Non classé

Ny fianarana no maha-olona

  • Manao ahoana ianao ry Dadatoa Rasamy.
  • Ahoana Ragasy a, misy azo atao an’ialahy fa tsy manam-potoana firy aho izao?
  • Eny tompoko, koa satria moa maika ianao dia … tonga dia ny votoatin-dresaka no hoentiko. Momba ilay resakao indray maka iry hoe vonona hanampy anay mianakavy ianao raha manana drafitr’asa maty paika hanatsarana ny fiainanay aho. Rehefa nandinika lalina aho dia misy tetikasa iray izay mety hanavotra anay tokoa handresena an’ity fahantrana ity.
  • Ha, tsara izany! Mila dinihiko anefa izay tetikasa izay fa sao diso fandray ialahy tamin’ilay resako iny an! Tsy vola adala tompo akory ny ahy sanatria ka omemena fahatany fotsiny fa tetikasa hita fa tena hanavotra an’ialahy isany tokoa matoa hotohanako, ary misy fepetra ihany koa ahafahako manaraka fa mandeha amin’ny laoniny ny fampiasana ny vola.
  • Eny tompoko, na dia kely ihany aza ny fahaizako dia efa nataoko an-tsoratra ny mombamomba azy ka raha mety dia sady hohazavaiko no mandinika ireto antontan-taratasy ireto isika.

  • Dia io izany tompoko ny tontalin’ny vinavinako amin’ny vola mety hilainay.
  • Eny ary lesy Ragasy fa hodinihiko ity, dia milaza amin’ialahy ihany aho ny tohin’ity resaka ity fa omena làlana aloha ialahy.
  • Dia misaotra mialoha tompoko, ho tahian’Andriamanitra indrindra anie ianao amin’izao fitsinjovana anay mahantra izao…
  • Tsy misy hisaoran’ialahy fa isika koa ange azo lazaina ho mpiray ombon’antoka ihany e! Iza moa no fanirakiraka sy manao ny asa maro ho anay raha tsy ianareo mianakavy ihany. Veloma.

