Ho an’izay monina sy mitoetra eto Madagasikara, indrindra fa amin’ireo renivohitra samihafa dia mahatsapa fa nisy fiovana be teto amin’ny firenena hatramin’izay nisian’ny korontana isan-karazany izay.

Mangatsiaka ny andro amin’izao, 10°C eo ho eo no miakatra sy midina. Tsy dia mangatsiaka izany ho an’ny tany hafa saingy raha eto anivon-tany dia henon’ny hoditra mifono taolan-dRamalagasy mahantra izany. Ny fiovana voalaza etsy ambony dia fiovana amin’ny ratsy raha tena zohina.

Miakatra ny solika, miakatra ny vidim-bary, miakatra ny haninkotrana sy ny voanemba, ny jiro sy rano izay nantenaina tena hidina ohatra ny tsy dia tsapa loatra amin’ny tena izy.

Ny fitanterana mikolay satria etsy an-daniny miakatra ny vidin-tsolika moa ny mpandeha sy ny mpamoaka vokatra nihena. Tsy maintsy mitady vahaolana amin’io dia lasa tsy maintsy mampiakatra ny saram-pitanterana satria ny kojakoja samihafa koa tsy maintsy vidina. Rehefa miakatra izany saram-pitanterana izany dia ireo mpamoaka vokatra tsy maintsy manampy izany fiakarana izany any amin’ny vidin’entana. Lafo ny entana dia mihena koa ny mpividy raha ohatra ka entana tsy voatery ilaina maika izany.

Ho an’ireo vahiny mandalo na tonga eto Antananarivo dia tsapan’izy ireo ny loton’ny rivotra sy ny ny fahasemporana noho izay loto sy fako etsy sy eroa izay. Marary ny maso, tsentsina ny orona, mikohokohoka avy eo. Efa manao izay afany ny ao amin’ny kaominina saingy tsy hita mivaingana izany : maloto foana ny lalana, ny mpivarotra samy manao izay saim-patany dia na ny soratra « Tsy azo ivarotana eto » aza lasa fiankinana

Raha mamaky ireo gazety mpivoaka isan’andro dia maro ireo mitantara ny fahantran’ny olona maro : idiran-trosa, fadiranovana fa mitady anio izay tokony ho anina omaly, mivezivezy mipenipenina etsy sy eroa miezaka mivarotra izay kely mba ananana mba ahafahana mamelona ireo ankohonana sy ireo menaky ny aina.

Na ireo manana anton’asa, mikarama na manana tsenam-barotra aza dia manontany tena : ho aiza ihany ity firenena? afaka firy volana, firy taona vao hiarina? Afaka firy taona vao ho dila izao nofy ratsy izao ka ho fahatsiarovana sisa? Mbola fanontaniana tsy misy valiny izany aloha hatreto satria na ireo nandromba fanjakana aza mbola tsy nahatsapana vokatra mivaingana ho fanatsarana ny firenena fa vao maika fandetehana sy ady seza no heno lava reny.

Mila vonjy Ramalagasy, mila antoka fa mbola tsy rendrika ity Madagasikara soa fa tsy sanatria ho lasa Madagasikaran-kisoa ka na ny tompony aza mety tsy hila azy intsony. Ireo izay mba mahitahita afaka mandeha dia miala ny firenena, misy filaharana lava reny eo anoloan’ny masoivohon’ny Lafrantsa reny malala, mampanontany tena : misy mbola be vola handehanana miala sasatra sa vadim-bazaha ka nampodiana sa manomana sahady fidiran’ny mpianatra amin’ny septambra? nefa dia toa olon-dehibe daholo fa tsy tanora akory izy reto. Iraka hamita asa any ivelany?

Dia ho gaga ve aho raha ho feno mpanjono tsy ara-dalàna ao amin’ny ranon’i Massay? Dia ho gaga ve aho raha midoladola avokoa ireo fiara eny amin’ny arabe ka tsy mampandeha haingana ny raharaham-pirenena satria mitavozavoza ohatra izay ihany koa ny fanaovan-draharaha eto amintsika? Dia ho gaga ve aho fa tsy manara-dalàna ny ankamaroan’ny olona noho izay gaboraraka sy tsy fanjakan’ny baroa izay?