo mpiasa ao aminy.

Rehefa manjifa ireo mpivarotra na ireo mpiasa ao aminsquowhawydireo, dia mampiditra vola any aminsquowhawydny fianakaviana hafa maro ihany koa izany ka mety mampihodina indray ity milina ara-toekarena iainantsika ity.

Rehefa misy ny enti-manana na mitombo dia tokony hitombo manaraka izany ihany koa ny fanjifana ka io fanjifana io no miteraka hetra sy haba ahafahansquowhawydny fanjakana manatsara ny foto-drafitrsquowhawydasa ahafahana mampandroso ny firenena. Tafiditra ao anatinsquowhawydizany ny fahadiovansquowhawydny tanàna, ny làlana, ny toho-drano ahafana mitantana ny rano, ny seranana ahafahana manondrana ny entana sns.

Ny tsy fiadina varotra tsy akory tsy midika ho fahalemena ary ny fivarotana aminsquowhawydny vidinsquowhawydny diso tafahoatra dia fanararaotana ka tsy mampivoatra.

Fomba fijery hafa angamaba io fa mampirisika antsika hijery lavitra sy hieritreritra.

J'aime ma patrie et je souhaite le bien des malagasy

2 commentaires

  • haritia

    diso tanteraka ny hevitrao tompoko. ny adivarotra no tena atao hoe « capitalism » araky ny hitiavan’ny sasany azy. rehefa tsy misy ny adivarotra dia izay matanjaka no mitondra ny baolina (oh: http://www.npr.org/blogs/health/2009/11/drug_companies_hike_prices_on.html?sc=fb&cc=fp , microsoft, magro, orinasa iraisam-pirenena samihafa sns) rehefa kosa ianao amin’ny toerana afaka tena miady varotra dia akaikikaiky kokoa ny tena sandany ny vidin-javatra. Na ny zavatra electronika any amin’ny varotra a-tsisindalana izany na ny vidin’ny hena sy ny anana. marina fa raha lilinina tokoa ilay izy dia sarotra ny mahita ny tana anelanelany fa amin’ny ankapobeny, dia akaiky kokoa an’ny tena sandan’ny takalo izay nifanarahana.

  • Mitiyu

    Mety sady marina ny fanehoan-kevitrao ary izay adihevitra no tena ilaina mba hampandrosoana. Tsy tena misy tena marina ary tsy misy tena diso. Marina aloha fa raha amin’ny fijery kapitalista dia ny adyvarotra no tena mety sady ahitana ny mety ho marimaritra iraisana sy ny tena vidin’entana. Hita sy tsapa izany amin’ireo karazana OPA etsy sy eroa mba ahazoana ny orinasa zatsy na zaroa.

    Nefa io « système capitaliste » ahitana ny « système des marchés financiers » io no nahatonga ny « Subprimes » izay anisany niteraka izao korontana ara-toe-karena misy maneran-tany izao. Ka hany ka lasa mivarotra amin’ny tsy manambola ka mitovy amin’ny manome maimaim-poana. Ataoko fa tsy maimaim-poana angamba ny nahavitana ireny trano ireny satria ao ireo masonkarena amin’ny vidin’entana sy ny akora ary ny ora lany nananganana azy.

    Amin’ny tany mandroso dia efa mihavitsy ny adivarotra ety amin’ny tsenambarotra tsotra. Raisina ohatra ny « grands magasins » na ny « tabac et presse du coin » sns. Misy ary ireo vahiny no gaga rehefa tonga aty amin’ny firenena « sahirankirana » rehefa tokony hiady varotra. Iadiana varotra ny taxi na dia tokony compteur aza no ampiasaina mba tsy ho vangavanga na « arbitraire » ny sarany avy eo. Iadiana varotra ny fehikibo eny an-dalana eny na dia raha tokony ho izy efa tokony manana ny tombom-barotra tombatombana ianao (mety efa nokajianao ny marges na ny taux de marques ilainao ho azo amin’izany)

    Raha mahasoa ny firenena. Tsy aleo aloha andramana ka any amin’ny resaka « actions » sy « parts sociales » na vidin’orinasa na vidin-tany sy trano no iadiana varotra fa tsy any amin’ny entana kely toy ny anana sy ny akanjo.

    Izaho aloha tia miady varotra satria fantatro ny vola tiako laniana amin’iny entana iray iny saingy misy hevitra fanambakana sy « ady » ilay izy ka tsy dia tsara loatra satria mampahory ny efa tsy manana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.