Non classé

Fotoam-pialan-tsasatra: tantarao hoe ny anareo?

Tsy sanatria fanamaivanana ireo resaka matotra be mandeha eto amin’ ny blaogasyfera malagasy akory (raha tsy hitanisa afa-tsy ny tantara mitohy an’ i Kamba, ny fanohizana ny efa natomboky ny tetik’ asa Telomiova, …), na koa hoe tsy firaharahana ireo rohin-dresaka malaza amin’ izao fotoana (toy ny tatitry ny fetin’ ny aterineto, na ny tetik’ asa hanaovana ny barcamp voalohany eto Madagasikara, fa mba te hisarika antsika mpitoraka bilaogy ny hizarantsika ireo karazana fialam-boly (n)ankafizintsika nandritry ny fotoam-pialan-tsasatra toa izao. Ny tanjona dia ny mba hampisokatra ny sain’ ny mpamaky hafa ny fisian’ ny fialam-boly hafa(ankoatry ny aterineto sy ny « consoles de jeux »), na koa fitantarana fotsiny ireo fotoana nahafinaritra

Hanokafako ny lanonana izany dia ny lisitr’ireo kilalao na fialam-boly nahafinaritra ahy fony mbola kilonga aho (ka mbola tsy nahafantatra ny aterineto):

– bandy sy rôla: toa tsy andry ery ny ahamaraina ny andro hamoriana ireo akama rehetra hanaovana io kilalao io, indrindra moa ka rehefa hoe avy nandefa horonan-tsary « Western » ny TVM (tsy nisy télé hafa t@ izany) dia miady mihintsy ny hitondra ny anaram-bositra Géronimo, na Cochise … Tandremo ihany ry zareo fa manaikitra ilay alika ao amin-dry zareo ao atsinanana ao an, aza miafina ao:-D
– nanao « pic-nic » nandeha tongotra niakatra tendrom-bohitra ireo ankizy iray tanàna: ny nahafinaritra ahy tamin’io dia ny fiaraha-mientan’ny rehetra, hany ka na dia maro aza ny nihevitra fa tsy ho vita iray andro ny fiakarana ilay tendrom-bohitra dia nanao rodobe foana ihany … Rehefa miverina any aho mijery vao tonga saina fa lavitra/avo ilay tendrom-bohitra niakarana kty…

– baolina kitram-pokontany 🙂 Rehefa telo mirahalahy ny tena, ary mitovitovy amin’ izay koa ny andrizareo ao atsinanana, ampian’ny bundesliga mandeha isaky ny faran’ ny herinandro amin’ny TV dia mazava ho azy fa raikitra ny filalaovana baolina kitra. Ny cité nisy ny tena koa moa azo hanaovana baolina daholo ny tokontanin’ny isan-tokan-trano (toa mbola tadidiko foana ny fibedesan’ i Neny anay fa voahosihosinay ny voninkazony rehefa raikitra ny baolina). Hatramin’izao moa dia mbola manaraka foana ny takaitra satria dia matetika folaka ny « cheville » t@ izany. Ny tena koa moa nipetraka t@ itony atao hoe cité itony ka mora ny nanangana ekipa. Vita ny baolina dia manafika katsaka sy ronono .. na resy io na mandresy… lol 🙂 … Ary raha tompom-baolina moa dia aza entina mody ny baolina rehefa resy e …

– nihaza voron-kely miaraka amin’ny baka-plesy, na nanjono teny antanimbary .. hihihi … Izy io dia tsy nahombiazako loatra fa zara raha nitondra nody … Ny nifanehitra tamin’ny bibilava moa manginy fotsiny .. izany hoe taty aoriana vao nahafantatra fa tsy maninona ireny bibilava ireny … Toa ny fitadiavana ilay hazo mimoza tena misamaka tsara ho Y koa no nahafinaritra tamin’ ireny kty

– nanao « tômôbila » kely vita amin’ ny baoritra … lany mihintsy ny lera nandrafetana ilay « tômôbila » … Fa toa « voilé » foana ho’aho ilay kodiarana e …

– ireo afon-dasy amin’ny andro alina ravahin’ ny fikaloana sy fanatonoana saosisy/masikita, arahan’ ny fitantarana hatsikana … Ary aza atao akaikin’ilay afo loatra moa ilay gitara fa manjary mivalana e

Ireo no tonga ato an-tsaina izao fa mba tantarao hoe ny anareo?

http://www.friendfeed.com/saveoursmile

11 commentaires

  • Tattum

    Au contraire, c’est vrai que ça fait du bien et ça correspond à l’esprit initial de MM.

