Fihaonana Andry RAJOELINA sy Marc RAVALOMANANA
21 février 2009 by Avylavitra
12h 38: Raha saika hisy ny diabe androany, dia naharay taratasy fiantsoana avy amin’ny anarany, nalefan’ny FFKM, ho fampihaonana azy amin’-dRAVALOMANANA Marc, amina toerana tsy an’ny atsy na ny aroa. Androany amin’ny 1 ora (13h) izay fihaonana izay, ary dia nofoanana aloha izao tamin’ny 12 ora 38 minitra izao ny diabe saiky hatao.
Miandry izay tohiny indray izany.
Re siosio koa fa hoe efa any Tsiafahy i RANJIVASON Jean Theodore. Ary iereo reserviste voasambotra nandritra ny tifitifitra tetsty Anosy kosa dia nalefa any Manjakandriana (voalaza fa misy eo amin’ny 39 olona eo izy ireo).
Ary talohan’ny nahatongavany teo ankianja androany dia nisy saika hitoraka tamin’ny cocktail molotov ny fiara nitondra an’i Andry RAJOELINA. Re koa fa hoe mbola nisy tamin’ireo mpikambana tamin’ny delegasion’ny SADC tavela tao amin’ny CARLTON, ary tsy fantatry ny teo anivon’ny tafika sy izay naniraka azy ny fisiany, nahita sy nandrakitra sary ny tifitra natao nandritry ny maraim-ben’ny Zoma teo. Toa hoe efa tafita any amin’izay naniraka azy any ampita any ny sary rehetra.
Mety ho antony fisian’ny fileferana hanaiky fifanantonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ve izay? Asa!!!!
Vaovao re tetsy sy tero daholo izany ampitaina aminao izany.
Nanao ny fihaonambeny koa ny mpiasan’ny Jirama androany maraina nanomboka tamin’ny 8 ora, ka teny amin’ny Sainte Famille Mahamasina no toerana nifamotoanana. Isan’ny ventin’ny fitakiana navaoky ny maro tao ny resaka karama sy fanalana vazaha.
14h 00 Voalaza fa adiny iray teo no nihaona izy roalahy mianaka ary samy lasa avy eo fa ireo solontena sisa no nijanona ao nanohjy ny dinika. Etsy Antanimena no nisy izay dinika izay.
Popularity: 4% [?]
Herintaona lasa tokoa mantsy izay!
20 février 2009 by Avylavitra
Avy tsy mitsahatra ny erika ao an-tokontany ao izao hariva izao. Sady mangatsiaka be ny andro. Manoatra noho ireny andro ririnina ireny. Angamba koa efa zatra ilay hafanana nigaingaina nandritry ny andro vitsivitsy teo aloha teo ny tena.
Efa nalefa ihany moa ny hafatra fa hoe misy andro ratsy miforona any akaikin’ny morontsioraka any amin’izao fotoana (raha tsy efa mandrakotra an’i Madagasikara aza). Ka tany amin’ny faritra Analanjirofo tany izy izay, ary mitondra orana betsaka. Enga anie mba ho hatreo fotsiny ihany ny amin’iny.
Izany rehetra izany dia nanaitra fahatsiarovana tao anatiko.
Herintaona lasa tokoa mantsy izay. 20 febroary toy izao anio izao, ny taona 2008, no namoahako teto amin’ny MalagasyMiray sy tany anatin’ny blaogiko manokana ny momba ny rivodoza IVAN.
Herintaona nahitako izany hoe ranobe nanenika an’Antananarivo, fefiloha vaky. Herintaona nitsidihako ireo tranolain’ny UNICEF teny Anosizato sy ny manodidina azy, nametrahana ireo tra-boina. Herintaona ihany koa tena nandraisako anjara tamin’izany hoe mampita hafatra, na mizara vaovao ho an’ny hafa. Herintaona nahatsiarovako fifaliana tamin’izany hoe mizara izany.
