sabotsy 24 janoary 2008 @ 13:48 no anoratana ity post ity. Efa ho adin’ iray izay no nidinan’i Andry Rajoelina sy ny mpanara-dia azy eny @ 13 mey raha toa ka teny Ambohijatovo (place de la démocratie) no nifamotoana androany maraina.Mankany mankany izy ity izany raha izany satria heno @ Radio Viva izao fa manainga ireo mpiasam-panjakana, ny fianarana(izay angatahiny ny hanidiana azy @ alatsinainy izao) sy ireo maro hafa tsy tadidin’ ny mpanoratra hifamotoana eny @ 13 mey 2008 ny alatsinainy ho avy izao raha toa ka mitaky ny hametrahan’ ny governemanta iray manontolo ny hametra-pialana ankehitriny dia ankehitriny izy.   Vao maika mihenjana ny tady … Dia ho sanatria ve hiverina kapoka iray toa ny tamin’ ny 2002 teo ity tantara ity. Ny hevitrareo?