Tsy hiresaka Bemolanga angamba isika aloha satria dia mbola any amin’ny zafikely, zafin-dohalika any iny angamba vao mety hisy antenaina… Ny zava-misy eto Antananarivo no tiana ho resahina kely.Manahirana ny andro atoandro satria fantatra fa rehefa manakaiky ny mitatao-vovonana na ny amin’ny 12 ora atoandro izany dia fantatra fa hanomboka indray ny korontana. Samy diso na ny miaramila te-hitifitra ireo olon-tsotra tsy manakorontana fa mitaky ny ara-dalàna sy izay zavatra hafa takiany na ireo andian’olona tsy fantatra hoe avy aiza no mankaiza mitoraka vato, manimba fanànan’olon-kafa (miaraka na tsy miaraka amin’izy ireo amin’ny firehan-keviny) amin’ny alàlan’ny « cocktail molotov ». Misy ny maty, maro ny maratra, mitabataba ny afovoan’ny tanàna. Mitabataban’ny doboky ny basy sy ny firefotry ny grenady famparitahana sy mandatsa-dranomaso.Nodradradradraina hatramin’izay na tamin’ny andron’ny EMMONAT (EMMOREG koa) na tamin’ity fotoanan’ny CAPSAT fa bala fingotra no atao tifi-danitra na « hitifirana vahoaka » (hay moa miaiky ihany fa mitifitra vahoaka izy ireto na dia teo aza ny sary azo maromaro mampiseho izany)Leo korontana ny maro. Tabataba lava izao hoy ilay hiran’i Tiana (« Laisse pas moin là!) tsy hilaminan-tsaina fa mety hahavoa anao na ny bala fingotra mivadika ho azy vy na ny « cocktail molotov » fozaorana na ny kodiarana nodorana na ny vato be.Lasa toa adin’ny sahiran-kirana sy na mba misy afitsoka izy ity. Adin’ny mitondra fanamiana sy ny mpanao pataloha « jean ». Adin’ny samy malagasy ihany anefa na dia misy milaza fa vahiny no ambadik’izao rehetra izao noho ny tsy fahavitana amin’ny antsakany sy andavany ny fahaleovan-tenan-dramalagasy.Inona ny vahaolona azo atolotra?Izay efa teo amin’ny fitondrana ka tsy nahavita tena dia aoka tsy hikasikasika fahefana sy fitondrana. Anjaran’ny be sy ny maro no mijery hoe iza no nahavita ary iza no tsy nahavita. Iza no nanimba sy nanapotika ary iza no niezaka nanarina.Tsy voatery resaka politika foana fa indrindra indrindra ireo resaka teknika isan-karazany.Esorina ihany koa izay tsy ankatoavin’ny TENA VAHOAKA izay maro an’isa eto Madagasikara. Ka mba ho tena mpiasam-bahoaka tsy hameno paosy no eo fa tsy hoe mpiasam-panjakana miteroterona sy mirentirenty amin’ny fiarabe tsy mataho-dalana.Mila filaminana ny malagasy, mila sakafo, mila milamin-tsaina mba ifantohan’ny saina amin’ny fitadiavana samihafa.