  • Manahoana ny aty Ragasy ô! Iraka avy any amin’i Dadatoa Rasamy tompoko ô!
  • Mandroso ianao tompoko, mipetrapetraha.
  • Eny tompoko, izao no hafatra avy any aminy tompoko: Mahafaly azy hono ny milaza aminareo fa rehefa nandinika an’ilay tetikasa nasehonareo iny hono izy dia vonona ny hanampy anareo mianakavy kely…
  • Eny tompoko, vaovao mahafaly indrindra izany.
  • Fa momba ilay lelavola aloha dia tsy homena indray maka izy rehetra fa ny ampahany hahafahana manomboka ny asa ihany aloha, dia arakaraky ny fivoatry ny fandehan’ny asa eo no hanampiany an’izany. Momba ny famerenana ny vola hindraminareo dia efa fantatrao hono ny zana-bola sy ny fe-potoana famerenana azy.
  • Eny e, efa nivonona ho amin’ireny matoa mindrana …
  • Dia mbola misy fepetra tsy maintsy harahinareo ihany koa izany, ka raha manaiky an’izay ianareo vao atao ny fifanarahana. Tsy dia fepetra sarotra hono izy ity fa tsotra ihany.
  • Eny tompoko, ahoana hono?
  • Voalohany aloha, mila manakarama mpanara-maso ny asa ianao fa andrao angalarin’ny mpiasa fotsiny ny vola ka tsy manara-penitra ny fotodrafitrasa miorina. Dia misy olona any izany azon’i Dadatoa Rasamy antoka tsara satria fianakavianany ihany, dia hasehoko anao ireo olona ireo. Lafolafo ihany ho anao ny karamany kanefa mila miaritra kely satria izay no vidin’ny antoka ho anao sy ho an’i Dadatoa Rasamy fa tena mandeha amin’ny laoniny ny fampiasam-bola.
  • Ekena izany ka, atao ahoana moa fa mpindrana ny tena, na dia manana fianakaviana mahavita an’io asa fanaraha-maso io koa aza aho, izay sady azoko antoka tsara no mora karama. Saingy izy mpampindram-bola kosa tsy hahazo antoka an’io olona io fa tsy maninona e.
  • Faharoa manaraka an’izany, ireto zanakao 6 mianadahy ireto hono mila ampianarinao amin’ny sekolim-panjakana na sekoly tsy miankina fa mampianatra amin’ny fiteny malagasy.
  • Azafady fa tsy dia azoko loatra no idiran’ny fianaran-janako amin’ity resaka fanampiana ity. Raha ilay resaka mpanara-maso dia azoko tsara fa ity fepetra faharoa ity sahala amin’ny hafahafa ihany.
  • Eny e, izao no nasainy navaly anao momba izay fanontanianao izay: ny sekoly mampianatra amin’ny fiteny malagasy hono mora saram-pianarana kokoa, nefa ny kalitaom-pampianarana mitovy ihany. Sady efa fotoanan’ny fanandratana ny maha-malagasy ihany koa hono izao. Koa mba tsy hisian’ny olana ara-bola amin’ny fiainanao aoriana noho ny saram-pianarana tsy ho voaloa dia aleo mizatra dieny izao amin’ny fampianarana moramora kokoa.
  • Asa tompoko fa somary mahavaka ahy ihany na izany aza. Matoa aho mikiribiby mandefa ny zanako amin’ny sekoly miteny vahiny dia hitako ny tombontsoan’ireo mpianatra nizatra tamin’ny sekoly miteny vahiny dieny mbola kely.
  • Hafatra moa ny ahy no entiko ka dia izay izy, ireo hono no fepetra lehibe raha hatao ilay fifanarahana. Fa raha ny fandinihako ny tantara dia izao no eritreritro, nefa aoka ho resaka samy isika izy ity an: Tsy manamanam-poana ny olona Andriamatoa Ragasy fa izay fetsy ihany no manana. Ary ny mpanana na milaza hanampy anao aza, sady ory hava-manana ihany ireny ka manahy sao hihoaranao. Izao izao, ianareo no fanirakirany sy karamainy mora amin’ny asa ilàny olona. Raha mahantra loatra ianareo na maty, iza indray no ho fanirakirany eo, dia izay no antony hanampiany anareo. Nefa koa raha tafasondrotra hitovy aminy na hihoatra azy, dia tsy ho azony hirakirahana ihany koa. Ny antsika lehibe izao Ragasy efa somary vita ny fiainana fa ny ho avin’ny ankizy no tena jerena. Koa raha ny filofosana sy ny fahaizan’ireto zanakao ireto no mahazo fampianarana mitovy amin’ny an’ny zanaky ny mpanana, minoa ahy marimarina fa ny zanakao indray no ho mpanefoefo noho ireto zanany mpanampatra ditra ireto. Fantatr’i Dadatoa Rasamy tsara ny tsy fitovian’ny kalitaom-pampianarana miteny malagasy sy miteny vahiny, ary fantany fa raha amin’io fianarana miteny malagasy io ny zanakao no hianatra dia ho sahirana rehefa lehibe satria tsy hahay ny fiteny vahiny ampianarana eny amin’ny fampianarana ambony. Dia ao amin’ilay ilàny azy e: Manam-pahaizana ilaina amin’ny fanompoana azy fa tsy manam-pahaizana hifaninana aminy.

