Ndeha isika hanangana tanan-dehibe vaovao!
aro ireo mponina eto an-drenivohitra no mimenomenona, tsy afa-po amin’ny fiaraha-monina an-tanàn-dehibe kanefa tsy afa-manohatra. Misy ireo tsy mahatanty korontana, fifanjevoana, fitohanan’ny lalana, fahateriteren’ny arabe, loton’ny rivotra, ny tsy fanarahan-dalàna, sns.Alefantsika ny eritreritra satria raha tsy misy ny eritreritra tsy misy ny tanjona ary rehefa tsy misy ny tanjona dia tsy misy ny tody. Somary ovaintsika kely ny ohabolana ka ndeha ataontsika hoe « ny tody hisy raha mazava ny tanjona ». Ndeha hotanisaina fohy ny tanjona amin’izany tetikasa momba ny vohitra na tanandehibe vaovao izany:
- Tanàna vaovao, madio, mirindra mba ho tsara ny fiaraha-monina
- Olona mifanaja sy madio ary manaraka ny fitsipi-pifehezana misy eo amin’ny samy mpiray tanàna
- làlana malalaka, miaina tsara ny fifamoivoizana, mety ahafahan’ny fiara enina na valo mifanena amin’ny toerana sasantsasany
- Ny tari-by mitondra ny herin’aratra dia milevina na milentika any ambanin’ny tany fa tsy mikirozaroza eny ambony rehetra eny
- Tanàna ifantohan’ny orinasa sy ny varotra ary ny fifandraisana ka mampandroso haingana ny toe-karena
- Mponina vonina ny hiasa, hiasa tsara sy haingana ary tena amin’ny fo fa tsy terena na miandry fampitahorana na fampitandremana hatrany vao hanao izany
- Fanorenana trano isan-karazany manaraka ny fitsipi-panorenana sy ny drafitra maty paikan’ny fitantanana ny tanàna (construction suivant le plan d’urbanisme)
Hatreo aloha sao dia tsy araky ny sain’ny sasany. Misy sakana vitsivitsy momba ny fananan-tany sy ny vola enti-manorina mila ahitana vahaolana haingana mba ahafana manatanteraka izany. An’isan’izany sakana mila vahàna izany ireto manaraka ireto :
- Tsy tokony hifikitra be fahatany amin’ny tany kely ananany ny olona fa hanambatra izay anjarany amin’ny hafa ho an’ireo toerana voafidy hananganana izany tanan-dehibe vaovao izany. Afaka omena tany any amin’ny toeran-kafa hanoloana izany ny mpitondra saingy raha sarotra izany dia mila politika mijoro tsara sy matanjaka momba ny fanajariana sy fizarana ara-drariny ny tany misy. (Na tampoketsa aza misy tompony vitsivitsy…)
- Mila miara-mirohotra amin’ny fanjakana ireo orinasa sy mpampiasa vola eto Madagasikara hanangana na hametraka ny orin’asa mpitantana sy tena mikirakira vola amin’io faritra io. Ka orinasa fitrandrahana na fanodinana no tena hisy ao fa orinasa misahana ny varotra sy ny fifanakalozana ary ny serasera. Mety anisan’izany ny banky, ny magazay lehibe, ny birao maro karazany mpanapa-kevitra ho an’ny orinasany mpitrandraka na mpanodina, ivo toeran’ny fifandraisana sy ny fifandraisan-davitra ary ny teknolojia avo lenta, ny orinasa amin’ny haino aman-jery sns.
Inona ny voka-tsoa mey aterak’izany tetik’asa izany?