Herintaona toy izao koa anefa, nandritra iny IVAN iny, no nampivarahontsana ahy raha nosimban’ny rivodoza IVAN ny trano teny Ambohimanarina, nefa ankohonana tsy nahita naleha no napetraka tao, ka nitondra aretim-po ho an’ilay ramatoabe, nentiny hatrany am-pasana herinandro vitsy taorian’izay.
Herintaona nifamahofahoan-javatra maro raha fintinina.
Herintaona lasa tokoa mantsy izay!
Popularity: 4% [?]
Mba hitondray tsikitsiky
20 février 2009 by Aiky
Raha mankafy ny gadon’ny fahiny arahina lokanga sy valiha ianao dia mety mankafy ity hira malagasy ity.
Itondray tsikitsiky aho raha ho avy ianao
Tsikitsiky tsy miharo tokelaka
Mibitsika tena malefaka
Tsy ho ren’ny tia fosafosa
Fa hanako any anatiko kosa
Itondray safosafo aho raha ho avy ianao
Safosafo tsy riton’ny aloka
Hifitsahako eo mba hianoka
Tsy hosembanin’izay ahiahy
Ampy ho alan’ny ny fo sy fanahy
Itondray kalokalo aho raha ho avy ianao
Kalokalo toa rotsy maraina
Ho ngononina fa tsy ho hiraina
Toy ny kalon’ny rivotra monja
Raha mikalo fitia amin’ny onja
Hafatrafatra ihany ny ahy raha ho avy ianao
Rediredin’ny tsy afa-manoatra
Te-haniny no sady misaotra
Te-hionona nefa miangavy
Raha ho avy ianao ka ho avyRaha ho avy ianao ô
Raha tsy diso ny tenako dia ny tarika Ny Voninavoko, izay fantatra amin’ny fiangaliany ny vako-drazana malagasy no mihira ity hira ity. Ankafizo
Popularity: 4% [?]
Ny leson’ny tantara tamin’izay nitranga ny alakamisy 19 febroary 2009!
20 février 2009 by Jentilisa
Mbola tsy aritra mandrakariva ilay tafika resy tosika teo anatrehan’ny vahoaka omaly teo anatrehan’ny vondron’olona omaly 19 febroary 2009. Hita manko fa tena fihatsarambelatsihy sy fombafomba fotsiny no nataon’ny tafika teo fa tsy zavatra hafa mihitsy. Nefa ny zavatra toy ireny indrindra no itarafana indray ny tantara efa nitranga teto Madagasikara tamin’ny vanim-potoana tsy nampoizin’ny vahoaka mandrakariva. Indroa (intelo akory aza) manko izay no efa nisy fihetsika toy ireny teto Madagasikara fa tamin’ny vanim-potoana samihafa ihany koa.
Ny voalohany tamin’ireny dia tamin’ny taona 1895 raha nifandona ny tafika malagasy talohan’ny fanjanahantany sy ny tafika frantsay nanani-bohitra. Raha tsy nety tafiditra teto anivontany mihitsy ny frantsay raha nanafika hatrany Toamasina dia hatrany avaratra andrefana tany Mahajanga indray no nidirany tamin’ny 1895. Ny tafika Sakalava no nataon’ny Frantsay nialoha lalana azy ireo nandritra izany fanafihana izany (tantara tsy azo ampanginina izany!). Efa fantatra niharihary tamin’izany fotoana izany fa nanana fitaovam-piadiana afaka nifanandrinana tamin’ny tafika frantsay mihitsy ny Malagasy tamin’ireny fotoana ireny saingy toa tsy nampisaina mihitsy izany fitaovam-piadiana izany. Toa tsy niraharaha ny ady loatra ny mpitari-tafika Malagasy, indrindra fa tamin’ireo Jeneraly efa nananan’ny Malagasy ihany koa. Teo Andriba ihany no mba nisy karazana ady mafana teo amin’ny Malagasy, fa ny ankoatra izany dia tena tsy nisy na inona na inona nataon’ireo tafika mihitsy. Inona no antony? Ela nitondrana loatra manko ny praiminisitra Rainilaiarivony ka efa bebe ihany ireo tsy tia azy. Ny andaniny efa mpankasitraka ny Frantsay koa faly kokoa mahita an’i Rainilaiarivony fa jamba teo amin’ny fijerena ny hoe ho lasan’ny Frantsay anie i Madagasikara fa sombintsombiny ihany no omeny anao izay faly tsy mahita fa ny fiandrianam-pirenena Malagasy no rava fa tsy hoe Rainilaiarivony ihany no miongana.
