Culture,  Langue (Mg),  Loisirs

What is … puzzlotto

Puzzlotto [puzzlotto.com] dia kilalao (jeu) iray amin’ireny iPhone ireny. Tsy kilalao maimaim-poana izy fa vidiana 4.99$. Omaly izy no nanomboka ary ny mampalaza be azy ankehitriny dia mety hahazoana telopolo arivo dolara (30.000 $) raha ianao no mahavita azy voalohany.

Ny idirany amin’ny malag@sy miray? Miresaka momba an’i Madagasikara ilay kilalao, ary aty anaty alan’i Madagasikara no miseho ny tantara. Ny feon-kira rehetra mandravaka ny lalao dia teto Madagasikara no notontosaina. Miteny malagasy mihitsy aza, ka misy ao anatin’izany ny fanontaniana amin’ny fiteny malagasy. Sahirana tokoa ireo vahiny milalao azy ary misy ny toa lasa mahay malagasy tampoka teo. Mety ho mora amin’ny malagasy kosa angamba ny milalao azy satria ny ankabeazan’ny mpilalao mitaraina ny amin’ny fahasarotan’ny lalao hatreto dia mitatitra ny tsi-fahaizany ny teny malagasy ho antony voalohany amin’izany.

Natokana ho an’ny mponina any Etazonia ny puzzlotto.

Ny folo isan-jaton’ny tombom-barotra azo avy amin’io lalao io dia hanampiana fikambanana malagasy iray izay miady amin’ny fahantrana (Madagascar fauna group).

2 commentaires

  • saveoursmile

    😀 … noheveriko fa mbola style lojban avy @ geek indray ilay puzzlotto …
    Mety hisy hividy ve raha toa ka hanao mpandika teny ho an’ireo amerikana milalao puzzlotto aho ho fandikana ilay teny gasy ho teny anglisy (izay toa tsotsotra kokoa no ilay famadihana ho teny gasy ny teny vazaha)
    Ary efa mihamalaza anie izany nosintsika izany e …

  • Tahina

    Ohatran tiako ho hita be zany ry zalah mba manandrana miteny gasy zany lol ohatran le tambola kely maheno hira teny anglisy de lasa am zay mibadabada mamerina an’le iz lol

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.