Ny teny Malagasy ho fampianarana ny zaza Malagasy

17 juillet 2008 by Avylavitra  

Haverina amin’ny teny Malagasy ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra (primaire) araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana. Momba izany no nanasàn’ny fahitalavitra tsy miankina iray (TVPlus) ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Ambaratonga Ambony RATREMA William, sady mpanorina ny vondrom-panabezana ACCEEM ihany koa.. Ny mpanao gazety nanasa azy kosa dia Onitiana Realy
Indro tateriko ho anao etoana ny dinidinika nataon’izy mianaka ireo ka ny OR dia raiso ho i Onitiana Realy ary ny RW dia raisintsika hoe RATREMA William  Lire la suite

, , ,

Ny fianarana no maha-olona

11 juillet 2008 by Dotmg  

  • Manao ahoana ianao ry Dadatoa Rasamy.
  • Ahoana Ragasy a, misy azo atao an’ialahy fa tsy manam-potoana firy aho izao?
  • Eny tompoko, koa satria moa maika ianao dia … tonga dia ny votoatin-dresaka no hoentiko. Momba ilay resakao indray maka iry hoe vonona hanampy anay mianakavy ianao raha manana drafitr’asa maty paika hanatsarana ny fiainanay aho. Rehefa nandinika lalina aho dia misy tetikasa iray izay mety hanavotra anay tokoa handresena an’ity fahantrana ity.
  • Ha, tsara izany! Mila dinihiko anefa izay tetikasa izay fa sao diso fandray ialahy tamin’ilay resako iny an! Tsy vola adala tompo akory ny ahy sanatria ka omemena fahatany fotsiny fa tetikasa hita fa tena hanavotra an’ialahy isany tokoa matoa hotohanako, ary misy fepetra ihany koa ahafahako manaraka fa mandeha amin’ny laoniny ny fampiasana ny vola.
  • Eny tompoko, na dia kely ihany aza ny fahaizako dia efa nataoko an-tsoratra ny mombamomba azy ka raha mety dia sady hohazavaiko no mandinika ireto antontan-taratasy ireto isika.

  • Dia io izany tompoko ny tontalin’ny vinavinako amin’ny vola mety hilainay.
  • Eny ary lesy Ragasy fa hodinihiko ity, dia milaza amin’ialahy ihany aho ny tohin’ity resaka ity fa omena làlana aloha ialahy.
  • Dia misaotra mialoha tompoko, ho tahian’Andriamanitra indrindra anie ianao amin’izao fitsinjovana anay mahantra izao…
  • Tsy misy hisaoran’ialahy fa isika koa ange azo lazaina ho mpiray ombon’antoka ihany e! Iza moa no fanirakiraka sy manao ny asa maro ho anay raha tsy ianareo mianakavy ihany. Veloma. 

Lire la suite

, , , , , ,

Fotoam-pialan-tsasatra: tantarao hoe ny anareo?

2 juillet 2008 by saveoursmile  

Tsy sanatria fanamaivanana ireo resaka matotra be mandeha eto amin’ ny blaogasyfera malagasy akory (raha tsy hitanisa afa-tsy ny tantara mitohy an’ i Kamba, ny fanohizana ny efa natomboky ny tetik’ asa Telomiova, …), na koa hoe tsy firaharahana ireo rohin-dresaka malaza amin’ izao fotoana (toy ny tatitry ny fetin’ ny aterineto, na ny tetik’ asa hanaovana ny barcamp voalohany eto Madagasikara, fa mba te hisarika antsika mpitoraka bilaogy ny hizarantsika ireo karazana fialam-boly (n)ankafizintsika nandritry ny fotoam-pialan-tsasatra toa izao. Ny tanjona dia ny mba hampisokatra ny sain’ ny mpamaky hafa ny fisian’ ny fialam-boly hafa(ankoatry ny aterineto sy ny “consoles de jeux”), na koa fitantarana fotsiny ireo fotoana nahafinaritra

Hanokafako ny lanonana izany dia ny lisitr’ireo kilalao na fialam-boly nahafinaritra ahy fony mbola kilonga aho (ka mbola tsy nahafantatra ny aterineto):

- bandy sy rôla: toa tsy andry ery ny ahamaraina ny andro hamoriana ireo akama rehetra hanaovana io kilalao io, indrindra moa ka rehefa hoe avy nandefa horonan-tsary “Western” ny TVM (tsy nisy télé hafa t@ izany) dia miady mihintsy ny hitondra ny anaram-bositra Géronimo, na Cochise … Tandremo ihany ry zareo fa manaikitra ilay alika ao amin-dry zareo ao atsinanana ao an, aza miafina ao:-D
- nanao “pic-nic” nandeha tongotra niakatra tendrom-bohitra ireo ankizy iray tanàna: ny nahafinaritra ahy tamin’io dia ny fiaraha-mientan’ny rehetra, hany ka na dia maro aza ny nihevitra fa tsy ho vita iray andro ny fiakarana ilay tendrom-bohitra dia nanao rodobe foana ihany … Rehefa miverina any aho mijery vao tonga saina fa lavitra/avo ilay tendrom-bohitra niakarana kty…

- baolina kitram-pokontany :-) Rehefa telo mirahalahy ny tena, ary mitovitovy amin’ izay koa ny andrizareo ao atsinanana, ampian’ny bundesliga mandeha isaky ny faran’ ny herinandro amin’ny TV dia mazava ho azy fa raikitra ny filalaovana baolina kitra. Ny cité nisy ny tena koa moa azo hanaovana baolina daholo ny tokontanin’ny isan-tokan-trano (toa mbola tadidiko foana ny fibedesan’ i Neny anay fa voahosihosinay ny voninkazony rehefa raikitra ny baolina). Hatramin’izao moa dia mbola manaraka foana ny takaitra satria dia matetika folaka ny “cheville” t@ izany. Ny tena koa moa nipetraka t@ itony atao hoe cité itony ka mora ny nanangana ekipa. Vita ny baolina dia manafika katsaka sy ronono .. na resy io na mandresy… lol :-)Ary raha tompom-baolina moa dia aza entina mody ny baolina rehefa resy e …

- nihaza voron-kely miaraka amin’ny baka-plesy, na nanjono teny antanimbary .. hihihi … Izy io dia tsy nahombiazako loatra fa zara raha nitondra nody … Ny nifanehitra tamin’ny bibilava moa manginy fotsiny .. izany hoe taty aoriana vao nahafantatra fa tsy maninona ireny bibilava ireny … Toa ny fitadiavana ilay hazo mimoza tena misamaka tsara ho Y koa no nahafinaritra tamin’ ireny kty

- nanao “tômôbila” kely vita amin’ ny baoritra … lany mihintsy ny lera nandrafetana ilay “tômôbila” … Fa toa “voilé” foana ho’aho ilay kodiarana e …

- ireo afon-dasy amin’ny andro alina ravahin’ ny fikaloana sy fanatonoana saosisy/masikita, arahan’ ny fitantarana hatsikana … Ary aza atao akaikin’ilay afo loatra moa ilay gitara fa manjary mivalana e

Ireo no tonga ato an-tsaina izao fa mba tantarao hoe ny anareo?

, ,