- fanomezana asa ho an’ireo mpanao trano sy ny foto-drafitr’asa isan-karazany ka mampiakatra ny fidiram-bolan’ny mponina mba ahafahany manjifa sy manatsara kokoa ny fiainany
- fanitarana ny orinasa efa misy na fananganana ny orinasa vaovao ka mety hampitombo ny vola miditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana
- hampiodina haingana ireo fampiasam-bola (mbola resaka hafa ny aterak’izay)
- hanome ohatra ho an’ny malagasy sasany amin’ny filaminana, fanarahan-dalàna, fahadiovana, fanajàna ny fanànana iombonana, fitiavana fandrosoana, fanarahan-dalàna sy ny fitsipika tsy an-tery fa an-tsitra-po, fahazotoana miasa amin’ny fairaha-monina mirindra sy milamina ary madio ka mampihena ireo fahakizintinana sy hasiahana misy eo amin’ny mponin’Antananarivo na mpandeha an-tongotra, na mpivarotra, na mpitondra fiara-kodia na mpitondra môtô.
- sehatra ahafahana mampiseho an’ireo vahiny mety hampiasa vola ny tsy dia fifanalavitan’ny toe-tsaina enti-miasa
- fifandraisana tsara amin’ireo mponina sy ny pifanerasera ka tsy ho ambanin-javatra ny fifampiarahabàna, ny fifampisaorana ny fifanaovam-beloma am-panajàna fa indrindra ny fifampitsikitsikiana izay mitondra hery tsara ho an’ny fiaraha-monina.
- renivohitra ara-toe-karena ho lavitry ny fahantràna sy ny fahadiranovana maro samihafa
- sy ny sisa
Tsy ho azo ekena ao amin’izany tanàna izany ny loto, ny fahantrana amin’ny lafiny rehetra, ny tsy fanarahana ny fitsipika mifehy ny hakamoana, ny fanambaniana mety hisy amin’ireo tsy mitovy saranga miara-miasa sy miara-monina, …mmmmhhh! nofinofiko eto Dago izany, enga anie hisy tanteraka na dia ny ampahany fotsiny aza. (indrindra ireo tariby an’ny Jirama mandreraka maso misy papango na taditady mihantokantona eny rehetra eny sy ny fifamoivoizana ary ny fahadiovana
Popularity: 5% [?]
Un grand incendie a détruit 114 maisons dans le Nord de Madagascar
18 novembre 2009 by Tomavana
Le retour de l’été tropical à Madagascar marque aussi le retour des saisons de feux de brousse et les incendies de maisons. Le quotidien malgache « Les Nouvelles » rapporte ainsi l’incendie qui a détruit le village d’Ambohibory située dans la zone limitrophe des régions Diana et Sava au Nord de Madagascar:
« [...] le fokontany d’Ambohibory, une petite localité se trouvant dans les zones limitrophes d’Antsiranana II et de Vohémar, a été entièrement ravagée par le feu. Le bilan, encore provisoire, fait état de 164 sinistrés et d’une fillette atteinte d’une brûlure superficielle. Ont été dévorés par le feu, 114 maisons, une vingtaine de greniers et des manguiers. »
Popularity: 3% [?]
Ny ady varotra malagasy
16 novembre 2009 by Mitiyu
- 
(image : Lilia Dutoit sur http://dutoitvillemer.free.fr)
mpividy : « Ohatrinona ny kilaon’ny ovy? »
- mpivarotra : « 600 sy 1000 e! »
- mpividy : »kaï! henjana be izy izany madama fa arivo ihany ny fividiananay aty, iony aza izao ilay mbola misy fotaka mbola tsy nosasainareo »
- mpivarotra : « vidin’entana sy « frais » anie izao tena miakatra be mihitsy amin’ity vidin-tsolika tsy mihitsaha-mitombo sy ny vola gasy very sanda ity e, ao fa omeko 200 sy 1000 ianao fa tsy mahita izany any an-kafa »
- mpividy : « tena arivo Ariary ihany ny volako aty fa aleo mba tsofinao rano amin’izay dia maka iray kilao aho e »
Tafiditra lalina ao anaty fiainana andavan’andron’ny malagasy ny fiadina varotra. Ny mpividy toa mahatsiaro maty antoka raha tsy miady ary ny mpivarotra efa vonona hanatrika ireo mpiady varotra ka manombana ambonimbony noho ny tena vidin’ny entam-barotra.
Raha tsiahivina anefa ny ara-tantara dia tsaroana fa fomba iray nentina nanamafisana ny fifandraisana sy ny fifaneraserana ny ady varotra teo amin’ireo malagasy taloha fa tsy dia noho ny tsy fisiana firy tsy akory.
