Fetin’ny aterineto Malagasy
juin 30, 2008
by Avylavitra
Filed under Langue (Mg), Actualités, Culturel
Raha vao miresaka solosaina, dia tsy maintsy tonga ao an-tsaina ny momba ny aterineto. Ary raha vao miresaka aterineto dia tonga indray ao an-tsaina ny mailaka, ny resaka mivantana, ny lalao, ny fitadiavana namana, sns… Izany hoe raha tsorina dia ny “mahafinaritra” no betsaka ampiasan’ny olona ny aterineto. Ireny no be mpitsidika raha vao mitopy any amin’ny fafana eo anoloan’ny olona iray mampiasa solosaina ka mitsidika tranonkalan-tserasera ny maso.
Natao tao amin’ny Hotel Carlton Anosy nandritry ny roa andro (28 sy 29 jona 2008) teo ny fetin’ny aterineto teto Madagasikara. Ny AE MISA (Associaton des Etudiants- Maîtrise en Informatique et Statistiques Appliquées) no nikarakara ny hetsika. Tsy azo lazaina ho vitsy ny mpitsidika, nefa koa dia heveriko fa tokony ho betsaka noho izay tonga tao raha toa ka nampiasa fampahafantarana hafa ankoatra ny Radio, Télé, sy Gazety ny mpikarakara. Tsinjo mantsy fa na dia ireny Lamba ahantona ho hitan’ny besinimaro fametraka eny amin’ireo toerana be mpandalo, toy ny fiandrasana fiara mpitatitra, sy ny manakaiky tsena aza dia toy tsy nisy, ary indrindra fa na dia teo akaikin’ny Hotel Carlton izay nadray ny hetsika aza.
Na izany aza anefa dia nafana sy nahafinaritra ny tao anatiny tao. To ny fanomezana fotoana (20mn isaky ny andiany) hahafahana miserasera tsy andoavam-bola amin’ny aterineto. Faly tokoa ireo mpitsidika tamin’izany ary misy mihitsy aza ireo izay tsy nody raha tsy tamin’ny firavan’ny lanonana amin’ny hariva. Anisan’ireny ry Fcandy telo mirahavavy izay nilaza ny hiverenany amin’ny sehatry ny blaogy aorian’ny fanadinana BEPC.
Isan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’izany ny TETIKASA TELOMIOVA. Nifanotofana ny fanontaniana sy ny famaliana azy ireny. Tamin’ny andro voalohany dia nahitana an’I Ando, Dotmg, Glou, Avylavitra, Jentilisa, Elsifaka tao anatin’ny tranolain’ny Telomiova. Ny andro faharoa kosa dia I Blanche, Voahirana, Avylavitra, Dotmg, Jentilisa. Nandalo teo ihany koa I Patou sy Naritsimba (serasera). Tsy azo adinoina koa anefa ny fanatrehan’I Annie izay nitondra hery sy tosika tokoa ho an’ny ekipa.