Dia toy izany ihany koa no zavatra hitako amin’izao tranga omaly hitako izao. Maro no mihevitra fa vita hatreo ny amin-dRavalomanana saingy tsy tsapany fa eo ihany koa no potika tanteraka ny ara-dalàna eto Madagasikara. Tamin’ny 1895 dia maro tamin’ny sarambabem-bahoaka no tezitra nahita izao zava-nitranga izao ary mahatsapa avy hatrany fa nisy oloona ambony « namadika » tao ka niforona ho azy ny « menalamba » namotika izay rehetra namofompofona « vazaha » ka tena lasibatra indrindra ny fivavahana kristiana, nefa rehefa lanaka ireto nankahala ny fivavahana malagasy ireto dia avy tamin’ny « mpivavaka kristiana » nijoro indray no nitarika ny olona hanohitra ny mpanjana-tany. Amin’izao fotoana izao ihany koa, tena tsy misy mihitsy izay paik’ady asehon’ny mpitarika ny mpanohana an-dRavalomanana, nefa raha amin’izao nomanana ny fanapahan-keviny manokana ireo mpanohana azy ireo dia vao maika ihany koa tafiditra amin’ny anarshia manjaka sahady ihany koa… nefa toa sarotra ihany ny ivoahan’ny karazana « menalamba » amin’izao fotoana izao… fa tia filaminana loatra manko ny Malagasy.
Ny tranga faharoa tamin’izay nitranga tamin’ny tantaran’i Madagasikara indray dia izay niseho tamin’ny 1942 kosa indray, izany hoe mbola teo ambany fahefana frantsay mivantana isika. Resy teo anatrehan’ny tafika alemana ny tafika frantsay tany Eoropa. Noezahin’ny anglisy sy ny jeneraly de Gaulle kosa ny ifehezan’ny « allié » ny zanatany frantsay rehetra ka tafiditra amin’izany i Madagasikara. Niainga hatrany Diego Suarez (Antsiranana ankehitriny) indray ny tafika anglisy mitondra ny voninahitra « frantsa afaka » nainga hatrany Afrika Atsimo. Tsy nisy mpitari-tafika Frantsay tena frantsay intsony nanohitra ireto mpanafika ireto fa ny kapiteny Ramanantsoa (ilay lasa mpitondra tetezamita 1972 – 1975) no nasaina nitari-tafika. Dia tena tsy niady akory indray ny roa tonta fa voatosika hatrany Fianarantsoa mihitsy ny »Frantsay ». Faly aoka izany ny Malagasy fa hay azo resena soa amantsara ireto Frantsay nanjakazaka ireto. Livitra dia livitra kosa ny tena Frantsay tao anatin’izany rehetra izany. Nanomboka teo tsy niraharaha izay herin’ny Frantsay loatra intsony ny ankamaroan’ny Malagasy fa etsy andaniny efa niandry kendri-tohina ihany koa ny Frantsay ary hitantsika izany taona vitsivitsy monja taty aoriana.
