Actualités,  Langue (Mg),  Politique,  Société,  Témoignages

Ny androaniko (23/04/2009)

Androany vao tena nihatra ilay fandrarana fihetsiketsehana politika navoaky ny HAT. Vao maraina dia efa feno mpitandro filaminana ary tsy azo nidirana ny kianjan’Ambohijatovo. Nivorivory teny amin’ny manodidina teny aloha ny mpomba an-dRavalomanana. Nahitana azy ireo hatrany Ankazotokana sy Ambanidia ary Antsahabe. Eny fa hatrany Anosy sy Anosibe ary ny manodidina azy akaiky. Rahampitso moa dia toerana telo samihafa indray no notondroin’ireo mpitarika fa hiaingan’ny hetsika, ka tafiditra amin’izany ny tetezan’Andravoahangy.

Nafana androany. Nirefotra ny basy. Nisy ny naratra. Tsy mbola fantatra hatreto na nisy maty na tsia.Fa ny hita aloha dia nisy ny ankizy efatra voan’ny bala tsy nahy teny Isotry (raha notrotroin-dreniny teny ampiantsenana), ny tongotr’ilay zaza no nolalovan’ny bala talohan’ny niantefan’izany tany amin’ny kibon’ilay ramatoa ka nampipotsaka ny tsinainy, ary nitondra azy hatrany amin’ny farafaran’ny Réanimation eny amin’ny HJRA. Tao ny ankizy  nandositra ny gidragidra teny Ambohijatovo sy ny manodidina azy ka tapa-tànana noho ny fianjerana…Teo koa ireo olon-dehibe voan’ny bala teny amin’ny kibony, ka nipotsa-tsinay.
28 no voasambotra, 31 naratra.

Nisy nikasa haka an-keriny koa i Mialy Rajoelina androany maraina talohan’ny fiaingan’ny vol Air France nitondra azy ho any Paris, raha ny vaovao azo.

Tratran’ireo mpomba an-dRavalomanana koa ingahy REBOZA Julien sy ny mpiambina azy, ka miady amin’ny fahafatesana eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana ilay mpiambina. Ary nodoran’ireo Pro-Ravalomanana ny fiarany.

Tsy ataoko be ny resaka fa aleo ny ‘ sarin'ny andro 23/04/2009 ‘ no hiteny sy hilaza azy.

Ny marihako fotsiny dia mbola niverina indray ny fankahalana mpaka sary sy mpanao gazety ataon’ireo mpomba an-dRAVALOMANANA, be ny tratran’izany ka mitaraina, ary anisan’ireo nandefa fampitandremana ho an’ireo namany ry zareo tao amin’ny Radio An,tsiva 97.6 FM. Raha ny nahazo anay mianadahy androany, raha saika hiditra ny vavahadiben’ny hopitaly avy aty anoloana mba hanangona vaovao momba ny vokatry ny tifitifitra sy fifanenjehana eran’ny tanàna, dia tena nampivarahontsana indray. Vao tonga teo anoloan’ny vavahady ny scooter dia efa nisy iraikalahy niomana hitoraka coctail Molotov, saingy soa ihany fa hitan’i Lalaina malaky ilay fihetsika fa raha tsy izany dia loza, angamba kitoza velona.

Be ny fanaovana sakana eraky ny arabe, be ny fandoroana ny fananan’ny hafa, toy izay nahazo ny trano heva fivarotam-boninkazo sy fraises manamorona ny HJRA, ary ny fiaraben’ny orinasa JIRAMA, teo amin’ny mifanandrify indrindra amin’ny vavahadin’ny HJRA.

Zavatra iray mampanontany tena koa ny antso nataon’ireo mpitarika eny Ambohijatovo tamin’ireo mpomba an-dRavalomanana mba handray sy hitondra ny basiny, ho an’izay manana izany nataon’ny iray amin’ireo mpitarika ny eny Ambohijatovo tao amin’ny Radio MADA. Asa raha inona marina no tena tian’ingahy RAVELOSON Constant hahatongavana amin’izany.
Nisy koa ny taratasy naelin’ireo mpomba an-dRavalomanana tao anatin’ny tokotanin’ny hopital HJRA mitaona ny olona hanaotao foana, ka hanao haza lambo ny ankohonan’ireo mpitandro filaminana. Taty ivelan’ny hopital dia nisy lehilahy iray nanentana ny namany mba hijery tsara ireo mpitandro filaminana, ka samy hitadidy ny endriny, ary hikaroka ny momba azy avy eo. Aorian’izay, hoy hatrany ity lehilahy ity, dia hirotsaka any an-tanàna isika haka ny vady aman-janany. Mahagaga an! Mahatalanjona!

Nisy ny fisamborana, ka mba jereo sao misy havanareo azo sary any amin’ny flickr fa tsy mety tafakatra ato amin’ny wordpress ny sary. Tsy haiko izay antony. Ny azoko lazaina aloha dia ireto: RABENATONDRO Lanto (Senatera, ex-Chef de Region de Vakinankaratra), RANDRIANJATOVO Henri (ex-Ministre de la jeunesse et du sport, Enseignant chercheur), RAKOTOMANDIMBY Mamisoa (député d’Ambatolampy), RAKOTOZANDRY Raymond (député de Mandoto)

Iray tamin’ny zavatra nahatsikaiky koa ny fahitàna fa rehefa mandalo izahay miaraka amin’ny fiaraben’ny mpitandro filaminana, dia manala barazy ny mpitandro filaminana, ary afaka minitra vitsy rehefa miverina eo dia efa tafaverina amin’ny toerany koa ny barazy nalàna.

Technicien réseau

3 commentaires

  • hj

    bla bla! aza manao intox eo fa fantatra ny momba anareo§ Tsy ny capsat ve no saika hitoraka coctail molotov anareo
    Ny censure, asa iza no tena manao censure izao
    Ianareo koa ange efa tgvendrana koa ê! tsy mahagaga
    aza miasa intsony raha matahotra ê! mipirima!!! izay ry vendrana â!

  • ranouraii

    hj: mitovitovy am zao zavatra teneninao izao foana no vakiko eraky ny web…

  • john

    Malagasy isika ka aza miady amin’izay resaka politika. Tsarovy fa mandalo ihany ny HAT fa isika hiara-monina eto foana na ny mpoba an’i Dada na zandrikely mpanasaritam-pirenena. Raha tsy tokoa mantsy ny fitariam-bahoaka hanongam-panjakana dia tsy nisy izao

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.