Somary gaga ihany ny tena raha nahita io vaovao mahazendana sy mahagaga ary mety hanafin-tohina mihitsy aza raha tsy voahevitra firy ny momba azy. Raha tsorina amin’ny fiteny fohy sy mazava dia ahofa mandritry ny 99 taona amin’ireo koreana tatsimo maimam-poana ny 1,3tapitrisa hektara amin’ny firenana malagasy.

Izany hoe 1/5 ny tany azo volena ary 1/2 ny velaran’ny firenena belza izany raha ny fandalinana nataon’ireo mpanara-baovao sy mpanao gazety avy any ivelany toa ny « Courrier international » na « BBC news » na « RTBF« . Ny antony dia fanajarina ny tany mba ahafana mamboly katsaka sy mamokatra menaka no anton’izany ary avy eo dia alefa « maimaim-poana » any Korea izany rehefa vokatra. Mikasa ny hanenjika 5tapitrisa taonina isan-taona izy ireo alohan’ny 2023.

Tsy fitsikerana be fahatany no ezahina entina eto fa famakafakana fohy ahafahantsika milaza raha tsara ho an’ny malagasy na fanambakana io fifanarahana izay navoakan’ny gazety anglisy « Financial Times » io.

Ny tombon-tsoa sy ny fatiantoka ho an’ny malagasy no ndao hitondrana izany famakafakana izany.   

Raha ny fatiantoka aloha no jerena mialoha dia :
– mety ho very tanindrazana sy vohidrazana ireo fianakaviana maro satria ilan’ny firenena ny tany « utilité publique » ka tsy afaka ny hanao na inona na inona ireto vahoaka madinika izay lasa ny taniny.
– mety hisy endrika fanalikana na fanadevozana amin’ny fomba vaovao ireo mpiasa malagasy raha ny lesona sy ny ohatra azo avy amin’ny lasa no jerena.
– ny malagasy tsy mbola ampy sakafo ka dia alefa maimam-poana any ivelany ve ny vokatra « REHETRA »
– misy hofan-tany na hetra (impôts fonciers, taxe communale, ristourne, …) tsy miditra amin’ny kitapom-bolan’ny firenena malagasy
– mety ho mpiasa vitsivitsy ihany no ho raisina hiasa ary tena hiasa mafy mba tsy hahabetsaka ny vola mivoaka amin’ireto mpampiasa vola (charge salariale)
– tsy misy mbola afaka manome toky fa tsy ho voakasika sy tsy ho simba ireo valan-javaboahary izay harenan’ny malagasy. Tsara mantsy raha mba eny amin’Ihorombe na any Tampoketsa aloha no omena mialoha fa tsy tonga dia ny lemaka izay efa fananan’olona amin’ny ankapobeny.

Ny tombontsoa indray kosa raha jerena amin’ny saina tsy miangatra dia :
– ny fanomezana asa ireo tantsaha eny ambanivohitra ka miteraka fidiram-bola maharitra ho azy ireo izany.
– ny fanajariana ireo tany izay tsy noeritreretina fa afaka ambolena na ihany koa tany ngazana ka rahatrizay vita ny fifanarahana izany hoe afaka zato taona dia mba ho moramora ho an’ireo taranaka fara aman-dimby ny hampiasa sy hamboly azy (raha tsy lasa fanan’olom-bitsy indray avy eo)
– raha misy fidiram-bola maharitra ireo tantsaha dia mety ho hita ihany koa ny fiatraikan’izany ka mahasoa ho an’ny manodidina na « effet d’entraînement ». Anisan’izany ohatra ny fitombon’ny filana sy ny fanjifana ka ahafan’ireo olona hafa mivarotra na mampiroborobo ny fitanterana na ny fifaneraserana amin’ny tanàna hafa, na ihany koa fivoaran’ny faritra voakasika amin’ny alalan’ny fihatsaran’ny fiainan’ny mponina.
– Asa na tafiditra ao anaty fifanarahana fa mety hihatsara ihany koa ireo lalana sy tambanjotra misy any amin’ireo faritra.
– afaka mifehy ny fiakarana an-tanandehibe ny mpitondra raha misy asa eny ambanivohitra (maîtrise de l’exode rural)
– raha mitombo ny fidiram-bolan’ny mponina dia mety ahafahana mampitombo ny famporisihana ireo zaza hiditra an-tsekoly mba hampitombo fahalalana azy ireo
– mahazo traikefa sy fahaiza-manao vaovao ireo tantsaha malagasy mba ahafan’ireo olona hafa izay tsy miasa mampihatra amin’ny alalan’ny fakan-tahaka izany traikefa sy fahaiza-manao vaovao izany.

Tsy ireo ihany no tombon-tsoa sy fatiantoka mety ho hita fa ireo aloha no tsaroako tampoka eto ka dia ifampizarana. Efa tonga teto Madagasikara mantsy ireo tompon’andraikitry ny orinasa DAEWOO MAdagasikara ireo tamin’ny volana jolay lasa teo fa izao navoakan’ny Financial times izao vao mivoaka ny vaovao. Raha ny fahafantarana izay loharanom-baovao izany mantsy dia tokony azo itokisana raha ny fahaizana sy ny fomba fiasa no lazaina.

Rohy hafa :
allAfrica.com

JDD.fr