Ny ohabolana, hono rankizy, dia notsoahin’ireo ntaolo malagasy vontom-pahendrena ka namadika ho teny ireo zava-misy manodidina. Misy ny mbola afaka ampiharina amin’izao fotoana izao, toy ny ny hoe : « Mamono biby an-davaka ka ifoteran’ny rambony ». Afaka ampiharina amin’ny fiainana andavanandro sy ny resaka politika io amin’izao fotoana izao. Misy kosa ny toa sadasada manan-tsoratra tsy hay ampiharina, tsy hay akombona satria dia mahasadaikatra toy ny vay an-kandrina satria sady maharary no mahamenatra.Anisan’ireny ny miresaka ny soatoavina nananan’ny malagasy toy ny hoe :  » tanana havia sy havanana izay didi-maharary » na koa ny hoe « trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana »Amin’izao fotoana izao mantsy, ankoatra ny fahoriana mianjady amin’ireo fianakaviana akaiky, dia tsy dia hita soritra intsony ireo ohabolana roa ireo. Tsy dia azo tena ampiharina amin’ny vanim-potoana hiainana satria dia samy maka ho azy ny malagasy. Voaroba i anona? Any izany! voaraoka tamin’ny asany i Zefa? Voa izany! aza mba tratrany ihany…Ianao ve izao lany siramamy na menaka dia ho atsy atsimo hindrana, dia ho mino ve ianao fa hahazo tsy hisy romoromo na tsy arahina ompa na hahazo tsotra fotsiny izao?  Mainka izany fa hoe mitete ny tafonay fa aleo aloha izahay mba hanao vakansy haka sasatra aty aminareo. Ireo tonga tsy ampoizina amin’ny ora fisakafoana aza efa tsy fidiny. Nefa dia malagasy ny tena ka mba tsy haharatsy fihavanana dia miezaka ny manampy foana. Ohabolana iray vaovao tiana hozaraina aminao no nahatonga ny resaka ohabolana. Fantatra ny oha-pitenenana manao hoe « Misavasava vodin’akoho, ka raha tsy tay dia atody ». Miova izany amin’izao fotoana ka lasa hoe « Misavasava harona « sachet » raha tsy fako dia baomba »