Hetsika voalohany nisehoan’ny Tetikasa Telomiova iny, nefa dia betsaka ny liana. Anjaran’ny Telomiova izany izao ny manao ny mety ho fanohizana izay efa mijoro. Maro mantsy ireo naneho fahavononana hiara-hiasa amin’ny Telomiova. Isan’ireny ireo mpampianatra vitsivitsy tonga tamin’ny anaran’ny tenany manokana ka naka ny laharana hahafahana miserasera amin’ny tompon’andraikitra (Tosoa), ny Université Ankatso, nisy koa solon-tenan’ny Kolejy Saint-Michel izay nandalo naka ny mombamomba ny Tetikasa sy efa nametraka sahady fa hanao hetsika ato ho ato ary dia isan’ny hahazo fanasana any ny Telomiova.org , ny JOJOPIL.org, ny TANANALIFE.com. Ireo moa dia tsy hafa fa mpiara-miasa akaiky daholo ihany tao anaty tranolay iray nikambanana. Teo koa ny CNFOI (Campus Numérique Francophone de l’Océan Indien), ny collège Fleuron sy ny fikambanana hafa (tsy tadidiko ny anarany raha tsy miverina mijery ny rakitra an-tsoratra aho, miala tsiny)
Nanao vela-kevitra momba ny Tetikasa Telomiova ho an’ny besinimaro I Tosoa, ary dia liana ery ny rehetra
Nisy ny loka zaraina amin’ireo mpitsidika isaky ny mahavaly fanontaniana izy ireo. Izany dia na tamin’ny lalao nokarakarain’ny MOOV, na tamin’ny lalao nokarakarain’ny TELOMIOVA. Marihiko fa tsy nisy nikarakara fampilalaovana Quizz afa-tsy ny MISA sy ny TELOMIOVA raha ny mpandray anjara, fa teo amin’ireo mpanohana ny hetsika kosa no nahitana ny loka avy amin’n y MIDI Madagasikara sy ny MOOV. Teo koa anefa ny PES 2008 nokarakarain’ny mpikarakara ny hetsika.
Nahitana ny sokajin-taona rehetra ity fetin’ny aterineto ity (andiany fahasivy 9ème edition). Ka ny zandriny indrindra tamin’ireo mpikirakira tonga tao dia I Imanoela Fifaliana izay vao 7 taona monja. Hita eo amin’ny sary manazava amin’ny reniny ny kely fantany momba ny fandehan’ny atao hoe aterineto.
Tsaroako eto ny fidongian’ilay fianakaviana karana kely misy efatra mianaka ny Tee-shirt TELOMIOVA.
Ny Jojopil (namorona ny fitaovana mampihodina ny TAOTENY) sy ny Tananalife.com kosa dia nanolotra fanomezana misy fampahafantarana ny tranonkalan-tseraseran’izy ireo tamin’ireo mpitsidika naneho fahavononana sy fahalinana tamin’ny zava-bitany.
Miandry zavatra betsaka amin’ny Telomiova ny mpitsidika, indrindra fa ny mpianatra sy ny raiamandreny, dia HEREZO ‘ZALAHY !!!!



License
Tattum on mar, 1st juil 2008 0:13
Misaotra anao Avylavitra! Indrindra hoe samy mbola mankaina daholo ny ekipa mavitrika, ka dia hisaorana be dia be.
Mafinaritra kosa ny zavam-bita t@ FI sy izay ho avy. Ka dia ho vonona isika hanoy sy hiara-hiasa @ fianarana izay tanjona hatrizay.
Soa ny fiarahantsika e!:)
Tattum on mar, 1st juil 2008 0:18
sady laingalainga fa tsara rehefa ny olona no manantona sy liana tehy hiara-hiasa fa tsy ny tena no miazakazaka sy manenjika an’zareo!
Malala on jeu, 3rd juil 2008 14:34
nante9 on ven, 4th juil 2008 14:31
Voafehin’i Avylavitra ny momba ilay FI fa ny nahatsikaiky ahy dia naheno tanora iray nanatona handray ny andinindininy momba an’ny tetik’asa Telomiova nanao hoe “Ohatrinona io?”, “tsy handoavam-bola ka ! fa ry avylavitra (iry), ry mahefa ary ry jentilisa (iretsy) anontaniana fa ireo afaka manome fanazavana anao mahafa-po tsara”. Ary manaraka izany de nahafinaritra ny mahita ireo namana mpiblaogy. Maro no mahafehy ny tsara teny malagasy ary natao tamin’ny teny malagasy ranoray ny oronan-tsary tahiry momba ity hetsika tsara be ity. Miala tsiny amin’ireo namana rehetra raha tsy tonga ny alahady fa nararin’ny sery, ny asabotsy rahateo efa tsy nialana “mosoara”.
Longue vie à cette initiative.