Efa tsy vaovao ho an’ny olona eto Antananarivo angamba ny fisian’ny fivarotana maromaro tantanan’ny sinoa ka ahofa amin’ny malagasy ny ankamaroany. Tovovavy sy madama no betsaka hita miantsena na mijerijery entana izay mahasoa ao nefa dia misy betsaka ihany koa ny ho an’ny lehilahy. Ny tena manahirana dia ny fitadidiana ny magazay efa nolalovana sy ny tsy mbola nandalovana indrindra fa amin’ireo trano vaovao izay vao natsangana raha fantatra fa fivarotana karana no teny amin’izany fivarotana izany teo aloha. Miakatra, midina, mivily, misy midina any ambany tany izany dia tafavoaka any amin’ny toerana tsy ampoizina indraindray.Tsy dia matetika moa ny tena no mba mijerijery eny ka izay no nahatonga ny fahasahiranana kely saingy ny tena nanamarika dia ny fiovan’ny eo Soarano mizara mankeny amin’ny Ranomaimbo sy Tsiazotafo. Toa ohatra ny vao omaly mantsy no nisy ilay fivarotana iray an’ny « National » no may teo kanefa dia tsy hitahita dia lasa fivarotana sinoa no eo. dia gaga ny tena hoe fa lasa aiza ilay karana teo? Hay lasa etsy aloha kely etsy fa nahavita trano be volondoranjy. Rehefa noresahina aefa i « patrô » satria izany moa no fiantsoana ireny olona manana magazay be ireny dia nilaza izy fa efa nanana io trano be io izy tamin’ny nahamay ny fivarotana kelin’izy mirahalahy avy tetsy aloha kely tetsy ary asa na fifanandrifian-javatra na ahoana fa taloha kelin’ny nahamay ny fivarotana hono dia nasain’ny tompon-trano niala ry zareo fa ho alain’ny sinoa ny toerana.Tsetsatsatsa tsy aritra ihany iny fa ny tena tiana resahina aloha dia ireo zana-dàlana maromaro mahavery ao Behoririka ka tsara ihany raha misy ireny fanondroana toerana misy hoe « eto ianao » ireny. Misy mahasoa ihany ao fa mba mandalova e, izany hoe tsy dia miandry loatra ny entana haharitra akory ianao satria mbola ireny karazan’entana antonony na ambany ireny ny sasany fa tsy irony karazany vita sinoa hita any amin’ny tany mandroso tandrefana irony.