Mbola tsy aritra mandrakariva ilay tafika resy tosika teo anatrehan’ny vahoaka omaly teo anatrehan’ny vondron’olona omaly 19 febroary 2009. Hita manko fa tena fihatsarambelatsihy sy fombafomba fotsiny no nataon’ny tafika teo fa tsy zavatra hafa mihitsy. Nefa ny zavatra toy ireny indrindra no itarafana indray ny tantara efa nitranga teto Madagasikara tamin’ny vanim-potoana tsy nampoizin’ny vahoaka mandrakariva. Indroa (intelo akory aza) manko izay no efa nisy fihetsika toy ireny teto Madagasikara fa tamin’ny vanim-potoana samihafa ihany koa.

Ny voalohany tamin’ireny dia tamin’ny taona 1895 raha nifandona ny tafika malagasy talohan’ny fanjanahantany sy ny tafika frantsay nanani-bohitra. Raha tsy nety tafiditra teto anivontany mihitsy ny frantsay raha nanafika hatrany Toamasina dia hatrany avaratra andrefana tany Mahajanga indray no nidirany tamin’ny 1895. Ny tafika Sakalava no nataon’ny Frantsay nialoha lalana azy ireo nandritra izany fanafihana izany (tantara tsy azo ampanginina izany!). Efa fantatra niharihary tamin’izany fotoana izany fa nanana fitaovam-piadiana afaka nifanandrinana tamin’ny tafika frantsay mihitsy ny Malagasy tamin’ireny fotoana ireny saingy toa tsy nampisaina mihitsy izany fitaovam-piadiana izany. Toa tsy niraharaha ny ady loatra ny mpitari-tafika Malagasy, indrindra fa tamin’ireo Jeneraly efa nananan’ny Malagasy ihany koa. Teo Andriba ihany no mba nisy karazana ady mafana teo amin’ny Malagasy, fa ny ankoatra izany dia tena tsy nisy na inona na inona nataon’ireo tafika mihitsy. Inona no antony? Ela nitondrana loatra manko ny praiminisitra Rainilaiarivony ka efa bebe ihany ireo tsy tia azy. Ny andaniny efa mpankasitraka ny Frantsay koa faly kokoa mahita an’i Rainilaiarivony fa jamba teo amin’ny fijerena ny hoe ho lasan’ny Frantsay anie i Madagasikara fa sombintsombiny ihany no omeny anao izay faly tsy mahita fa ny fiandrianam-pirenena Malagasy no rava fa tsy hoe Rainilaiarivony ihany no miongana.

Dia toy izany ihany koa no zavatra hitako amin’izao tranga omaly hitako izao. Maro no mihevitra fa vita hatreo ny amin-dRavalomanana saingy tsy tsapany fa eo ihany koa no potika tanteraka ny ara-dalàna eto Madagasikara. Tamin’ny 1895 dia maro tamin’ny sarambabem-bahoaka no tezitra nahita izao zava-nitranga izao ary mahatsapa avy hatrany fa nisy oloona ambony « namadika » tao ka niforona ho azy ny « menalamba » namotika izay rehetra namofompofona « vazaha » ka tena lasibatra indrindra ny fivavahana kristiana, nefa rehefa lanaka ireto nankahala ny fivavahana malagasy ireto dia avy tamin’ny « mpivavaka kristiana » nijoro indray no nitarika ny olona hanohitra ny mpanjana-tany. Amin’izao fotoana izao ihany koa, tena tsy misy mihitsy izay paik’ady asehon’ny mpitarika ny mpanohana an-dRavalomanana, nefa raha amin’izao nomanana ny fanapahan-keviny manokana ireo mpanohana azy ireo dia vao maika ihany koa tafiditra amin’ny anarshia manjaka sahady ihany koa… nefa toa sarotra ihany ny ivoahan’ny karazana « menalamba » amin’izao fotoana izao… fa tia filaminana loatra manko ny Malagasy.

