Nifarana tamin’ny alahady fahasivin’ny volana aogositra teo izany ny adilahy pôlitika teto amin’ny firenena. Ny fampiharana azy no asa fa raha ny fahazoana mazava ny atin’ny fifanarahana aloha dia vitsy dia vitsy ireo malagasy no mahafantatra izany na koa mahazo mazava ny vontoatiny.Manantena raMalagasy…Manantena filaminana aloha voalohany indrindra, mba samy handray ny andraikiny anie ireo tompon’andraikitra amin’izany.Manantena fiainana vaovao mba hihatsara hatrany koa. Tsy ho vizaky ny fiakaran’ny fidin’entana sy ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny lava izao.Manantena fa tsy handiso fanantenana toy ny teo aloha izay hitondra eo sy ireo mpanao pôlitika maro miady seza sy mitady voninahitra (ary harena) ireo fa mba tena HIKATSAKA NY SOA SY NY METY HO AN’ NY TANINDRAZANA.Manantena fa hitodika amin’ny rariny sy ny hitsiny ny firenena iray manontolo ka ny vahoaka ho lasa olom-banona ary ny mpitondra ho filamatra mba ho reherehan’ny rehetra.Manantena mba hisondrotra sy tena hahaleo tena tsy ho baikon’ny atsy na ny aroa ary hatanjaka lavitra noho ireo firenena madinika teo aloha ka lasa matanjaka sy atahoran’ny firenen-dehibe mahazatra.Fa ny tena antenaina dia ny mba atahoran’ny malagasy tsy an-kanavaka fa indrindra ireo mpitondra an’Andriamanitra lehibe. Ka tsy ho fitaovana pôlitika fotsiny no hitenitenenana an’Andriamanitra fa tena vokatry ny fo sy iainana tanteraka.Fitondrana laïka ny fitondrana malagasy, saingy ny sata mifehy dia manankin-doha amin’ilay Zanahary ao an-tampon’ny loha ka na inona fivavahana na firenam-pinoana dia samy Andriamanitra iray ao ambony avokoa no hivavahana ka sanantria tsy ny sampy intsony toy ny teo aloha no hitondra ity firenena ity fa tena ny fanahy soa sy mendrika.Manantena…