Sadasada manan-tsoratra… tsy miady, tsy mikorontana, nefa tsy milamina, tsy lavo loha ny vahoaka. Rehefa mandinika amin’ny saina tsy miangatra dia toa misy filoha roa ny malagasy : ny filoha eto an-tanindrazana izay mametraka olona etsy sy eroa rehefa nahazo fahefana, ary ny filoha iraisam-pirenena izay raisin’ny firenena etsy sy eroa hitazonana ny fitondrana.

Fahefana sa Fitondrana?

Inona ny tsara manam-pahefana sa mpitondra? Raha ny fijeriko manokana dia aleo manam-pahefana na miasa any amin’ny takona tsy dia misy mahafantatra siangy misintona ireo tady rehetra mampihetsika ireo izay mitondra toy izay mitondra misy mibaikobaiko sy voafehifehin’ny atsinanana sy ny andrefana.

Tsy vao ela akory izay dia maro ireo milaza fa mitebiteby sy miady saina amin’ny fandriampahalemana saingy toa nangingina izany tato ho ato. Adino sa tena tsy misy. Raha fony vao herinandro vitsivitsy monja izay no tsy sahy mody tara ny tsirairay noho ny fahatahorana dia tsapa fa efa mivaha tsikelikely izany ankehitriny ka efa manomboka ahitana fiara sy olona maromaro ny arabe aorian’ny amin’ny valo ora alina.

Fa efa milamina ve ny tany sa ny fitadiavana mahazaka maniraka? y fitadiavana aloha rehefa tena tery sy kenda ny tena dia miezaka ny mivoatra ka atao ny fomba rehetra ahitana ny hanin-ko hanina na dia ifoforana ny ain’ny tena aza izany. Na ho an’ny zanaka io na ho an’ny fianakaviana sy ny ankohonana na ho an’ny tena fotsiny ihany.

Maro ny milaza fa mananontanona korontana ny mialohan’ny fetim-pirenena amin’ny 26 jiona; Misy kosa ny mampandre fa amin’ny volana aogositra izany vao hitranga. Amin’ny fomba ahoana moa no ahafantarany izany, Faminaniana sa misy tetik’ady voakononkonona any ho any?

Mamapalahelo fa ny alohan’ny fetim-pirenena na amin’ny volana aogositra dia midika fa mbola misy raha mikononkonona indray angamaba any ho any tsy mampilamin-tsaina ireo mpanara-baovao. Marina fa ireo izay tsy manaraka ny onjam-peo na fahita lavitra miresaka politika rano iray dia mahatsiaro fa efa milamina ny tany na farafaharatsiny milamindamina fa ireo mpanara-baovao kosa dia mbola mandry tsy lavo loha satria dia miandry ny hitsaharan’izao korontana rehetra izao.

Hanao ahoana ny vokatry ny fifampidinihina eny amin’ny Carlton? Hanao ahoana ny fanomanana ny fifidianana? hanao ahoana ny mety famotsoran-kelok’i Deba? Mety ho tafody ihany ve i dada ary mety ho foana ihany ve ny CNME? Be ireo fanontaniana mifamaofao ao an-dohan’ilay malagasy kely miandry izay hahasoa azy.

Ahoana ary no hilazana fa hoe milamina ny tany : manaiky resy ny andaniny mba ahafahan’ny ankilany miasa; sa mahazo fanjakana idray ny ankolafin-kery hafa ka mhakombom-bava ny sasany; sa ihany koa maty ireo mpitarika ka tapa-doha ilay biby dia tsy hanakorontana intsony? Asa, tsy tena fantatra mazava fa na ny filazana fa ho avy ny hery iraisam-pirenena handamina ny eto an-toerana aza dia efa mampihoron-koditra satria tany miady no tena ilana izany nefa ho an’izay tonga eto Madagasikara dia toa tsy misy hita mivantana ho misy izany ady izany.

Volana jiona, volan’ny ankizy sy ny tsipoapoaka. Voarara ny fanapoahana izany teo aloha, tamin’ity taona ity dia tsy nisy ny fanambarana na dia averina isan-taona aza izany karazana fanambarana izany. mety nisy angamba fa any amin’ireny haino aman-jery tsy misy mihaino tsy misy mijery ireny. Tsy fantatra izany! Dia efa zatra feom-basy tamin’ny grevy ny sofina ka tsy dia taitra firy intsony maheno tsipoapoka any lavitra rehetra any. Misy angamba ny mitsamboatra sy tapaka lalan-drà any an-kafa any fa dia izay koa no anisan’ny voka-dratsin’ny krizy.

Amin’ny septambra isika izany miezaka mijery todika izay filaminana izay fa raha izao aloha dia mety milaza mahita volana alohan’i Habib isika ka milaza mahita saka manatody.