Cherchez l’intrus…

16 juin 2009 by Mitiyu  

A Antananarivo,

-          les marchands ambulants ouvrent leurs étalages mobiles sur les trottoirs (Soarano, Behoririka, Besarety, Anosibe) et sur les pistes cyclables (le long et de part et d’autre d’Anosibe)

-          les cyclistes roulent sur les voies rapides (toujours à Anosibe)

-          les routes de trois voies deviennent des rues à une voie (toujours à Behoririka et Soarano, en particulier à l’approche des festivités nationales)

-          les passants discutent au milieu de la route et au milieu des passages zebrés (Avenue de l’indépendance et ailleurs)

-          les mécaniciens étendent leur atelier et garage sur les trottoirs des rues à grandes fréquentations et au milieu de la route (cas des nouveaux magasins chinois revendeurs de moto du côté d’Andrefan’Ambohijanahary, cas des magasins indopakistanais du côté de Tsaralalàna qui assemblent leurs vélos en pièces détachés, cas des garages de Besarety, Andraisoro, Nanisana, …)

-          les feux tricolores? une génération croit que le peu qui reste à Andohan’Analakely sert de décoration urbaine et beaucoup pense que les feux carrés temporaires de 67ha sont des lumières pour faire joli

-          les taxis be pensent que leur arrêt obligatoire doit occuper une voie entière (Analamahitsy, Ambohijatovo, Anosy, …) et que leurs chauffeurs ont tous les droits et peuvent gueuler sur ceux qui hasardent de leur lancer quelques remarques

-          les urnes transparentes ne le sont pas assez et pour éviter toute fraude électorale mieux vaut prendre le pouvoir dans la rue, telle est la démocratie malgache

-          les taxis ont le droit de caler un peu partout et d’être en panne sèche au beau milieu des carrefours à très grandes fréquentations, ils peuvent aussi rouler à 5km/h en faible pente le moteur coupé

-          les riverains des bas quartiers et des quartiers mal famés jettent leur eau sale et usagée sur le goudron des rues récemment rafistolées et qui ne contiennent même pas de canalisation

-          les grosses 4×4 arpentent les rues “ornées” de nids de poule et d’autruche, normal souvent l’administration les achètent avec l’argent des contribuables

-          les patrons expatriés sont payés plus de 30 fois le salaire des patrons malgaches et 1000 fois le salaire d’un ouvrier dans une entreprise franche sans compter certains avantages

-          un jeune du bas quartier n’a pas de travail et arrive mal à rejoindre les deux bouts, il pratique les arts martiaux pour mieux s’en sortir mais n’intègre pas les société de sécurité car elles paient moins que le cambriolage ou le grand banditisme

-          un haut fonctionnaire est prêt à payer les hommes forts du moment pour retrouver son ancien poste

-          quelques patrons possèdent leur propre force de sécurité bien armée pour faire face à un éventuel racket

-          les enfants jouent à la déstabilisation politique pendant la récré…

 

Efa milamina ve ny tany?

9 juin 2009 by Mitiyu  

Sadasada manan-tsoratra… tsy miady, tsy mikorontana, nefa tsy milamina, tsy lavo loha ny vahoaka. Rehefa mandinika amin’ny saina tsy miangatra dia toa misy filoha roa ny malagasy : ny filoha eto an-tanindrazana izay mametraka olona etsy sy eroa rehefa nahazo fahefana, ary ny filoha iraisam-pirenena izay raisin’ny firenena etsy sy eroa hitazonana ny fitondrana.

Fahefana sa Fitondrana?

Inona ny tsara manam-pahefana sa mpitondra? Raha ny fijeriko manokana dia aleo manam-pahefana na miasa any amin’ny takona tsy dia misy mahafantatra siangy misintona ireo tady rehetra mampihetsika ireo izay mitondra toy izay mitondra misy mibaikobaiko sy voafehifehin’ny atsinanana sy ny andrefana.

Tsy vao ela akory izay dia maro ireo milaza fa mitebiteby sy miady saina amin’ny fandriampahalemana saingy toa nangingina izany tato ho ato. Adino sa tena tsy misy. Raha fony vao herinandro vitsivitsy monja izay no tsy sahy mody tara ny tsirairay noho ny fahatahorana dia tsapa fa efa mivaha tsikelikely izany ankehitriny ka efa manomboka ahitana fiara sy olona maromaro ny arabe aorian’ny amin’ny valo ora alina.