Ankehitriny anefa dia entina ahazoana tombony kely kokoa ny ady varotra. Misy marimaritra iraisana ezahina tadiavina ao ka samy miezaka mikatsaka izany ny ankolafy isanisany. Samy mahafantatra ny vola matiny sy ny mason-karenany ireo mivarotra ary ny mpividy kosa mahafantra ny tena vidin’entana eritreretiny.
Raha hiodika kely vetivety amin’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna mandehandeha eny an-dalam-be eny isika dia mahatsikaritra fa dia tena lasa nidangana be ireo entana amidy ary matetika dia lafo avo telo na efatra heny na mihoatra amin’ny vidiny eny amin’ny magazay sinoa na karana hakany ireo entana. Rasina ohatra ny solomaso iray fiharo amin’ny masoandro marika sandoka na « contre-façon ». Tombanan’ireo mpivarotra Ar 16,000.00 ohatra ny iray ka rehefa tena miady elaela eo ianao no sady mandeha dia mety azonao Ar2,400.00 izany.
Hita sy tsapa ny elanelana misy kanefa sarotra ny hiteny fa maty antoka ireo mpivarotra satria dia toy izany daholo foana ihany no iafaran’ny vidin’ireo solomaso. Misy angamba no adaladala voafitaka satria mahafantatra ny vidin’ilay marika tena izy ka mahita fa efa mora izany ary voafitaka satria mieritreritra fa tena izy ilay entana fa tsy dika sandoka.
Tsy dia hamerina ny lesona nomen’i Ed Andriamalala tao anaty Fanagasiana momba ny fanararaotana sy ny fitsetsefana ny mahantra isika akory fa te hilaza kosa ny lesoka ateraky ny ady varotra.
Misy ny kirizy ara-bola eran-tany. Samy manao izay ho afany ireo mpitondra firerenena sy manam-pahaizana ara-bola mikatsaka ny vaha-olana mety ahafahana misonga. Arakan y fomba fijeriko manokana dia tsy tsara loatra ho an’ny ady amin’ny fihemorana ara-toe-karena na « récession économique » ny adi-varotra. Tsy mikatsaka ny fiakaran’ny vidin’entana be fahatany koa anefa (« inflation ») fa mijery ny fomba hamelomana iy fiara ara-toekarena taingenan’ny vahoaka malagasy ity.
Voalohany amin’izany ny tokony ezahin’ny be sy ny maro manjifa ka tsy miady varotra. Ary ny mpivarotra etsy an-daniny dia tokony hivarotra ny entana amin’ny vidiny tena izy ary mirary. Izany fomba fanjifana izany dia miteraka ny mazava sy mangarahara amin’ny lafin’ny tombom-barotra sy ny fizarana harena ho an’ny mpiara-belona.
Rehefa vitsy ny miady varotra dia Irina ho mitombo ny vola miditra ho an’ireo miasa tena amin’ny varotra ka raha 300 no laniany na tahiriziny teo aloha mety ho lasa 1000 izany amin’izay fotoana izay ka ny 700ambiny dia afaka hanjifana zavatra hafa noho izay noeritreretina na tahirizina hanjifana aoriana. Na ihany koa mety ahafahany mampiakatra ny fidiram-bola na ny karaman’ireo mpiasa ao aminy.
Rehefa manjifa ireo mpivarotra na ireo mpiasa ao amin’ireo, dia mampiditra vola any amin’ny fianakaviana hafa maro ihany koa izany ka mety mampihodina indray ity milina ara-toekarena iainantsika ity.
Rehefa misy ny enti-manana na mitombo dia tokony hitombo manaraka izany ihany koa ny fanjifana ka io fanjifana io no miteraka hetra sy haba ahafahan’ny fanjakana manatsara ny foto-drafitr’asa ahafahana mampandroso ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fahadiovan’ny tanàna, ny làlana, ny toho-drano ahafana mitantana ny rano, ny seranana ahafahana manondrana ny entana sns.