Ny tranga faharoa tamin’izay nitranga tamin’ny tantaran’i Madagasikara indray dia izay niseho tamin’ny 1942 kosa indray, izany hoe mbola teo ambany fahefana frantsay mivantana isika. Resy teo anatrehan’ny tafika alemana ny tafika frantsay tany Eoropa. Noezahin’ny anglisy sy ny jeneraly de Gaulle kosa ny ifehezan’ny « allié » ny zanatany frantsay rehetra ka tafiditra amin’izany i Madagasikara. Niainga hatrany Diego Suarez (Antsiranana ankehitriny) indray ny tafika anglisy mitondra ny voninahitra « frantsa afaka » nainga hatrany Afrika Atsimo. Tsy nisy mpitari-tafika Frantsay tena frantsay intsony nanohitra ireto mpanafika ireto fa ny kapiteny Ramanantsoa (ilay lasa mpitondra tetezamita 1972 – 1975) no nasaina nitari-tafika. Dia tena tsy niady akory indray ny roa tonta fa voatosika hatrany Fianarantsoa mihitsy ny »Frantsay ». Faly aoka izany ny Malagasy fa hay azo resena soa amantsara ireto Frantsay nanjakazaka ireto. Livitra dia livitra kosa ny tena Frantsay tao anatin’izany rehetra izany. Nanomboka teo tsy niraharaha izay herin’ny Frantsay loatra intsony ny ankamaroan’ny Malagasy fa etsy andaniny efa niandry kendri-tohina ihany koa ny Frantsay ary hitantsika izany taona vitsivitsy monja taty aoriana.

Nihanafana vay ny fikambanam-pitiavan-tanindrazana Malagasy, ny MDRM izany teo amin’ny lafin’ny lalàna, ary ity fikambanana ity te-hiditra amin’ny lafin’ny lalàna mandrakariva, tsy resy lahatra amin’izany kosa ny fikambanana tsy miafina roa dia ny JINY sy ny PANAMA izany. Ny an’ireto farany dia hoe tsy misy fahaleovan-tena ho azo izany raha tsy misy ra latsaka (hay hatrany tokoa no efa nisian’ity tranga ity?). Nisovoka tao anatin’ny MDRM ireto fikambanana miafina ireto, ary ry zareo no nanomana ilay fantatra indrindra dia ny 29 marsa 1947 izany. Efa nalaza dia nalaza tokoa io daty io ka nahafantatra azy avokoa ny mpitolona sy ny mpitondra fanjakana. Notontosaina ihany ny tetikady tany amin’ny faritra sasany fa tsy nety nanaiky hanaovana ny Malagasy ho sorona kosa ny Lietnà Randriamaromanana izay nasaina hanomana ny tetika teto Antananarivo renivohitra.

Ny fijoroana vavolombelona nataon’i Manana Jahavanay no averiko eto. Anisan’ny nanafika ny toby tany Ambatondrazaka manko ny lehilahy, ary nahatsapa tao anatiny tao fa « sarimihetsika » fotsiny izany fanafihana ny toby miaramila tany Ambatondrazaka izany. Tsy nisy fitaovam-piadiana maro azo akory manko tao. Inona ny vokatr’io fanafihana io? nangonina avokoa ny manampahaizana rehetra tao Ambatondrazaka, izay MDRM avokoa ary nolazaina halefa taty Antananarivo. Nentina tamin’ny fiaran-dalamby ary niato tao Moramanga. Teo no naripaka tao anaty vagao ry zareo ka nahatonga ilay tantara malaza hoe « wagon Moramanga ». Ary izay tsy maty teo dia nasaina nandavaka ny fasana handevenana azy. Iray tamin’ireo mpitolona sisa niangana dia Ratokoniaina izany. Ninian’ny Frantsay hitranga io hanaporofoana teo anatrehan’ny Malagasy fa tsy haharesy Frantsay izany ny Malagasy na dia resy aza izy ireo teo. Dia toy izany ary ny tantara teto Madagasikara!

Vaovao farany araka ny nolazain’ny tao amin’ny Radio Don Bosco androany maraina 20 febroary 2009. Na dia « azon’ny  » mpitolona aza ny Minisitera efatra omaly dia nalain’ny miaramila indray izany halina.

jentilisa 20 janoary 2009