Nihanafana vay ny fikambanam-pitiavan-tanindrazana Malagasy, ny MDRM izany teo amin’ny lafin’ny lalàna, ary ity fikambanana ity te-hiditra amin’ny lafin’ny lalàna mandrakariva, tsy resy lahatra amin’izany kosa ny fikambanana tsy miafina roa dia ny JINY sy ny PANAMA izany. Ny an’ireto farany dia hoe tsy misy fahaleovan-tena ho azo izany raha tsy misy ra latsaka (hay hatrany tokoa no efa nisian’ity tranga ity?). Nisovoka tao anatin’ny MDRM ireto fikambanana miafina ireto, ary ry zareo no nanomana ilay fantatra indrindra dia ny 29 marsa 1947 izany. Efa nalaza dia nalaza tokoa io daty io ka nahafantatra azy avokoa ny mpitolona sy ny mpitondra fanjakana. Notontosaina ihany ny tetikady tany amin’ny faritra sasany fa tsy nety nanaiky hanaovana ny Malagasy ho sorona kosa ny Lietnà Randriamaromanana izay nasaina hanomana ny tetika teto Antananarivo renivohitra.
Ny fijoroana vavolombelona nataon’i Manana Jahavanay no averiko eto. Anisan’ny nanafika ny toby tany Ambatondrazaka manko ny lehilahy, ary nahatsapa tao anatiny tao fa « sarimihetsika » fotsiny izany fanafihana ny toby miaramila tany Ambatondrazaka izany. Tsy nisy fitaovam-piadiana maro azo akory manko tao. Inona ny vokatr’io fanafihana io? nangonina avokoa ny manampahaizana rehetra tao Ambatondrazaka, izay MDRM avokoa ary nolazaina halefa taty Antananarivo. Nentina tamin’ny fiaran-dalamby ary niato tao Moramanga. Teo no naripaka tao anaty vagao ry zareo ka nahatonga ilay tantara malaza hoe « wagon Moramanga ». Ary izay tsy maty teo dia nasaina nandavaka ny fasana handevenana azy. Iray tamin’ireo mpitolona sisa niangana dia Ratokoniaina izany. Ninian’ny Frantsay hitranga io hanaporofoana teo anatrehan’ny Malagasy fa tsy haharesy Frantsay izany ny Malagasy na dia resy aza izy ireo teo. Dia toy izany ary ny tantara teto Madagasikara!
Vaovao farany araka ny nolazain’ny tao amin’ny Radio Don Bosco androany maraina 20 febroary 2009. Na dia « azon’ny » mpitolona aza ny Minisitera efatra omaly dia nalain’ny miaramila indray izany halina.
jentilisa 20 janoary 2009
Popularity: 4% [?]
KAMBA kelinay sy ny coup de gueule avy amiko
19 février 2009 by Avylavitra
Maro tamintsika mpikirakira aterineto no mahalala (na nahalala) ny tantaran’i Kamba, ilay zaza kambana nilàna fandidiana natao teny amin’ny HJRA Ampefiloha).
Tsy vitsy koa no nahafantatra (ireo izay nanaraka hatrany am-boalohany ny tantara) fa tsy nankasitraka loatra ny hanaovana opération an’iny zanany iny ny reniny, noho, ny tahotra sy ny maro tsy tanisaina.
Resin’ny sasany tamintsika lahatra ihany anefa ilay reny mahantra ka nanaiky ny handraisana an-tànana an-janany (rehefa nomena izao karazan-toky rehetra azo naroso izao. Izaho aloha tsy anisan’izay nampanatena volana an!)
Roso ny dia ka nandeha niakatra an’Iarivo ilay ankohonana kely.
Be ireo nanohana tamin’ny fanaovana izay hahatontosa ilay fandidiana. Vita soa aman-tsara izany.
Be amintsika koa no efa nahafantatra tamin’izany fotoana fa tsy ny fandidiana sy n famerenana ny atidohan’ny zaza ho amin’ny toerany fotsiny no asa miandry, fa mbola be no ho sisa.
Ity SISA ity no mba isarihako ny sainareo rehetra izay ‘impliqués’ tamin’iny resaka KAMBA iny. Izahay (na izaho no marimarina kokoa) dia nilaza tsara tamin’ireny fotoana ireny fa tsy manana ny ho enti-mandray anjara amin’ny ara-bola. Saingy kosa vonona ny hitondra izay fanohanana ara-moraly sy izay voatsirambin’ny tànana rehefa tonga aty Antananarivo ry zareo. Notanterahanay mivady an-tsakany sy an-davany ny teny nataonay, mandra-panatitray azy teny Ambodivona rehefa nalefa nody izy sy ny ankohonany.
