28
mar

Lalao : “Aza ampijaliana ny tenintsika” ao amin’i Lapino

Ny fahitako azy hoe tokony mba handray anjara daholo tsika rehetra, na ny ankizy ny Foko Blog Clubs avy any Mahanjaga sy Toamasina, na ry Marc any Maroc, na i Mirana any Calgary, na MadMada tia ny Madagasikara, na i Jogany izay tsy mahay manoratra amin’ny teny gasy !
Misaotran’i Lapino nanolotran’ity sosokevitra ity :

Eritreritra nandalo, tsy dia hita izay maharatsy azy, andao isika hanao buzz kely indray e. Ataontsika lalaon-tagy tsy misy tagy izy, dia io tenin’i DadaRabe io no lohateny ampitondraina azy. Izao ary no fandehany :

* Ato anatin’ny 1 volana, dia angatahina samy mba hanoratra bolongana iray avy momba ny fitsipiky ny teny malagasy
* Raha azo atao dia mifandraika amin’ny hadisoana matetika fahita
* Malalaka ny endrika sy ny fomba hanoratana azy
* Izay mazoto sy mahavita 2 na mihoatra dia vao mainka tsara
* Rehefa avy manoratra, ny rohy na ny adiresin’ilay bolongana dia alefa any amin’i … aleo aloha ierana i DadaRabe …
* Rehefa tapitra ny 1 volana dia homentsika an’i DadaRabe ny voninahitra hanambatra izay vita rehetra, ka hametraka ny rohy ao amin’ny blaoginy.

Raha ohatra manko isika manana tahirin-kevitra azo aseho an’ireo izay manao fahadisoana, dia moramora kokoa ny hiteny hoe “Aza ampijaliana ny tenintsika”. Tsy asiana tagy izy, fa izay te-handray anjara rehetra dia tonga soa. Lalao ihany izany na tsy dia lalao loatra aza e :-)
milayyy bbeeee

Tohizo ao amin’ny blaogin’i Lapino ny resaka

, ,

1 Response to “Lalao : “Aza ampijaliana ny tenintsika” ao amin’i Lapino”


  1. 1 news2dago

    misaotra fa tonga ny hafatra e

Leave a Reply

Quote selected text




  • Connexion




    Inscription
  • Malag@sy miray est le premier blog collectif malagasy. Par collectif, nous entendons rassembler des personnes, leur personnalité, identité, et idées, autour d’un signe fédérateur (tous Malgaches de coeur et/ou de sang) afin de partager un maximum sur les thèmes abordés.
  • RSS Malagasy Miray

    RSS Articles   RSS Articles
    RSS Commentaires   RSS Commentaires
    Feed email   S'abonner par Email

     

  • RSS Forum

  • Membres