Fa efa milamina ve ny tany sa ny fitadiavana mahazaka maniraka? y fitadiavana aloha rehefa tena tery sy kenda ny tena dia miezaka ny mivoatra ka atao ny fomba rehetra ahitana ny hanin-ko hanina na dia ifoforana ny ain’ny tena aza izany. Na ho an’ny zanaka io na ho an’ny fianakaviana sy ny ankohonana na ho an’ny tena fotsiny ihany.

Maro ny milaza fa mananontanona korontana ny mialohan’ny fetim-pirenena amin’ny 26 jiona; Misy kosa ny mampandre fa amin’ny volana aogositra izany vao hitranga. Amin’ny fomba ahoana moa no ahafantarany izany, Faminaniana sa misy tetik’ady voakononkonona any ho any?

Mamapalahelo fa ny alohan’ny fetim-pirenena na amin’ny volana aogositra dia midika fa mbola misy raha mikononkonona indray angamaba any ho any tsy mampilamin-tsaina ireo mpanara-baovao. Marina fa ireo izay tsy manaraka ny onjam-peo na fahita lavitra miresaka politika rano iray dia mahatsiaro fa efa milamina ny tany na farafaharatsiny milamindamina fa ireo mpanara-baovao kosa dia mbola mandry tsy lavo loha satria dia miandry ny hitsaharan’izao korontana rehetra izao.

Hanao ahoana ny vokatry ny fifampidinihina eny amin’ny Carlton? Hanao ahoana ny fanomanana ny fifidianana? hanao ahoana ny mety famotsoran-kelok’i Deba? Mety ho tafody ihany ve i dada ary mety ho foana ihany ve ny CNME? Be ireo fanontaniana mifamaofao ao an-dohan’ilay malagasy kely miandry izay hahasoa azy.

Ahoana ary no hilazana fa hoe milamina ny tany : manaiky resy ny andaniny mba ahafahan’ny ankilany miasa; sa mahazo fanjakana idray ny ankolafin-kery hafa ka mhakombom-bava ny sasany; sa ihany koa maty ireo mpitarika ka tapa-doha ilay biby dia tsy hanakorontana intsony? Asa, tsy tena fantatra mazava fa na ny filazana fa ho avy ny hery iraisam-pirenena handamina ny eto an-toerana aza dia efa mampihoron-koditra satria tany miady no tena ilana izany nefa ho an’izay tonga eto Madagasikara dia toa tsy misy hita mivantana ho misy izany ady izany.

Volana jiona, volan’ny ankizy sy ny tsipoapoaka. Voarara ny fanapoahana izany teo aloha, tamin’ity taona ity dia tsy nisy ny fanambarana na dia averina isan-taona aza izany karazana fanambarana izany. mety nisy angamba fa any amin’ireny haino aman-jery tsy misy mihaino tsy misy mijery ireny. Tsy fantatra izany! Dia efa zatra feom-basy tamin’ny grevy ny sofina ka tsy dia taitra firy intsony maheno tsipoapoka any lavitra rehetra any. Misy angamba ny mitsamboatra sy tapaka lalan-drà any an-kafa any fa dia izay koa no anisan’ny voka-dratsin’ny krizy.

Amin’ny septambra isika izany miezaka mijery todika izay filaminana izay fa raha izao aloha dia mety milaza mahita volana alohan’i Habib isika ka milaza mahita saka manatody.

Na ho foana aza ny ala atsinanana…

5 juin 2009 by Mitiyu  

Fomba fiteny taloha teto amintsika io fitenenana manao hoe ” na ho foana aza ny ala atsinanana…” io. Entina milaza zavatra iray tsy mety hitranga raha tsy misy tena sampona sy mahagaga mihitsy. Mifanakaiky amin’ilay fitenenana nadiaka avy amin’ny teny vahiny manao hoe “na haniry nify aza ny akoho…”

Amin’ity andro iraisam-pirenena  ho an’ny tontolo iainana ity dia tsy ho hay ny tsy hiresaka ny zava-misy eto amintsika. Ny “lavaka”, ny “kere”, ny “hain-tany”, ny “tondra-drano”, ny “rivo-doza”, ny faharingananan’ny biby sy zavamaniry samihafa.