Angamba noho ilay fifaneraseranay betsaka tamin’ity ankohonana kely ity nandritry ny fivahinianany teto an-drenivohitra, fa rehefa tonga tany izy ka misy ny tsy metimety amin’ny zaza, dia izahay no feno arina voalohany indrindra. Nanao izay azonay sy tratry ny herinay natao ihany izahay tany aloha (nanampy anay sy isaoranay betsaka tamin’izay i Madame Mavo sy Mino). Tsy nahalala anarana afa-tsy Avylavitra, Mavo, Mino intsony ireo fianakaviana kely ireo rehefa avy eo. Satria izay natoniny dia nanosi-boho-tànana azy sy nametrapetraka azy daholo. Miala tsiny fa tsy hanonona anarana eto aho, satria nisy tokoa ny olona izay voateniteniny matetika, indrindra fa noho ny resaka ara-bola teny amin’ny hopitaly, noho ny zavatra ‘heveriny ho tsy nety’ tsikariny teny.
Dia lasa ny saiko hoe ‘NATAO HO FILAN-DERA SY VONINAHITRA VE SANATRIA’ i KAMBA? Asa lahy!!! Tadidio fa misy fikarakarana tsy maintsy atao amin’iny zaza iny isam-bolana, ary an,gamba aza mety ho mandra-pahafatiny mihitsy. Efa mba nosainintsika ve izany? Sa dia ny tamin’iny fotoana iny ihany no nahamaika? Ohatra amin’izany ny fandidiana tsy maintsy mbola hanalana ny valve natao ao anatiny ao, ny fandidiana ny hernie mahazo azy, ary ny chirurgie esthetique any aoriana. Ka ahoana, iza no mbola sahy?
Torana matetika ilay zaza ary nisy fotoana aza efa nentina indray tany amin’ny hopitalin’Androva tao Mahajanga.
Eto am-pamaranana ity coup de gueule ity dia mamela ahy kosa aloha ianareo rehetra hisaotra ireo namana NSD (na ny eto an-tanana na ny any ampita) sy fikambanana vitsy nanolo-tànana anay telo mianadahy ombam-bady aman-janaka (satria raha nitsivalana koa ny vady aman-janaka dia tsy nisy azonay natao). Isaorako ianareo ireo (hahatsapa tena avy hatrany hoe izay avy ianareo) na dia tsy nanaiky ny hotononina anarana eto aza. Andriamanitra anie hampitombo izay efa laninareo tamin’iny zaza iny, ary hanonitra izany avo zato, arivo heny.
Popularity: 4% [?]
Vaovao mafàna (source 97.6 FM)
19 février 2009 by Avylavitra
Avy any Toamasina: Tanteraka ny famoriam-bahoaka nomanin’ny CRN tany an-toerana. Nisy ny fisamborana. Voasambotra tamin’izany i Tabera R..manatsoa. Raha naka sary izany rehetra izany ny mpanao gazety avy amin’ny TV Plus dia sady niharan’ny daroky ny mpitandro filaminana no nalain’izy ireo koa ny camera fitaovam-piasany Nosamborina sy nalaina am-bavany tany niaraka tamin’ny namany iray ity mpanao gazety ity ary navoaka rehefa tamin’ny 16h 30. Nogiazana ny findain’izy ireo nandritra izany rehetra izany.
