Fihaonana Andry RAJOELINA sy Marc RAVALOMANANA
21 février 2009
12h 38: Raha saika hisy ny diabe androany, dia naharay taratasy fiantsoana avy amin’ny anarany, nalefan’ny FFKM, ho fampihaonana azy amin’-dRAVALOMANANA Marc, amina toerana tsy an’ny atsy na ny aroa. Androany amin’ny 1 ora (13h) izay fihaonana izay, ary dia nofoanana aloha izao tamin’ny 12 ora 38 minitra izao ny diabe saiky hatao.
Miandry izay tohiny indray izany.
Re siosio koa fa hoe efa any Tsiafahy i RANJIVASON Jean Theodore. Ary iereo reserviste voasambotra nandritra ny tifitifitra tetsty Anosy kosa dia nalefa any Manjakandriana (voalaza fa misy eo amin’ny 39 olona eo izy ireo).
Ary talohan’ny nahatongavany teo ankianja androany dia nisy saika hitoraka tamin’ny cocktail molotov ny fiara nitondra an’i Andry RAJOELINA. Re koa fa hoe mbola nisy tamin’ireo mpikambana tamin’ny delegasion’ny SADC tavela tao amin’ny CARLTON, ary tsy fantatry ny teo anivon’ny tafika sy izay naniraka azy ny fisiany, nahita sy nandrakitra sary ny tifitra natao nandritry ny maraim-ben’ny Zoma teo. Toa hoe efa tafita any amin’izay naniraka azy any ampita any ny sary rehetra.
Mety ho antony fisian’ny fileferana hanaiky fifanantonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ve izay? Asa!!!!
Vaovao re tetsy sy tero daholo izany ampitaina aminao izany.
Nanao ny fihaonambeny koa ny mpiasan’ny Jirama androany maraina nanomboka tamin’ny 8 ora, ka teny amin’ny Sainte Famille Mahamasina no toerana nifamotoanana. Isan’ny ventin’ny fitakiana navaoky ny maro tao ny resaka karama sy fanalana vazaha.
14h 00 Voalaza fa adiny iray teo no nihaona izy roalahy mianaka ary samy lasa avy eo fa ireo solontena sisa no nijanona ao nanohjy ny dinika. Etsy Antanimena no nisy izay dinika izay.
Popularity: 4% [?]


License
leboda says:
21 fév 2009 12:52
Zavadehibe ny fifampidinihana toy izany. Efa dingana iray lehibe izay.
Moa ve hajanona tokoa ny Diabe raha nisy fihaonana androany? sa Mbola hatao fanairana foana? Sa tena handeha eny tokoa?
Efa fotoana ijerana ireo fahavoazana izao angamba amin’ny lafiny fivelomana tsotra izao. Aty amin’ny Faritra no misy anay kanefa miaina sahady aty ity zavatra mihitsoka ity satria ireo Hotely lehibe dia efa nampijanona ny mpiasa (fialan-tsasatra miaraka aloha) ary raha mbola tsy misy fitsaharany dia hanao fampihenana mpiasa amin’izay.
Tsy rivodoza na haitany akory ireo ka ilazana fa voajanahary fa sitrapon’olona roa nefa tsy misy afaka hilaza fa hanonitra izay fahavoazan’ireo mpiasa ireo akory.
Efa samy mazava ny hafatra ka samy hanaiky ifanatona amin’izay ary samy handevina ny hambopo hitsinjo ireo vahoaka madinika amin’izay. Fanamby voalohany ho an’izay hitondra eo dia ny fampihodinana ny milina haingana mba ahafahan’ny isam-bavaravarana mitady izay sahaza isanandro amin’izay ampitoniana sy ampilaminana.