 Iza marina moa no nanam-po fa mety hihena be sy ho foana io alan’ny atsinanan’ny nosy io? Tsy nisy satria dia ala nikitroka ny teo tsy vao ela akory izay. Misy mila kitay, misy ny mila harina na saribao, misy ny manao tavy na ihany koa ny antsoina hoe fambolena azo avy amin’ny doro-tanety, ary misy ny mandoro tanety tsotra izao.

Nahafinaritra ery izany mahatsiaro ny filalaovana any anaty alan’i Mantasoa izany ka mifarana eo amoron-drano avy eo. Milalao dia very iray andro tontolo tao amin’ny valan-javaboahary tao Andasibe. Andasibe angamba sisa no mety mbola ahatsapana izany rehetra izany fa ny ambiny mety tsy dia ho toy izany intsony satria dia lasa ala kininina sy kesika fotsiny sisa ny ankamaroany.

Voalaza fa ny alan’ny Amazonie no havokavok’ity planeta tanintsika ity ka raha tsy mis intsony io ala io dia ho sahirana ny zanak’olombelona. Hita koa fa ny alan’atsinanana no havokavok’i Madagasikara. Raha natahorana handripaka ny rivo-doza tato ho ato dia toa tsy nahavanona na inona na inona, tsy maniry loza sanatria fa mba mitsinjo ihany koa ny rotsak’orana ilaina isan-taona.

Nankaiza izao ireo gidro? ireo sahona tsy fahita afa-tsy teto amintsika? nankaiza ireo lolo isan-karazany sy ireo biby tsy tambo isaina? Any tsimbazaza??? toa tena nihena be mihitsy ny isany sy ny karazany ka rehefa tsy eo intsony vao tsaroana ny fisiany taloha.

Raha ohatra ka tsy fantatsika ny ilana ny ala, tsy mba hitantsika ho mahafinaritra kosa ary ve ny mahita ireny ala sy ny harena afeniny? Miala ny renivohitra na ny tanàna dia makamaka aina eny amoron’ala no sady amoron-drano. Betsaka ny biby noho izany dia azo ekena ny fihazana sy ny fanjonoana ho fialam-boly.

Lazaina fa tsy azo avezivezy ny hazo. indrindra indrindra fa ireo karazany lafo vidy toa ny voamboana na palissandre, sns. Nefa dia misy ireo manam-pahefana na mahita atao no fantatra fa mbola maka izany sy manondrana azy etsy Maorisy na any Sina. Ireo mba atonontonony te hividy hazo hatao fanaka na hatao gorodona na hatao tafo dia tsy afaka fa voarara, hono. Misy lalàna mandringa izany sa misy ny ambonin’ny lalàna eto Madagasikara.

Tamin’ity krizy ity izao dia heno fa misy ireo mikatsaka ny hanondrana 3000 ka hatramin’ny 5000 taonina “bois de rose” any amin’ireo sinoa ka ny fifanarahana sisa andrasana. Avy aiza avy ireo hazo ilaina haondrana ireo? Mila valiny…

Rehefa tonga ny fotoana fambolen-kazo dia toa lasa fitsangatsanganana no betsaka fa vitsy ireo izay tena mba mamboly amin’ny ara-dalàna ka mahavanona ny voliny rehefa mba miverina herintaona na roa taona aty aoriana. Rehefa mamboly hazo mantsy dia ny mpanao gazety no tsy maintsy atao mahita ilay iray na roa mba napetraka tao anaty lavaka ka rehefa azo ny sary dia lasa mamoaka “rano mafana” mba ho soa ny fiarahana.

Efa azonao an-tsaina ve i Madagasikara lasa tany efitra, tsy misy afa-tsy fasika mivangongo (mba tsy ilazana hoe fako mivangongo) toy ny any Sahara, na tsy mijery lavitra fa ao atsimotsimo andrefana ao Sarodrano ao? Loza raha izany no tanteraka. Miova ny toetr’andro, folo taona sisa raha be indrindra isika no afaka manarina izany trangan-javatra izany.

Dinidiniho, eritrereto ary aparitaho izay tokony atao.