Avy eto Antananarivo: Nifamotoana teny an-kianja indray ny mpomba ny TGV. Nanao antokony telo izy ireo rehefa nihazo an’Anosy handeha haka Ministera. … Latsaka afovoany ny miaramila ary ireo vadina mpitandro filaminana nitondra sora-baventy no nialoha làlana ny mpilahatra. Tsy nisy ny poa-basy… Niala mora ireto mpitandro filaminana rehefa voahodidin’ny vahoaka. Sadaikatra ihany koa ireo milice nanao ankanjo fluo teny amin’ny ministera teny nanoloana ny hamaroan’ny olona…Vaky ny barrages roa voalohany ary eo am-panaovana negociation amin’ny barage farany ankehitriny (15h 25) ireo andaniny sy ankilany. Ny delegasiona dia nomena alalana hiditra any anaty ministera hijery izay ao, fa ny vahoaka kosa tsy maintsy mijanona aty ivelany. Nangataka moa ireto delegasiona ireto ny hisian’ny mpitandro filaminana hiaraka amin’izy ireo any, saingy tsy nety ireto farany fa nilaza hoe « Efa any aminareo ny baolina…. Malalaka ny làlana… Afaka miroso ianareo »
Ireo milices moa araka ny tatitry ny fampielezam-peo hatrany dia misy ny nanary lamba.
Asa raha noho ny fisian’ireto vadina mpitandro filaminana tao anaty laharana tokoa no nampiahotra iretsy farany tsy hampiasa hery.
Nalana izao hariva izao tsy ho minisitry ny atitany ao amin’ny governemanta Charles Rabemanjara ingahy Gervais Rakotonirina.
Tsy any an-kianja moa ny tena izao manoratra izao, noho ny asa aman-draharaha, ka mazava ho azy fa tsy hisy ny sary ho anareo. Ny radio 97.6 FM no source henoina mivantana avy eny amin’izao.
Amin’ny 15h30 izao. Miandry ny tohiny isika
…Miandry ny vadintany alohan’ny hidiran’ireo delegasiona ao amin’ny biraon’ny Ministeran’ny Filaminana anatiny, ny rehetra. Eo am-bavahady izany izy ireo no miandry ilay vadintany izay mbola any anaty vahoaka no nantsoina. Controleur General (minisitry ny filaminana avy amin’ny HAT) samy Controleur Général (avy amin’ny fitondrana) no nifampiraharaha teo anoloan’ny Ministera talohan’izao.
Ny teny amin’ny Ministeran’ny jono moa dia tsy mbola nidirana satria tsy mbola niaraka tamin’ireo delagasiona, hono, ny minisitra tokony ho ao. Ka rehefa nandalo teo ireo delegasiona dia niondrika nampiditra saron-tava ireo milices ary nihodina nanome lamosina.
(hafatra hitanao ihany koa ao anatin’ny tranonkalan-tserasera http://gazetyavylavitra.wordpress.com )
19h 44 izao aty Magadasikara. Fanampin’izay efa voalaza ery ambony ireto ampitaiko ireto:
Ireto avy ny ministera azon’ny Transition hatramin’ny anio tamin’ny 6 ora hariva teo:
Ministeran’ny Filaminana Anatiny
Ministeran’ny Atitany
Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izay samy eo Anosy avokoa.
Voasambotra tany Toamasina ihany koa ingahy Betiana Bruno avy amin’ny CRN
Teo anelanelam-potoana teo anefa dia nisy koa ny Filan-kevitry ny Ministry ny Governemanta Rabemananjra,
ka nanendrena ho Minisitry ny Atitay an’ingahy Rabenja-tseheno-arisoa (anarana nosoratako araka ny nahenoako azy, ary hahitsy araka ny fahazoana ny tena fanoratra azy)
Niandry teny akaikin »ny Hotely Carlton sy ny manodidina an’Anosy iny ireo vahoaka marobe ireo hatramin’ny 6 ora mahery nanoratana ity hafatra ity.
Fa ankoatra izay dia na eo aza ny hafanàna politika, dia tsy tokony hanadino ny teotr’andro isika. Misy andro ratsy miforona any Atsinanana any. Ao amin’ny ranomasimbe indiana. Mananontanona an’Analanjirofo. Mitondra orana betsaka.
