Langue (Fr)

Madagasikara, ho ahy, ho anao

Tsarovy sy mba tadidio : Malagasy anie ianao…

Ohatra ny tsaroana toy ny vao omaly izany hira izany no nohiraina sy noventesina. Feom-baliha manakoaka, feo malagasy mahavelom-bolo, aoka fotsiny … tsy misy ohatra izany. Ary io ilay karana mozika sy hira mahalasa adala rehefa lavitra ny vohidrazana sy ny tanindrazana ny tena.

Ankehitriny dia tsapa fa mihamaro ireo malagasy izay afaka no miezaka mitady ravin’ahitra miala an’i Madagasikara noho ny korontana sy tsy fahatomombanana misy ankehitriny. Raha ny eto an-drenivohitra no resahina dia manahirana ohatra ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpivarotra izay mitady ny hanin-ko hanina eny ampovoan-dalana manaraka iny lalana mankany Tsiazotafo avy eo Soarano mankany Behoririka iny.

Manahirana toy izany ihany koa ireo olona mijanona miresaka eny ampovoan’ny arabe na ireo miampita eny rehetra eny ka mety hampitohana ny fifamoivoizana raha sanatria misy loza. Manahirana ihany koa ireo olona manao maloto eny rehetra eny satria potika sy simba ireo toerana fidiovana napetraky ny fitondrana. Maimbo ny tanàna mantsina ny sisin-dalana ary ny mpangataka dia manao ny ataony eny rehetra eny. Ny fako moa na dia misy ihany aza ny ezaka dia mbola hita misavovona eny rehetra eny. Ny dabam-pako tsy azo hanantonana akaiky fa tena mamofona aoka izany.

Mandreraka ihany koa ny resaka « ory hava-manana » ka mahatonga ny tsy manana manimba ny fananan’ny hafa ary mahatonga ny misy atao hanambany ny mahantra. Maloto ny rindrina eny amoron-dalana, vakivaky, feno soratsoratra hafahafa.

Etsy an-daniny, misy ireo mahitahita noho ny tsy rariny sy ny tsy mety. Nijanona amin’ny toerany i ranona satria nanome vola sy karazana fanomezana lafo vidy an’i ranona sy i ranona. Mampiditra entana moramora fotsiny tsy mandalo ny làlana tokony ho amin’izany ny sasany. Tonga ireo manampahefana sy ireo jiolahy mampihorohoro sy mampitahotra ka maka ny fananan’ny sasany tsy maharo tena. sns. Lasa fanjakan’ny baroa sy tsy misy saina ilay firenena natao tsy handohalika teo aloha.

Taloha ny tena dia afaka nirehareha ny malagasy ny tena, afa-tsy ny resaka baolina kitra fotsiny angamba no somary nahamenatra. Ankehitriny raha vao miresaka Madagasikara na fiaraha-monina malagasy dia sahirana mafy mitady ireo endritra sy soatoavina kanto sy nampirehareha taloha. Afrikana ny malagasy saingy tsy dia nino loatra izany ny tena raha tsy niaina izao zava-misy rehetra izao. nieritreritra foana fa tatsinanana isika malagasy ka mandala ny fitsipi-pifehezana sy ny dinam-piaraha-monina. Saingy indrisy…

« Madagasikarako milamina, tsy misy gidragidra, …isaorako Ny Avo indrindra » hoy ilay hira iray izay. Teo aloha teo dia marina izany saingy amin’izao fotoana izao dia mila miara-mientana ny vahoaka rehetra mamerina izay filaminana izay satria dia misy ireo andian’olona tonga any an-tokantrano na fiasana rehetra any ka manao hasomparana amin’ny fananan’ny hafa; Mampalahelo…

Madagasikara ho ahy ho anao… efa saika nampiroaroa saina efa saika nialàna kanefa dia an’ny tena foana io na ratsy na tsara ka aleo katsahina izay tsara azo atao ho azy. Mila fanadiovana ara-panahy, mila fanadiovana ara-tsaina, mila fanadiovana ara-pomba sy fahalalàna ary indrindra indrindra ara-piaraha-monina ny eto Madagasikara. Tsy iza fa isika ireto ihany no hanao izany fa tsy hiandry ny vahiny foana akory. Raha tsy izany dia loza eto foana ny mahazo.

J'aime ma patrie et je souhaite le bien des malagasy

12 commentaires

  • Aiky

    Mbola sarotra sy lavitra ny lalana. Mila fihavaozana tanteraka isika fa fanavaozana amin’ny fomba ahoana? dia aiza dia mankaiza? asa loatra fa avy amin’ny tsirairay izany rehetra izany no tokony hiainga ka samy manaparitaka izay soa amin’ny manodidina azy.

  • fify

    tena mahonena tokoa ny mijery ny pirabelona sasany aketriny asa na nohony fahasarotany fianana dila loatra ? diso fanatenana aho; ianao; izy, isika sa izireo?toizany foana madava toana satria isakiny mifidy pitondra dia manatena zava-baovao fianana vaovao ny fisiany asa hoan’ni rehetra ny fihenambidy ny zavatra ilaina andavandro ny mba hisiany hopitaly fitsaboana isaky faritra ny fampitomboana ny vokatra, fahavaratra lava ny akamaroany ry havana pamboly na dia miasa madavataona aza tsy ririna tsy fahavaratra fa de; fa dia zara raha misy amidy sira sy savony isakerindro tsy ireo tantsaha ihany anefa fa ireto olona marobe tsimitsahatra mitolona isaky ny misy fanaraina etsy anakely ny akamaroan’iz