, ,

Mba ataovy teny malagasy ahay hoe…

4 juin 2009 by Mitiyu  

ho an’ireo izay eto Antananarivo dia nahatsikaritra tato ho ato horonan-tsary fohy maneho saina malagasy eo amin’ny ankavia ary sary matso nataon’ny miaramila malagasy teo Mahamasina ny tapany ankavanana. Ny feo manaraka izany rehetra izany dia natao tamin’ny teny frantsay. toa santionany nalaina tamin’ny sarimihetsika angaha…

Dia lasa ny saina : fa dia nahoana loatra raha fetim-pirenena sy fetin’ny fahaleovan-tena no tiana hisintonana ny saina no natao amin’ny teny vahiny izy ity? Moa ve ianareo efa nankany Hong Kong ohatra ka misy zavatra ohatra izany dia atao amin’ny teny anglisy, na tany frantsa ka misy zavatra toy izany dia atao amin’ny teny latina na italiana? asa, tsy haiko!!! fa raha ity zavatra miseho amin’ny fahitalavitra ity aloha dia mahasorena na ny mieritreritra azy indrindra amin’izao vanim-potoana hlazana fa ny frantsay no ambadik’izao rehetra mitranga izao…

Tsy hoe fitiavana ireo frantsay sanatria fa mba rehareha maha-malagasy fotsiny ihany, ka toy ny mason-tsinoa ka izay kely anananana no arangaranga dia tsy inona fa ny teny malagasy izany.

(…) Rehefa manatrika fanazavana ara-tsiantifika na fivoriana isankarazany eto Madagasikara dia mbola sahirana ihany raha miezaka manazava hevitra na resaka teknika amin’ny teny malagasy. Sahirana, tena sahirana! Tadidiko tamin’ny laza adin’ny fanadinana matematika sy fizika tamin’ny bakalorea dia nasaina nisafidy ny tenin’ny laza adina, na frantsay na malagasy (mbola tsy nisy tao amin’ny lalampanorenana ny teny anglisy tamin’izany) fa niezaka namaky ilay laza adina tamin’ny teny malagasy fa tsy nahazo na inona na inona afa-tsy ny hadiry sy velarana monja angamba?! Fanina, tena fanina…

Raha mijery ny tantaran’ny literatiora malagasy dia mahita fa nisy andiam-potoana maromaro “nitady ny very”. Asa na hita ihany ny very na tsia fa ny fantatra aloha dia adino teo ilay fanagasiana. Asa izay mety eritreretini E.D. Andriamalala raha mitazana sy mahita izy…

Resaka “tsangantsainan’ny Andriana” no saika horesahina tato saingy nahita ilay horonan-tsary fohy io tamin’ny fahitalavitra dia lasa niova ny resaka.

Saika nokarakaraina tany Ambilobe tokoa mantsy ny fivorian’ny Ampanjaka sy ireo taranak’Andriana mbola velona sy manjaka na tsy manjaka amin’izao fotoana izao. Saingy olona roa no miady laka ao Ankarabe ka tsy mbola maharaikitra izany. Hay tokoa moa mbola misy ampanjaka miady seza any rehetra any? Ka ho zarazaraina indray ary ity gasikara sa dia aiza ho aiza ny toeran’ireto ampanjaka raha jerena amin’ny rafitra misy amin’izao fotoana?

Ny tena mety aloha ho an’ireo Ampanjaka izay te-hampanjaka ny fahefany amin’ny maha mpanjaka azy dia ny miezaka ho lehiben’ny faritra dia mandeha ho azy ny ambiny avy eo… vazivazy ka atao fa mety ho vahaolona koa aloha izany e. Andramo anie e.

Tsy ho gaga aho raha indray andro any misy hampahafantatra ahy olona iray ka hilaza hoe : izy no mpanjakan’Ambodin’isotry sy Anjanomanalina. Asa, mety efa misy izany fa tsy fantatra.

, , , ,

Madagasikara, ho ahy, ho anao

4 juin 2009 by Mitiyu  

Tsarovy sy mba tadidio : Malagasy anie ianao…

Ohatra ny tsaroana toy ny vao omaly izany hira izany no nohiraina sy noventesina. Feom-baliha manakoaka, feo malagasy mahavelom-bolo, aoka fotsiny … tsy misy ohatra izany. Ary io ilay karana mozika sy hira mahalasa adala rehefa lavitra ny vohidrazana sy ny tanindrazana ny tena.

Ankehitriny dia tsapa fa mihamaro ireo malagasy izay afaka no miezaka mitady ravin’ahitra miala an’i Madagasikara noho ny korontana sy tsy fahatomombanana misy ankehitriny. Raha ny eto an-drenivohitra no resahina dia manahirana ohatra ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpivarotra izay mitady ny hanin-ko hanina eny ampovoan-dalana manaraka iny lalana mankany Tsiazotafo avy eo Soarano mankany Behoririka iny.