7 commentaires

  • pissoa

    Toa afaka miteny vahiny ihany na dia nianatra tamin’ny sekoly malagasy aza koa … farafaharatsiny misy sekolim-panjakana mahavoa ihany ! (Sa ve noraisiko antomotra loatra ilay tantara hi hi hi)

  • Dotmg

    pissoa> Ary misy tokoa ny Ray aman-dReny faly fotsiny hoe miteny vahiny ny zanany, dia tsy miraharaha an’ilay fiteny malagasy mihitsy. Nefa tsy ny fahaizana miteny vahiny no atao hoe mahay. Ny mahavita fianarana hananana asa mahavelona no tanjona, ary ilay fanagasiana misy olana kely raha mbola te hanohy fianarana ny ankizy nefa tsy mahay fiteny vahiny. Izaho anisan’ny nampianarina tamin’ny teny malagasy tamin’ny ambaratonga fototra sy faharoa, dia avy eo nifindra taty an-dRenivohitra tamin’ny kilasy fahasivy (T9, 3è), tonga dia nisedra fampianarana amin’ny fiteny frantsay fa tena sahirana be tamin’ny voalohany. Zanaka mpampianatra aho dia nianatra be tany an-trano fa raha tsy izany angamba tena nijery florat fotsiny. Tanaty tokantrano nisy fahitalavitra ihany koa ary tena nanampy ny fahaizana teny frantsay ny fisian’ny tele tamin’izany. Fa tamin’izany T9 izany tompoko, izay tsy mahay frantsay dia tsy mahay fianarana ihany koa.

  • news2dago

    Lalina tokoa izy ity ka! iri-mahory ihany ity teny malagasy ity! kanefa dia ataon’ny olona fandrefesana ny saranga misy foana izy ary azo kilasina avy hatrany oe tsy mahay rehefa tsy mahay miteny vahiny. Za koa izao tao anatin’ny fanagasina fa mba nahavita ny fianarana ihany taty afara.

    Ny tiako tsindrina fotsiny dia ny oe! ny fianarana dia fikirizana ary ny fitiavana no tokony atao mibahana fa tsy terena ny olona! raha te hahay teny vahiny iray ianao dia mila tinao aloha ilay izy vao mianatra azy ianao @ izay mantsy tena misy finiavana oe hianatra ny tena. toy izany ohatra ny teny anglisy firifiry moa ny malagasy no nahafolaka azy io taloha kanefa izao tena tsapa fa tian’ny ankizy ilay izy ka maro no mamola-tena mihaino bbc sy mianatra azy rehefa vakansa ka hany ka maro indray izao ny ankizy mitsaotsaona @ ny teny anglisy ankehitriny ary tena ao tsara fa tsy oe mizesta akory, tsy latsa-danja @ izany ny teny hafa.

    Io ry Dotmg rehefa hianatra hay foana fa tsy azo ferana oe tsy ho tafavoaka izy raha tsy miteny vahiny a! Ny harena koa anie mila vitana fa tsy izay te hanan-karena akory dia manana avokoa e!

  • Dotmg

    news2dago> tsy voatery ho marina ilay hoe rehefa mianatra hay foana. Io no tsipihiko foana hoe ilay teteza-mita « zatra teny malagasy » -> « voatery hampihatra teny vahiny »; eo no tena olana be ho an’ny mpianatra. Ny efa hay lasa tsy hay intsony ary ny vao hianarana tsy misy rirany. Eto izany dia ahiana hiteraka fisarahan-tsaranga roa indray ity fanagasiana vaovao ity: Ny mpianatra ety an-drenivohitra dia hahazo tombony betsaka satria sady hahafolaka ny teny malagasiny, no tsy sarotra ho azy ihany koa ny famehezana ny fiteny vahiny noho ny fisian’ny radio, tele, internet. Ny tsy fisian’ireo mantsy no nahasarotra ny fanagasiana voalohany. Ireo mpianatra ambanivohitra tsy manana radio sy tele, tsy mahalala ny fisian’izany internet izany kosa no tena ho tapi-dàlan-kaleha rehefa vita ny dingana miteny malagasy. Tsy maintsy hifindra fonenana aloha voalohany raha mbola te hanohy satria ny fokontany sy kaominina nisy azy lavitra ny fianarana ambonimbony kokoa. Mila vola be izany ary mila fikirizana. Ho tonga aty an-drenivohitra anefa sahala amin’ny ho gidany satria ny ankizy hafa efa manana tombon-dahiny lavitra amin’ilay fiteny vahiny. Raha sanatrian’izany moa hiverina any ambanivolo fa tsy nahovoka dia vao mainka ho loza satria tsy hita izay fivoarany miohatra ny bandy kelin’ny tanàna tsy nandia fianarana, kanefa ny volan-dRay aman-dReny lany tamin’ny fianarana.

