Fomba fiteny taloha teto amintsika io fitenenana manao hoe  » na ho foana aza ny ala atsinanana… » io. Entina milaza zavatra iray tsy mety hitranga raha tsy misy tena sampona sy mahagaga mihitsy. Mifanakaiky amin’ilay fitenenana nadiaka avy amin’ny teny vahiny manao hoe « na haniry nify aza ny akoho… »

Amin’ity andro iraisam-pirenena  ho an’ny tontolo iainana ity dia tsy ho hay ny tsy hiresaka ny zava-misy eto amintsika. Ny « lavaka », ny « kere », ny « hain-tany », ny « tondra-drano », ny « rivo-doza », ny faharingananan’ny biby sy zavamaniry samihafa.

 Iza marina moa no nanam-po fa mety hihena be sy ho foana io alan’ny atsinanan’ny nosy io? Tsy nisy satria dia ala nikitroka ny teo tsy vao ela akory izay. Misy mila kitay, misy ny mila harina na saribao, misy ny manao tavy na ihany koa ny antsoina hoe fambolena azo avy amin’ny doro-tanety, ary misy ny mandoro tanety tsotra izao.

Nahafinaritra ery izany mahatsiaro ny filalaovana any anaty alan’i Mantasoa izany ka mifarana eo amoron-drano avy eo. Milalao dia very iray andro tontolo tao amin’ny valan-javaboahary tao Andasibe. Andasibe angamba sisa no mety mbola ahatsapana izany rehetra izany fa ny ambiny mety tsy dia ho toy izany intsony satria dia lasa ala kininina sy kesika fotsiny sisa ny ankamaroany.

Voalaza fa ny alan’ny Amazonie no havokavok’ity planeta tanintsika ity ka raha tsy mis intsony io ala io dia ho sahirana ny zanak’olombelona. Hita koa fa ny alan’atsinanana no havokavok’i Madagasikara. Raha natahorana handripaka ny rivo-doza tato ho ato dia toa tsy nahavanona na inona na inona, tsy maniry loza sanatria fa mba mitsinjo ihany koa ny rotsak’orana ilaina isan-taona.

Nankaiza izao ireo gidro? ireo sahona tsy fahita afa-tsy teto amintsika? nankaiza ireo lolo isan-karazany sy ireo biby tsy tambo isaina? Any tsimbazaza??? toa tena nihena be mihitsy ny isany sy ny karazany ka rehefa tsy eo intsony vao tsaroana ny fisiany taloha.

Raha ohatra ka tsy fantatsika ny ilana ny ala, tsy mba hitantsika ho mahafinaritra kosa ary ve ny mahita ireny ala sy ny harena afeniny? Miala ny renivohitra na ny tanàna dia makamaka aina eny amoron’ala no sady amoron-drano. Betsaka ny biby noho izany dia azo ekena ny fihazana sy ny fanjonoana ho fialam-boly.

Lazaina fa tsy azo avezivezy ny hazo. indrindra indrindra fa ireo karazany lafo vidy toa ny voamboana na palissandre, sns. Nefa dia misy ireo manam-pahefana na mahita atao no fantatra fa mbola maka izany sy manondrana azy etsy Maorisy na any Sina. Ireo mba atonontonony te hividy hazo hatao fanaka na hatao gorodona na hatao tafo dia tsy afaka fa voarara, hono. Misy lalàna mandringa izany sa misy ny ambonin’ny lalàna eto Madagasikara.

Tamin’ity krizy ity izao dia heno fa misy ireo mikatsaka ny hanondrana 3000 ka hatramin’ny 5000 taonina « bois de rose » any amin’ireo sinoa ka ny fifanarahana sisa andrasana. Avy aiza avy ireo hazo ilaina haondrana ireo? Mila valiny…

Rehefa tonga ny fotoana fambolen-kazo dia toa lasa fitsangatsanganana no betsaka fa vitsy ireo izay tena mba mamboly amin’ny ara-dalàna ka mahavanona ny voliny rehefa mba miverina herintaona na roa taona aty aoriana. Rehefa mamboly hazo mantsy dia ny mpanao gazety no tsy maintsy atao mahita ilay iray na roa mba napetraka tao anaty lavaka ka rehefa azo ny sary dia lasa mamoaka « rano mafana » mba ho soa ny fiarahana.

Efa azonao an-tsaina ve i Madagasikara lasa tany efitra, tsy misy afa-tsy fasika mivangongo (mba tsy ilazana hoe fako mivangongo) toy ny any Sahara, na tsy mijery lavitra fa ao atsimotsimo andrefana ao Sarodrano ao? Loza raha izany no tanteraka. Miova ny toetr’andro, folo taona sisa raha be indrindra isika no afaka manarina izany trangan-javatra izany.

Dinidiniho, eritrereto ary aparitaho izay tokony atao.