    Ah ça replonge dans les souvenirs tout ça!
    – pareil, on jouait avec les autres enfants du quartier et ceux d’en face: skate, puis véritables sorties en groupe en vélo dans tout Tana
    – Ankatso était notre terrain de jeux favori (car pas très loin et il y avait de quoi faire)
    – ping-pong: on organisait des tournois entre voisins
    – cahier de vacances: j’y ai eu droit jusqu’en classe de 3è, une heure tous les matins durant les grandes vacances!
    – se poursuivre dans les tany anana (tsy nisy tanimbary teny akaikinay), gare à celui qui tombait, masque de boue assuré!
    – demander un milliard de fois « quand est-ce qu’on arrive » quand on partait au bord de la mer
    – ramasser les crabes à l’aube et accueillir les pêcheurs à leur retour

    C’était bien aussi, sans Internet 🙂

  • saveoursmile

    😀 cahier de vacances izany ve fialam-boly?
    Ie, tsara koa na tsy misy aterineto aza ka …Fa tsy aleo aza ve aterineto toa izay Jeux video e … Tsy nahasarika ahy loatra ireo jeux video fa t@ vao nanombohako nanao azy (sur IBM PS/1 lol) dia nisy jeux formule 1 izay tsy nety nhareseko bandy akama iray izay … Tadidiko mihintsy fa circuit Italie ilay izy dia efa navoaka daholo ny fahaiza-manao takatry ny saina fa nisy dixi`eme de seconde tsy nety ho tratra mihintsy e …

  • nante9

    tena tsara ity resaka lalao ity ka. Ny ankehitriny tokoa moa eto andrenivohitra efa mirona amin’ny lalao atao amin’irey solosaina ireny ka mahafinaritra ny mampahatsiahy ny kilalao taloha (mahatsiaro antitra isika miresaka izany !). Ny tsy voatanisa tao dia ny lalao papango hamboarina rehefa ririnina bebe rivotra iny. Mifandringotra amin’ny tarobian’ny jirama. Ao koa ny tsipy kanetibe natao tamin’ny kapoaka, ny fampiadiana hala sy tanalahy, ary farany fanaoko dia ny « joera » rehefa misy mondial. Izay izany ry saveoursmile fa mety mitovitovy taona isika.

  • saveoursmile

    @nante9: aza manaiky ho antitra izany kty … Ie nahafinaritra tokoa io fanaovana papango io… indrindra rehefa tapaka ilay tady dia manenjika azy 😀 Mety mitovitovy taona marina isika izany …kapsily sa porcelaine ny joera? Kapsily ny olona, dia boîte sardine ny goal, dia vola roapolo (ilay mbola boribory)no hanaovana lasitra handokoana ny maillot an’ireo joera 😀

  • Tattum

    Le cahier de vacances faisait partie intégrante de mes vacances oui! 😀
    La récompense de le finir était les vacances au bord de la mer.

    Izaho tsy nety tia jeux vidéos, fa feno cousins sy voisins dia manadala fotsiny.

    Ary polisy volera ko! Cache-cache, élastique, kalesa aloa dia skate avy eo, papango marina.

