Enti-mody “Aza ampijaliana ny tenin-tsika” , Cyberfety ô !
1 juin 2008

Hoy Lapino hoe :
Eritreritra nandalo, tsy dia hita izay maharatsy azy, andao isika hanao buzz kely indray e. Ataontsika lalaon-tagy tsy misy tagy izy, dia io tenin’i DadaRabe io no lohateny ampitondraina azy. Izao ary no fandehany :
* Ato anatin’ny 2 volana, dia angatahina samy mba hanoratra bolongana iray avy momba ny fitsipiky ny teny malagasy
* Raha azo atao dia mifandraika amin’ny hadisoana matetika fahita
* Malalaka ny endrika sy ny fomba hanoratana azy
* Izay mazoto sy mahavita 2 na mihoatra dia vao mainka tsara
* Rehefa avy manoratra, ny rohy na ny adiresin’ilay bolongana misy ny lalao dia alefa commentaire any amin’ireto bolongana ireto mba hahamora ny famoriana azy :
http://lapino.blaogy.org/2008/03/27/lalao-aza-ampijaliana-ny-tenintsika/ (sy vitsivitsy mety hiampy eo)
na ampilazao an’ikalamako mba hapetrany ato http://blog.myspace.com/index.cfm?fuseaction=blog.view&friendID=211826418&blogID=371887562
* Rehefa tapitra ny 2 volana, izany hoe aorian’ny 31 May, dia homentsika an’i DadaRabe ny voninahitra hanambatra izay vita rehetra, ka hametraka ny rohy ao amin’ny blaoginy.
Raha ohatra manko isika manana tahirin-kevitra azo aseho an’ireo izay manao fahadisoana, dia moramora kokoa ny hiteny hoe “Aza ampijaliana ny tenintsika”. Tsy asiana tagy izy, fa izay te-handray anjara rehetra dia tonga soa. Lalao ihany izany na tsy dia lalao loatra aza e ![]()


License
Jogany says:
1 juin 2008 3:25
Misaotran’ireo namana be dia be dia be dia be dia nanampy nanintsy ny teny gasiko nofa be sy maka lohylohy be.
Sady manasa an’ireo mba te-hianatra teny gasy fa menamenatra na koa kamokamo.
Mitongavà maro fa ataotsika milay be io andro io, ô ry ikalamako an ahona ilay Karaoké RVG!?!?!
ikalakely says:
1 juin 2008 20:15
Wéééééééééééééééé
Tonga ihany ilay revy be e
Ka efa vonona ve zany ny bek’s sy ny mosakiky e????
jogany says:
1 juin 2008 20:26
ahona ilay hoe “ry zareo zao efa ao Antsahavola miaraka amin’ny sambos ao Shalimar….” lol ttpt ttpt
M. Simp nanome soso-kevitra vraky be hoany “activités sy ny examen ” @ io andro io fa mbola alefako tsy kely kely
news2dago says:
3 juin 2008 12:24
miandry ny valiny sisa e
pissoa says:
19 juin 2008 22:54
News2dago : Andrasana amin’ny Sabotsy ny valiny … Efa midobodoboka zao ny fon’i Jogany hoe mba firy izany ny notes ! Soa fa mbola mahazo manangona notes amin’io amin’ny lalao atao ao hi hi hi
Amin’ny Sabotsy mifankahita eeeeee