  • fify

    tohiny ny akamaroan’izireo mazava hoazy fa dia olona sahirana avokoa maro dia maro izireo isak’iny misy ny tolona kanefa dia mino aho mbola maro be ihany koa ireo tsy tonga eny maneo ny etaetany ;eny izany rehetra izany dia maha te hilaza ahy hoe tena efa tafiditra tanteraka ao antsainy tsirairay tokoa ve ny faoriana mianjady alohany filaharana eny izany hoe tena efa nadinika tsara daholo ve ireo olona sepotr’i ny filaharana ireo ;hoe ny fiovana mivatana no ilaina fatsy honono maha bekibo fo itsony: isika no mametraka azireo eo hitanana izany hoe tsy hameno paosy sy hamoky tena fotsiny fa hisa mafy hony vaoka rehefa te hahazo seza rizareo dia mahay mamahana kely dia kely hoan’ireo tena efa tsy manakery najary naony sasany fitaovanam-piakarana fotsiny dia toizany foana ;;; nohon’izany zoantsina ny mibaiko piasambaoka ny filoha sa ahoana hoy ianero,,?tsy haiko na tena tsy ampy fahaizana aminy lafiny rehetra izany pitondra eo fa dia mihemotra adro amanalina isika tena marina mihitsy ny lahatsoratr’ilay namana etsy amobony milaza hoe folo taona sisa raha,, misy hiavotana kely finoana anefa aho;amiko tena efa tsy avotra itsny ity tany malantsika ity sy ny olony mapalahelo madratra fo tokoe kanefa ny be sandry isankrazany no manjaka na dia eo aza ny fimbonkevitr’ireo olona maro samy tena andoalika ity ny ranombary hoy ny fitenenana ; mahatratra amaliny maro ireo very asa akoatrireo tsy hary naita asa teo aloha mitolefika i madagasikara iaraha malala mba miorokoditra aho fa tsy hitanareo ireo tsimanana moa dia izay ny aminy hoy ny( fiteniny;tanora)ireo mbola manana jamba be ireo mbola hoavy ny torin’izireo satria rehefa tena tsimisy arapaka itsony ireny pindry ny rariny dia tsimaintsy hanokatra ny vilanin’izay mbola misy mazava hoazy hotran’ireny efa nanomboka teo ireny iza moa no nahasakana rehefa tena tonga tokoa ny koa dia ny patsa iray aza tsy omby vava oh;;;io iza no hiritr’i ny hanoanana eo tsy mizara ireo bekibo tia kely ireo rehefa samy mihenahena eo daholo ;dadidio fa raha misy olona roa miaraka ka hiazakazaka ka iray noana ny ampy toana iza no haharesy? kanefa samy te haharesy noho izany inona no hevitra ny fifampizarana ny rehetra milefa ny fitiavatena mapiseo fandavatena mila mahay mizara ny rehetra ka miatomboka aminy fandinihana lalina be ny hatsarapanahy ampoho madio ianero ampy tohina no tokony handetra voalony satria efa tara lohatra ny hanitsy iretsy efa tena trotrakiny fianana efa niana ela loatra tao,anaty ny faorina sy gidragidra ireo sahirana ka tsy hanana fo tony sy norma; hoatrini anareo bekibo ireo izao izay manana dia misitaka ny ;manalavitra dia ireo tsy topotany fahavalo taloha indray no mitoto manampy tena feno henatra( i gasikara mandringa tongombavivaky ka sady mametra no marary )izao na asa mamafa maloto aza tsy misy itsny andraisakarama ,ay ka manao asa afa ireto avana malala sahirana marobe ny kibo hono tsy mba lamosina ka aza adino fa tena zavadehibe aminy maha olona io an any majaka akehitriny ny ;;; vakitrano magasin ny aropaosy ny fandratrana rehefa tsy mahazo ny alatr’omby moa tsy lazaia itsony izao na ny lonilony hoan’ireo mbola manakarapaka aza ny efa mahatonga ny sasany hanapitraina asa alohae honareo izay afaka mahatsapa ny tiako hodradradraina manatena tsiminy hono ny sarotra fa raha mba ren’ireo mpirabelona amiko mantsy ny faniriko ny fiovana malaky raha misy miracle amen

  • ely

    Madagasikara, nosy malalatsika,ny fitiavan-tanindrazana no tokony hisy voalohany avy mande ho azy ny retraretra.
    Il nous faut un école de citoyen

  • ely

    Aza manana toetra manilika ny hadisoana sy ny tsy fandraisana andraikitra amin’ny hafa foana fa manàna fandinihantena lalina, sy fahaizana mandray andraikitra hanasoavana ny tenanao sy ny olona mpiray tanindrazana

  • balita

    Manaho ahoana daholo,

    Mbola tadidiko tamin’izay mbola nianatra dia nianatra ny tononkalo hoe « Eny hoa ra Malagasy », ça résume tout ce que nous étions et ce que nous sommes devenus.

  • Rondro

    :))))

    Eny hoy aho Ramalagasy
    Malagasy be fivoarana,
    Tsara haingo, tsara vatsy,
    Tsara sampy, tsara anarana.
    Izato fihetsiketsikao e !
    Izato fomba amam-piteny,
    Ianao no tena “Malagasy” fa tsy ireny Ntaolo ireny

  • Mitiyu

    Tena mahalasa saina io tonokalo navoakanareo io na dia efa ela dia ela tokoa aza, na dia saika tsy tsaroana.

    Mampahatsiahy ahy ilay adihevitra hoe ahoana marina moa izany ny fitafin-draMalagasy? Salaka? Landy? Satrobory? Sarotro? Malabary? Kapa kodiarana fingotra? Lamba be itafiana?

    Sa afaka mba atao moderna kely hoe palitao sy kravato dia mba mody misalotra lamba na misatroka tsihy (izay hita any ivelany koa)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.