Manandevo ireo mpampiasa vahiny
juin 17, 2008
by news2dago
Filed under Société, Langue (Mg), Témoignages
Hiova endrika kely ny vaovao omeko anareo androany! tranga niseho any @ fiasana samy hafa any no ho tanteriko aminareo satria adidiko izany mampahafantatra ny zava-misy rehetra izay mba fantatra sy heno @ ireo namana sy havana sasany.
Iarahana mahalala moa ankehitriny ny asarotan’ny fitadiavana asa ka dia miafy @ izay hita sy azo aloa ny ankamaron’ny olona sy ny tanora ankehitriny. Orinasa lehibe iray manao itony “agence immobilier” itony no voalohany tanteriko aminareo aloa!orinasa tantanin’ny frantsay moa izy ity ary tena mahazo vola tokoa aty @ tanin’ny tena aty. Tsy mba misy “contrat de travail” izany ao aminy ary avy dia tsorin’ilay vazaha ny resaka oe “recompense” no omena fahafalim-po izany no tambiny omena ireto mpiasa fa tsy mba karama velively! lalina izany.
@ izay ny asa tena asa be mihitsy satria mitady trano amidy erak’antananarivo mandodona isam-baravarana oe sao misy trano ahofa na amidy! isan’andro enao tsy maintsy mahita trano 3 farafahakeliny ho entina any @ ilay agence raha tsy zany tsy mahazo “commission” @ farany volana. Ny latsa sy ny taim-bava manginy fotsiny.
Tsy vitsy ny mijaly @ ireo mpiray tanindrazana kanefa ho aiza moa mamelona vady aman-janaka ny tena tsy maintsy miafy! ny hofatrano ny saram-pianaran’ny ankizy mianatra ny frais ny sakafo sy ny sisa samy mbola hefaina daholo! azo lazaina tena mijaly ny mpivady ka mila heritsaina tsara mihitsy.
Orinasa hafa-kaba iray izay indray eny ambatomaro eny no misy azy! ao indray dia “regime guatanamo” mihitsy tsy mahazo mivoaka any ivelany, ny finday tsy azo alefa, efa misy ostie koa moa ao ka rehefa marary tonga dia makany @ ostie dia miverina miasa indray avy eo na marary inona na inona! satria mahazo vola be ireo mpitsabo rehefa vitsy ny mpiasa maka “congé”! ny ora firavana miovaova isan’andro! indraindray @ 4 hariva indraindray @ 8 alina dia ohatr’izay hatrany hatrany. Mbola vazaha frantsay ihany koa ny tompon’io orinasa io.
Mafy leretsy ny fiainana tena marina moa zany kanefa tsy maintsy mitraka foana! mbola maro ireo fitarainana azoko fa ireo aloa ny santionany fa tohizako ihany @ manaraka. Ny “promotion canapé” sy ny “abus” moa mandeha foana ny vehivavy malagasy koa moa tena efa niova ny toe-tsain’ny sipa sasany ka tena zarany ary.
No Tags

License
TGIF on ven, 20th juin 2008 19:18
Malagasy aho, ary efa niasa taminy toerana maromaro tany Madagascar…Tsy dia tiako loatra ny “title”-nao satria tsy ny “Mpampiasa vahiny” iahny noho manandevo. Rehefa sendra ny mampiasa mahazo mbahana (Leading position on the market!) dia mitovy-tovy daholo: THEY WILL DEFINITELY HAVE A SAY ON A LOT OF THINGS (Contract or not, hours, benefits etc…). And if the market is down, in Corporate world, it’s generaly the Corporation that dictates the conditions and not the employees. Complaining won’t help: getting the proper training to be able to move on and do something better is THE solutions. But, I know, it takes a village…bla bla bla. You have what we deserve if we don’t take action! And YOU, as the employee, should do something instead of complaining: “Acta non verba” hoy ilay filohantsika izahay (Tsiranana). Just DO something, don’t be a victim, be an actor of your life.
Tgif!
TGIF on ven, 20th juin 2008 20:50
Miala tsiny @ ilay “MISTAKE”…Tsy dia “MY FORTE” loatra ny Malagasy tany ampianara!