    Dia ahoana ary izany? Ny fambolena izao no hoavin’izao tontolo izao, kanefa ny fari-pahaizan’ireo ho mpambolintsika izany ho sahala amin’ny tsy ambony tsy ambany. Sa isika samy isika no hifanjanaka eto ka ny bandin’ny ville handeha hi-bizna any ambanivohitra any, hambotry izay azo botriana?

    Rehefa miresaka hoe fampiasana ny fiteny malagasy any am-pianarana ny fanjakana dia tokony hofaritany mazava tsara hoe:
    hatraiza io fanagasiana io, hatramin’ny taona fahafito ve, sa hatrany amin’ny fahasivy sa hatrany amin’ny kilasy famaranana sa hatrany amin’ny anjerimanontolo? Iaraha-mahalala fa ny Bacc izao efa tsy misy vidiny, ka tokony ho hatrany amin’ny taona fahadimy amin’ny anjerimanontolo io fanagasiana io, farafahakeliny.

  • pissoa

    Fa ilay fanagasiana angaha aloha mitarika hoe azera daholo ny teny vahiny hafa ? Somary hafa ihany mantsy raha izany hoe natao isan’ny teny ampiasaina ao amintsika ny teny Anglisy dia avy eo isika miverina amin’ny fanagasiana.

    Ohatra ny ho degany be ihany izany fanagasiana hatrany amin’ny taona fahadimy amin’ny anjerimanontolo izany ka. Tsy ny vokany no resahiko fa ny fanatanterahina azy mihitsy. Raha raisina aminareo geek itony izao ( 😛 ) toa mbola lavitra ezaka ihany isika Malagasy amin’ny voambolana ampiasainareo isan’andro. (Ny anay aloha mba efa nahita ampahany ihany aho, mety tsy ho sahirana loatra).

    Marina tokoa aloha ilay hoe hosarahirana ny mpianatra avy any ambanivohitra rehefa hifindra amin’ny tanana « renivohitra kokoa ». (Mampatsiaro ny fahoriana tamin’ny vao nifindra taty lol – I love you ihany no teny Anglisy hay hoy ny hanihany lol – Ny zavatra tsotra be teny Ankatso ohatra ny zavatra tsy mety ho takatry ny saina iznay).

    Fehiny izany – raha ny fahitako manokana (raha ilay hoe avela ny teny hafa io @ ilay fanagasiana) dia toa tsy hitondra inona ho antsika ilay izy, ankoatra ny hoe « identite » 🙂

  • Fanilo

    Heloooo !

    A vue de nez … en l’air,

    C’est nos facultés à faire des partages idéaux qui font de nous des êtres humains. Là où les bêtes ne partagent que l’espace nous voulons partager des paroles, répartir, trier, hiérachiser, collectioner tout, l’univers, le monde, les atomes, les livres, le riz, les bisous.

    Le cas particulier est qu’on veut aussi partager des trucs tordus, on va à l’école pour ça, on fini par savoir partager des dollars australiens avec des clients japonais.

    Et puis le partage ultime c’est la conscience de l’autre et de soi,
    nous pouvons élever notre esprit …
    (comme un seul esprit ? en sympathie avec The Lord ? coooool !)

    Fanilo.
    Il partage aussi la nuit
    Waaaahahaha !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.