Somary nivezivezy nijery ny mety ho fivoaran’ny ara-toekarena sy varotra amin’ny ankapobeny ny tena dia mba somary miakatra ny moraly. Ny antony? Tsaratsara ratsy avokoa izay antontan’isa sy salan’isa misahana ny tolotra sy ny tinady, ny toe-karena ary ny kirakira ara-bola rehetra jerena maneran-tany. Raha ny resaka « bourse » aloha na dia mahafinaritra fa dia miakatra avokoa ny ankamaroan’ireo « titre » na « actions » izay nojerena. Raha raisina ohatra izao ny CAC40 dia nifarana tamin’ny fiakarana izy androany. Toraka izany koa ny Dow Jones, ny Nasdaq Comp. Ny somary nidina angamba dia ny « indice » Nikkei 225. Tsy dia tena ahafahana mitsapa ny hafanana rehetra moa ireo satria dia fiovana tao anatin’ny iray andro no nojerena. Saingy rehefa matetitetika toy ny niseho nandritra ny volana maro efa ho herintaona ny « indices » rehetra dia misento kely rehefa misy fiakarana toy izao.Somary tsy dia tiako loatra ito resaka « bourse » sy « marché boursier » ito satria dia tao anatin’ny telopolo taona izao dia toa ny loza sy ny krizy no betsaka navoakany noho ny soa. Saingy tsy ara-toe-karena kosa aloha fa eo amin’ny lafin’ny orinasa. Marina fa misy ifandraisany izany.Rehefa nanontaniana kosa ireo olona manana ny lanjany amin’ny resaka toe-karena manerana izao tontolo izao, dia milaza fa tsy maintsy mitandrina daholo ny rehetra mialohan’ny ahatongavan’ny enimbolana faharoan’ny taona 2010. Izany hoe, manerana izao tontolo izao izany dia mbola mipetraka foana ny frizy, ny fiakaran’ny tsy fisian’ny asa, ny fiakaran’ny vidim-piainana saingy any amin’ny tapany faharoan’ny taona 2010 any izany vao hisy fihatsarany.Raha ny eto Madagasikara no asian-teny dia tsapa fa somary nanavotra ny orinasa malagasy ihany no tsy mbola nisian’ny « marché boursier » sy ny « marché financier » teto amintsika na dia niezaka nametraka izany aza i Andriamatoa Christian RAMAROLAHY taona vitsivitsy lasa izay. Raha miandry kely angamba va ho mety amintsika eto izany fa raha roa na telo taona lasa mety sahirana noho izao avokoa ireo mpandraharaha.Somary ohatra ny miverina amin’ny laoniny ny fiainana amin’ny ankapobeny eto andrenivohitra raha tsy mamaky gazety sy mijery/mihaino vaovao ny rehetra. Misy ny menaka na dia tsy Ar2000 aza, misy ny mofo na dia vitsivitsy aza ny Ar200 sy ny lafarinina, misy ny dobera sy ny margarine na dia lafo aza izany ka tsy dia takatry ny vahoaka. Mbola misy ny solika na dia miakatra miakatra foana aza izany tsy araka ny voalaza volana vitsivitsy lasa izay. Milamindamin-dratsy ny tany na dia misy aza ireo vitsivitsy miezaka ny manakorontana. Ny rivotra iainana fotsiny no maloto sy mankarary manepotra sy mandatsa-dranomaso aza indraindray. Ny olona sasantsasany fotsiny no mandika lalana kely etsy sy eroa, sns. Azo atao hoe tsara noho izay nitranga volana maromaro lasa izay…