Manahirana toy izany ihany koa ireo olona mijanona miresaka eny ampovoan’ny arabe na ireo miampita eny rehetra eny ka mety hampitohana ny fifamoivoizana raha sanatria misy loza. Manahirana ihany koa ireo olona manao maloto eny rehetra eny satria potika sy simba ireo toerana fidiovana napetraky ny fitondrana. Maimbo ny tanàna mantsina ny sisin-dalana ary ny mpangataka dia manao ny ataony eny rehetra eny. Ny fako moa na dia misy ihany aza ny ezaka dia mbola hita misavovona eny rehetra eny. Ny dabam-pako tsy azo hanantonana akaiky fa tena mamofona aoka izany.

Mandreraka ihany koa ny resaka “ory hava-manana” ka mahatonga ny tsy manana manimba ny fananan’ny hafa ary mahatonga ny misy atao hanambany ny mahantra. Maloto ny rindrina eny amoron-dalana, vakivaky, feno soratsoratra hafahafa.

Etsy an-daniny, misy ireo mahitahita noho ny tsy rariny sy ny tsy mety. Nijanona amin’ny toerany i ranona satria nanome vola sy karazana fanomezana lafo vidy an’i ranona sy i ranona. Mampiditra entana moramora fotsiny tsy mandalo ny làlana tokony ho amin’izany ny sasany. Tonga ireo manampahefana sy ireo jiolahy mampihorohoro sy mampitahotra ka maka ny fananan’ny sasany tsy maharo tena. sns. Lasa fanjakan’ny baroa sy tsy misy saina ilay firenena natao tsy handohalika teo aloha.

Taloha ny tena dia afaka nirehareha ny malagasy ny tena, afa-tsy ny resaka baolina kitra fotsiny angamba no somary nahamenatra. Ankehitriny raha vao miresaka Madagasikara na fiaraha-monina malagasy dia sahirana mafy mitady ireo endritra sy soatoavina kanto sy nampirehareha taloha. Afrikana ny malagasy saingy tsy dia nino loatra izany ny tena raha tsy niaina izao zava-misy rehetra izao. nieritreritra foana fa tatsinanana isika malagasy ka mandala ny fitsipi-pifehezana sy ny dinam-piaraha-monina. Saingy indrisy…

“Madagasikarako milamina, tsy misy gidragidra, …isaorako Ny Avo indrindra” hoy ilay hira iray izay. Teo aloha teo dia marina izany saingy amin’izao fotoana izao dia mila miara-mientana ny vahoaka rehetra mamerina izay filaminana izay satria dia misy ireo andian’olona tonga any an-tokantrano na fiasana rehetra any ka manao hasomparana amin’ny fananan’ny hafa; Mampalahelo…

Madagasikara ho ahy ho anao… efa saika nampiroaroa saina efa saika nialàna kanefa dia an’ny tena foana io na ratsy na tsara ka aleo katsahina izay tsara azo atao ho azy. Mila fanadiovana ara-panahy, mila fanadiovana ara-tsaina, mila fanadiovana ara-pomba sy fahalalàna ary indrindra indrindra ara-piaraha-monina ny eto Madagasikara. Tsy iza fa isika ireto ihany no hanao izany fa tsy hiandry ny vahiny foana akory. Raha tsy izany dia loza eto foana ny mahazo.

No Tags

Alerte à la planche à billet !

3 juin 2009 by Mitiyu  

L’interview de Ralison Roger sur la RNM est quelque peu d’un ton alarmant. L’inconscience de la population malgache est actuellement en train de subir un message subliminal en vue d’accepter l’impression de nouveaux billets de banques.

Chacun veut avoir sa photo sur un billet de banque, la plus grosse valeur de préférence. Chaque régime, chaque gouvernement a procédé à l’impression de nouveaux billets et le peuple a toujours accepté sans rien dire. Pourquoi pas diront certains, il y aura plus d’argent en circulation, non ?!

Et pourquoi ne pas vivre comme en Zimbabwe maintenant dans ce cas ? Peut-on dire qu’il y a une relation directe entre l’hyperinflation qui prévaut actuellement dans ce pays et l’impression de la planche à billet par ses dirigeants ?

Dans les années 30, les allemands ont connu cette crise liée à l’hyperinflation et chacun a vu son économie partir en fumée.