Ny tsy fiadina varotra tsy akory tsy midika ho fahalemena ary ny fivarotana amin’ny vidin’ny diso tafahoatra dia fanararaotana ka tsy mampivoatra.
Fomba fijery hafa angamaba io fa mampirisika antsika hijery lavitra sy hieritreritra.
No TagsPopularity: 3% [?]
Great nations came after great fight
11 novembre 2009 by Mitiyu
I was wondering how former political crisis in Madagascar could really help the country to improve its way of living and its economy. Building a « great » nation is not such an easy thing but it could be very helpful to benchmark what was hapenning to the nations which have known war and big troubles.
Malagasy should learn from the others…
When I was in Jozi, I visited the Mandela House in Soweto, I think it is located in Orlando West. This small house is plenty of great symbols. The story is that it was the first house « Madiba » really owned himself and he is very proud of it. 27 or 28 years in jail was not so lost. Those years contribute to strenghten the new era foundation.
Madagascar is not so far from South Africa, it is within 3 hours flight from Johannesburg in South Africa. The main symbol of this house reminds me some other amazing stories of great nations that had known war. I was thinking about Germany, Japan, China, The USA, and so forth. I knew much more about apartheid and I could feel black people’s frustration during this tough part of their story.
In 2010, Madagascar will celebrate its 50th independence anniversary. Sometimes, I am asking myself if we are truly inependent. I have my own idea but it would be « politically incorrect » as we can say it in french. Let’s say : 50 years of manipulation and lie. It is said malagasy people are lazy. Sure, they could be but the right way was not shown to them.
People around me were trying to compare the actual life of former british and french colonies. some of these guys think that Madagascar ought to have belonged to commonwealth… As far as I am concerned, this idea is not so good if we take look at what happen to Zimbabwe. And how about Rwanda, Bosnia, Irak and Libanon? These countries had also known some big troubles and how is it about now? I don’t know but in my opinion, they are in the right track to succeed. I might be wrong but we can explore this way.
Popularity: 5% [?]
Ny tena fitiavan-tanindrazana
3 novembre 2009 by Mitiyu
Mbola misy ve ireo malagasy tena tia tanindrazana ? Mipetraka ny fanontaniana.
Tao anatin’izay dimampolo taona farany taorian’ny nahazoana ny fahaleovan-tena mantsy dia mampisalasala ihany ny mamaly io fanontaniana io. Mbola afaka valiana tsara ihany izy io saingy tao anatin’ny herintaona izao dia tsy hita mazava izay valinteny tena marina.
Maro ireo mitonona ho tia tanindrazana saingy ny fihetsika sy ny fomba rehetra dia toa maneho fa fitiavam-bola sy voninahitra ary seza eo amin’ny fitondrana no betsaka. Misy ireo mimenomenoma amin’ny tena tokony atao sy tokony ho fomba fiaraha-monina fa tsy mihetsika tsy manao na inona na inona afa-tsy ny fitadiavana mahazatra mba ivelomana.
Misy ireo tena sahy mirotsaka an-dalambe mitaky fanovana saingy tsy manova ny fomba ratsy fanaony sy ireo fitiavan-tena mahazatra tsy mitsinjo ny fiaraha-monina sy izay tena mahasoa ny tanindrazana.
Vonona ve ianao ho faty ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy fihavaozan’ny firenena ? Vonona ve ianao hanasoa ny tanindrazanao tsy hangataka tambiny na karama ary tsy ho noho ny tombontsoa manokana ? Vonona ve ianao hijoro manoloana ny jadona ankolaka ataon’ireo firenen-dehibe vitsivitsy mikatsaka ny mahasoa azy eto Madagasikara ka mitady amin’ny fomba rehetra hametsena sy hanambaniana anao ? VONONA VE IANAO HIASA AMIN’NY FONAO MANONTOLO KA TSY HIKELY SOROKA MBA HANATSARANA NY TONTOLO MANODIDINA ANAO ?