    Isika ange zaza be daholo e! 😀

  • maintikely

    tsy ratsy ity resaka iray ity. Ny ahy ny tena hatsiarovako ny fahazazako rehefa fialan-tsasatra dia ireto: tantara (viavy ny tena :D), tso-bato sy katro, tsikonikonina, ny fanenjika, ny kasikasi-kapoaka :), avy mangataka sy j’ai perdu ma fille, coq poule, jeu de faritany, mampiady vonina litchi, kalesa, course tônabil…

    be loatra tsy ary ho voatanisa.
    Tsy dia tia jeux vidéo t@mbola kely satria na i mamanay aza milalao. Efa lehibe vao maka revanche 🙂

  • Elsifaka

    ny anay toa goavy no fanaovana baka-plesy fa tsy mimoza…

    fa ny nampiady omby tanimanga koa no tena natao tamin’ny mbola kely, nanao saribao, nanamboatra vilany tamin’ny tanimanga, dia nanao tsikonona tamin’ireo vilany sns ireo…

    niandry aomby, nikiky mangahazo, niarak’andro, nitery ronono, niandry gisa !

    nantsaka…

    ohatran’ny lasa kilalao izany daholo ny zavatra rehetra tamin’ny fialantsasatra taloha satria niarahana nanao tamin’ny zafikelin-dry dadabe sy bebe rehetra ! sa ahoana ? izao efa tsy amin’izany intsony ny ankizy aty andrenivohitra, vao tsy misy fahitalavitra dia : – tsisy atao aho zany – ireo ny vilia sasana 🙂

  • Dotmg

    Ny kilalao omaly ve?

    Ankisisika aloha no tena nanaovana betsaka, niandahy niambavy. 10 mirava, izany hoe izay ekipa mahafaty 10 voalohany no mandresy.

    Zedekapoka sy gain gain, tsy nataon’ny ankizy tratra mihitsy aho tamin’ny zandriny indrindra fa be koretaka. Nony efa nisy kely taona niara-nilalao vao mba boka tsindraindray. Tsy misy tsirony ilay milalao raha vao iangarana be loatra.

    Zoera, mitarika fiara kapoaka, fa ireny toa misy fotoanany foana. Tsy fantatro hoe ahoana no hanazavana azy fa misy fotoana hita mitarika fiara kapoaka daholo ny bandy kely iray tanàna (samy mamboatra sy manana), ary misy fotoana dia tena mimpirina volana maro any ireny kilalao ireny (na simba) fa ny zoera indray no makotroka.

    Taty an-drenivohitra indray dia nihanika hazo (tsy manamaina fa mitaingina goavy, pibasy, dia tsy haiko ilay hazo be misy voniny mavomavo sy rononony fotsifotsy). Fa ny tena haren’ny fahazazana taloha dia ny fananana cousins sy cousines amin’ny taonina rehefa grande vacances. Tafavory amin’ny toerana iray ny fianakaviana iray manontolo. Amin’ny alina aza tsy mety te-hatory mihitsy raha tsy tena alina be.

  • saveoursmile

    @elsifaka: inona izany niarak’andro fa tena tsy azoko an-tsaina mihintsy. Io nitery ronono io tena mba tsy angadiko mihintsy kty. Kanefa ny ray aman-dreny nimpy omby fa izaho zara raha nahafeno zinga iray rehefa nitery … fa manabokona avant-bras sy poignet be ilay izy an (na izaho koa no badraodra t@ izany)

  • pissoa

    Ankoatra ny betsaka efa voalaza :

    1 – Misaombotra saho-bakaka ! Mahafinaritra be ilay mianjera any anaty dobo a … gloup gloup nefa tsy mahay milomano.

    2 – Ankisitri-batokely ! Aseho amin’ny namana hoe ity ny vato kely ho afeniko … dia asitrika ambanin’ny tany dia faritana hoe ato anatin’ito faribolana ito no misy azy ! Ny hafa mitady.

    3 – Mariazy mariazy ! Wep … sahirana ery mampihaingo ilay sipakely hoe atao mariazy hono. Manomboka amin’ny fitangosana vonin’ny garana, duranta, ravin-kininina ary laingo mena, dia fenoina tralala be ilay vehivavy. Ilay lehilahy moa manamboatra trano hono (koa hanambady koa …) dia any anaty ala manao tranotrano ravin-kininina !

    Ohatra ny tsy haiko ilay zoera zoera lazain’i DotMg – fa ny nataonao hoe zoera dia baolina kitra kely … kapsily tsipindiana no atao zoera, plastic nodorana dia atao boribory ny baolina ary boite a sardine no atao « but ».

    (Nataonay in-1 mandeha izay fotsiny : didi-poitra ha ha ha !!! zistoara hoa zistoara loool)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.