Vue l’expérience des années passées et celles des dirigeants en place, il est à parier que d’ici quelques mois on  va imprimer de nouveaux billets à Madagascar. Qui dit impression de nouveaux billets dit augmentation de la masse monétaire en circulation dit abondance des billets de banque.

L’objectif est d’injecter de la liquidité sur le marché. En regardant plus large et plus global, on constate que les Américains, les Anglais et les japonais ont choisi cette solution plutôt « risquée » contrairement à l’Allemagne qui n’a pas encore décidé si elle va emboîter le pas et craindre une inflation ou subir une déflation avec la baisse de la production face à une demande qui régresse.

Mais les situations sont légèrement différentes car Madagascar connaît une crise économique due à une crise sociopolitique tandis que ces pays développés connaissent la crise économique due à une crise financière.

Lors de la dernière édition de

la FIM à l’espace FUTURA Andraharo, j’ai eu l’occasion de discuter avec des banquiers concernant divers produits, entre autre les crédits immobiliers et les crédits voitures. J’ai posé comme ça une question relativement bête mais pertinente à la fois. Cette question concerne la problématique de l’absence d’impact de la baisse du taux directeur de

la Banque Centrale de Madagascar sur les taux des banques primaires. J’ai ainsi appris que certaines banques primaires possèdent leur réserve et la dernière grève de

la BCM n’a eu qu’un impact quasi-négligeable sur les activités de ces banques primaires.

Alors risque ou pas risque ?

Remise en question de la sécurité aérienne

2 juin 2009 by Mitiyu  

Le mystère du vol AF 447 me fait penser au mythe de l’accident aérien. Voyager en avion n’est pas toujours rassurant pour les néophytes et les abonnés et relève de temps à autre d’une sécurité aléatoire comparable à un jeu de roulette russe. Un accident est toujours triste mais quelque part on ressent la baisse de responsabilité de certaines entités.

 

 

La compagnie AirFrance-KLM figure parmi celles qui ont été la moins touchée par les différentes crises successives touchant le secteur du transport aérien mondial. Les attentats terroristes, les détournements d’avion et les différents accidents aériens ont fait baisser pendant un certain temps le flux des voyageurs. Ensuite la crise financière qui a entraîné une crise économique mondiale a freiné la dépense des ménages réduisant par conséquent le budget voyage de la famille.

 

Je suis un adepte du vol AF 905/AF 908 assurant la liaison Paris – Tana – Paris. Je l’ai fréquemment emprunté depuis 2001 et je dois avouer que je ne connais pas du tout la situation des autres compagnies concurrentes telles qu’Air Madagascar et Corsair.

 

Etant un abonné de ce vol, les principales améliorations que nous avons pu constater concernent surtout le logiciel interactif à bord. C’est le logiciel qui gère la diffusion des films, de la musique, des jeux mais aussi du message de l’équipage à bord. On constate qu’il y a eu plus de films que d’habitudes depuis 2008. Avant, on pouvait regarder la majorité des films programmés jusqu’à destination et maintenant on n’a pu regarder que le tiers de ce qui était programmé.

 

Mais ce vol me fait peur depuis 2007. En effet, on ressent une certaine insécurité sournoise et un confort régressant à bord. Le compartiment bagage fait plus de bruit, les plaques de mur semblent trop bouger qu’avant et la panne de quelques écrans au départ n’est pas du tout rassurant. On se surprend même à se faire brûler par des décharges de courant électrostatique en touchant les poignées des toilettes ou du siège.

 

Depuis l’accident de l’AF447, le cours de l’action d’Air France KLM a chuté. Si avant, on avait l’habitude de trouver le cours d’une action à 11,20 euros elle a aujourd’hui baissé à 11,15 euros. Cela peut sembler minime ou insignifiant mais cette variation est une sonnette d’alarme qui rappelle à l’ordre les responsables. Cela signifie d’une manière plus simple : « votre cours baisse car personne ne veut mettre de l’argent dans l’insécurité »

 

Néanmoins, je reconnais l’effort de l’équipage (le PNC) et de la compagnie dans ce marché moyennement concurrentiel et la stratégie globale de l’entreprise tend vers le professionnalisme et la sécurité ainsi que la variété de l’offre. Le programme de fidélisation marqué par les miles gratuits pour chaque vol est un système bien rodé qui incite toujours à choisir la compagnie malgré tout cela. Pour la suite : wait and see…

 

, ,