Namaly TSIA indray, in-droa, in-telo ve ianao tamin’ireo faontaniana teo ambony ireo ? Mbola tsy tena vonona ny haneho ny mety ho tena fitiavanao ny taindrazanao ianao izany.
Mba inona kosa ary izany ny anjara biriky nentinao ho fanarenana na fanasoavana ny tanindrazanao ? Maro mantsy ireo olona tafaresaka amin’ny tena no milaza fa vonona hanasoa ny ankohonany sy ny fianakaviana fa hatreo ihany satria tsy misy antenaina, hono, ny firenena.
Aza manao fitiavan-tanindrazan’ny taona roa arivo ka mitombo arakaraka ny vola voaray !!!
Popularity: 5% [?]
Rencontre d’Addis Abeba? …connais pas!
2 novembre 2009 by Mitiyu
Cette semaine, les yeux de ceux qui suivent les actualités politiques malgaches sont rivés vers la capitale éthiopienne. Qu’est-ce qui va se décider là-bas? Quels seront les changements majeurs ensuite, etc. Telles sont les quelques questions qu’on se pose dans le microcosme du gotha politique. Aller à Addis, est-ce que ce sera Maputo II bis?
Quoique, Addis Abeba, pour moi, connais pas…
Cette nième rencontre des mouvances (quatre ou cinq ou quoi?) entre eux, modérée et dirigée par une délégation de la communauté internationale, me fait plus penser à une parodie de la chanson « étoiles de neige » que les enfants de chez nous transforme en « Ento any Genèveeuhhh » c’est-à-dire « emmène à Genève ».
Mais voilà, malgré la neutralité historique de la Suisse, Genève est trop « Union Européenne » et comme le disait l’ancien président, la proximité conseille qu’un état africain héberge d’abord ce genre de rencontre.
A force de faire des blagues idiotes sur les éthiopiens, certains malgaches (pour ne pas dire tous) doivent remettre leur destin entre les mains de ceux qu’on doute qu’ils ne sont ni totalement désintéressés ni cupides – dans un endroit que certains considéraient comme aride, désert et stérile. Espérons juste que la délégation ne meurt pas de faim si le festin du jour est juste un grain de riz…
Quoique, Addis Abeba, connais pas,
Ce que nous connaissons tous actuellement à Antananarivo, ce sont les infractions répétitives, l’intolérance mutuelle, la grossièreté et l’indiscipline généralisé, accentué par la faim, le stress face à l’insécurité et l’instabilité, par l’inflation galopante, la dépréciation de l’Ariary, la rareté des devises (?) et ce malgré une bonne dose de communication de la part du ministre de tutelle, etc.
Nous connaissons aussi un degré de saleté et de pollution jamais connu dans la capitale qui entraîne des allergies et des maladies de tout genre et un peu partout. Il y a tellement de sacs en plastique, des morceaux de journal, quelques fois des bouteilles vides, des papiers d’emballage tachés d’huile et de boue, des traces d’huile moteur, des feuilles desséchées et tant d’autres qu’un être aux sens fragiles ne pourra supporter.
Nous connaissons aussi les pavés des rues qui sont enlevés ou qui s’enlèvent tout simplement, des panneaux de signalisation routière en aluminium qui disparaissent, des éléments d’infrastructure qui ont été volés (va voir du côté d’Anosibe, je ne serai pas étonné de retrouver les nids d’autruche et les cochons qui mangent dans les poubelles dans quelques temps si chacun ne prenne pas rapidement ses responsabilités et s’il n’y a pas de mesures draconiennes pour faire face à tel capharnaüm)
Nous connaissons aussi les différentes rumeurs concernant tel ou tel milliards qui sont allés dans la poche d’untel. Sans vraiment porter une sérieuse attention à ces rumeurs on se dit parfois qu’il n’y a pas de fumée sans feu…
Mais sincèrement, nous ne connaissons pas le contenu, l’ordre du jour, le calendrier détaillé (pour jouer le perfectionniste), l’objectif particulier et non global de cette enième rencontre.
Alors, à quand la prochaine rencontre? il faut en décider à Addis Abeba.
No TagsPopularity: 3% [?]



License