Araka ny vinavina dia hiditra ny faritr’i SAVA izy io afaka 24 ora any.
Popularity: 3% [?]
Ce Valentin, où est-il?
16 février 2009 by Aiky
Je t’aime…
Combien de fois dans la vie a-t-on entendu cette formule magique? Combien de fois dans notre vie l’avons nous entendu pour nous? Combien de fois de votre vie l’avez vous entendu pour vous?
Un peu…
Beaucoup…
Passionnément…
A la folie…
A quel niveau? avez-vous remarqué que lors que « je t’aime » est associé à « bien » c’est mauvais signe si on était amoureux de la personne qui nous le dit?
J’ai aussi remarqué que je t’aime je t’aime « beaucoup » a moins d’espoir que « je t’aime un peu » – Elle m’aime … un peu OU elle m’aime … beaucoup? Si on l’aime tout court on préfère entendre « je t’aime… un peu » au moins il y a d’innombrables possibilités et d’espoirs.
Pas du tout…
En sommes nous sûrs? Est-ce que je t’aime « pas du tout » ne doit pas être proche de « je te déteste » ou même « je te hais »? Ou je t’aime pas du tout en parlant de l’amour érotique se rapprocherait un peu plus de « j’éprouve de l’affection pour toi »
Eh oui, autant de code pour une histoire bien complexe qu’est l’amour.
A l’infini…
… sans blague! tu oseras jurer? … et ce afin de mentir sur un avenir qui n’est pas sûr?! Johnny Halliday l’a chanté pour nous, « … à l’infini, je t’aime, à l’infini… »
On se retourne pour voir « ini lalana iny » (ce chemin là), on constate le nombre de fois où l’on a dit je t’aime, « à jamais », « pour la vie » voire « pour l’éternité ». Combien de fois a-t-on bifurqué? Combien de fois étions nous éprouvés? Avons-nous résisté ou avons nous changé de chemin pour rejoindre une autre route? Et la promesse faite? et les projets? …
Ce qui est sûr c’est qu’on doit tous vivre dans le scepticisme : tout ce que je sais c’est que je ne sais rien.
L’amour, l’amour. Ah l’amour! (*soupir*) J’emprunterai la chanson de Nanie en disant que des choses ont été dites sur l’amour et essayons de parler d’autres choses. Mais ce n’est pas toujours facile.
La vie quotidienne, pleine de routine tue à petit feu ce noble sentiment que jeune ou vieux tentent de vivre et de ressentir avec l’être aimé.
Metro, boulot, dodo
Je citerai ici Jean-Charles en reprenant une de ses perles « Manger, Boire, Dormir » sont les QUATRE choses essentiels de la vie (subtil)
Quelques jeunes couples tentent de concrétiser après une bonne soirée de la Saint Valentin. Pourquoi pas, c’est de bonne guerre si ce n’est pas trop calculé. Car en fait, en calculant trop certains sont tentés de comparer une fête de 14 février à un investissement à rentabiliser. Homme ou femme, on s’accorde à le dire.
Un petit cadeau-souvenir de l’année 200X, une carte comportant quelques mots doux, quelques gestes démontrant toute l’affection ou tout l’amour qu’on éprouve pour l’autre. Un scénario plein de romantisme digne des vieux films à l’eau de rose. Eh oui, chacun cherche à vivre un moment unique et inoubliable pour marquer les repères de la relation.
Ce qui m’a surtout marqué dans ma vie amoureuse n’est pas une journée ou une soirée de la Saint Valentin. Mais plutôt une nuit, la nuit d’anniversaire d’un être inoubliable à qui j’avais fait une bonne surprise en faisant ce qu’on m’avait toujours interdit de faire, juste par amour! Honni soit qui mal y pense.
On perd souvent une opportunité de dire combien on aime ou on apprécie une personne mais je vous le demande, n’hésitez plus, vivez tous les moments présents comme si tout cela doit disparaître un jour et vous verrez que vous avez vécu de bons moments.
Popularity: 4% [?]


License