Ahoana ny fomba hitazana ny ankizy?

février 27, 2008 by news2dago  
Filed under Société, Langue (Mg)

Tena manahirana ny mitaiza ankizy ankehitriny ary tena olana iray lehibe eo @ fiaramonina izy ity @ izao fotoana izao! Ny ray aman-dreny moa dia lasa mikapoka rehefa tena maditra sy tsy laitra tenenina ny ankizy! ny zanaka tiana tokoa tsy tokony hotsitsina rotsakazo hoy ny fitenena!

Ny olana anefa dia mety handratra ny ankizy izany fikapohana sy mety ho fanasaziana azy izany! koa inona ary no hevitra! anjaratsika manana traikefa @ fitaizana no mba angatahako eto hanome soson-kevitra sy ady hevitra misokara ho fanampiana ireo mpanabe sy ray amandreny manana zaza maditra ireo satria ny hazo no vanoko lakana hono ny tany naniriny no tsara!

,

Comments

20 Comments on "Ahoana ny fomba hitazana ny ankizy?"

  1. jogany on mer, 27th fév 2008 17:50 

    Bisoux be dia be dia ampy!
    (hodray hitako tsara ny zanako zao,…lasa gâtés pourris be.)
    Bisoux foana é
    Zay taloha rehefa bedy reny (enfin draydray ihany satria moa ny tena dia endry be) dia ny FEO no tena efficace indrindra. Ny mamanay makony tsy dia mikika firy k rehefa miakatra iny lé feo…misy drame ho avy eo..

  2. news2dago on jeu, 28th fév 2008 9:58 

    Misaotra an’i jogany nanome soson-kevitra tena azo raisina mihitsy io fampiakarana feo io satria samy hafa ny manambitamby sy ny masiaka!

  3. jentilisa on jeu, 28th fév 2008 13:18 

    fa tsy mety raha eny andalambe no mikiakiaka an! any an-trano ihany. Misy azon’ilay eo ampisakafoanana amin’izay no tonga ny anatra!

  4. news2dago on jeu, 28th fév 2008 14:09 

    Dia mipetraka indray ary ny fanotaniana hafa oe raha sendra ireto ankizy ohatran’ny tany Diego ireto ary ve dia ahoana no atao satria tena mino aho fa tsy ho vita @ resaka anatra @ vava intsony!!!
    @tsika eto @ blaogy ary ve aloa manaiky oe hery manokana no nakana an-dry zalahy maditra ireto! nampiasa herisetra ve t@ naka azy tany sa tsia? satria resabe mihitsy izy ity izao an!
    asa i jentilisa angamba mety manana vaovao misimisy ny momba an’io!

  5. Vola on ven, 29th fév 2008 6:47 

    Le fouet, ou les priver de nourriture pendant une semaine s’ils oublient de faire leurs devoirs :)

  6. news2dago on ven, 29th fév 2008 9:15 

    Vola=> misaotra anao anome soson-kevitra

  7. Dotmg on ven, 29th fév 2008 10:03 

    29 volana i Smiley fa .. Tompoko ô! Ditran’izay zaza izao. Izahay dia mikapoka ary mikapoka maharary, fa indraindray mampahendry azy, ary indraindray tsy raharahiany mihitsy fa vao mainka mampaditra azy.

    Inona no ditran’izany zaza tsy ampy 2 taona sy tapany? Alaina avy any amin’ny Crèche dia tsy mety miditra ao an-trano fa mbola hirozirozy harivariva hono. Mitomany tsy mijanona, ary rehefa hitomany tsy hanaiky na tambatambazana aza.

    Rehefa misy zavatra irin’ny sainy dia tsy maintsy tanterahina fa raha tsy izany gidrabe. Mahavita manipy vera izany rehefa hoe midongy hisotro jus ohatra ka tsy omena dia avy eo ianao leo an’ilay mikoretaka be dia manome ihany.

  8. ikalakely on ven, 29th fév 2008 11:21 

    Efa ela be ‘za te hametraka hevitra fa tsy mety vita mihitsy…

    Momba ilay ramatoa namono ny zanany> tsy hita izay ambara fa tena resaka lava be angamba raha ny hevitro manokana. Mila hiteny aho hoe naninona aza no nateraka ny zaza raha izany? Ka eo indrindra ilay hoe manana safidy tokoa ve ny vehivavy malagasy. Aiza ho aiza tokoa moa ny fanabeazana aizana amin’izany? Raha toa moa ka zaza niriana ilay izy dia mampahonena ka andeha angaha atao hoe “tsy fidiny ho azy” sa hoe “fara-fijaliana” na dia tonga dia tsorina hoe “adala” tsotra izao ka zanaka ve ho vonoina, maninona moa raha aterina eny @ toby misahana an’izy ireny aloha mandra pahita vahaolàna?tsy haiko e…

    Momba ireto tanora miady> Angamba hoy aho tsy any amin’ny fanabeazan’ny ràd no tokony hojerena na hitadiavana ny antony fa kosa any amin’ny fanalàna andron’ny ankizy ary eo kosa dia anjaran’ny sekoly na ny fiarahamonina no mandray traikefa (na responsabilité). Fahita foana anie ny adian-jatovo miady kanefa tsy lasa lavitra izany ary tsy ny ràd hoy aho no diso fa ny fitondrn-tenan’ny tsirairay mihitsy eo anivon’ny fiarahamonina sy ny manodidina.
    Raha ny fahitako azy ity moa dia resaka fitadiavana identité, fialonana sns e )

    Momba ilay surveillant > Diso lasa alavitra loatra angamba ny fandraisan’ingahy surveillany ny fanafaizana ankizy ary ataoko fa nieritreritra izy fa diso tafahoatra koa ny nataon’ireto mpianatra. Angamba kosa tsy dia mpamono na mpikapoka ilay surveillant fa diso tafahoatra fotsiny ny fahatezerany sy ny fahasihahany. Asa anefa…

    Tsy haiko aloha na mitombona tokoa ilay hoe “sarotra mitaiza ankizy ankehitrio!” ny sarotra angamba hoy aho dia nisy foana hatrizay, raha nokapohina izy tamin’ny taloha dia tsy kapohina izy izao (indrindra taorian’ny fivoahan’ny làlan’ny zon’ny ankizy) ka lasa teny no fananarana, asa anefa fa izaho manokana tsy ampy amiko ny teny, ny teny arahana kapoka no tena mandaitra (teny= fanazavana).
    Ny sarotra mantsy ka nahatonga ilay hoe aza kapohina dia ny mi-detecté hoe “hatraiza ny kapoka no atao hoe kapoka fannarana fa tsy fampijaliana” eny e lava be hoy aho fa dia safidi’ny tsirairay moa io

    Momba ny zon’ny ankizy> Mila aparitaka foana foana ary ampahalalana ny ràd, ny mpampianatra, ny mpianatra, ny ankizy rehetra, tokony alefa amin’ny fampahalalam_baovao isan’nador toy ny sketch kely na dessina animé…. fa tsy ampy

    Momba ny zanak’i DotMg> Ndrekaiky ô! henjana kely izy izany! Tsy hoe etna experte be aho ary ny ahy koa maditrakely mpanaram-po an, fa azonao atao koa anie rehefa mody dia manalava làlana kely e, miovaova làlana dia efa faly izy, dia indraindray koa izany izy ahodikodina kely ny sainy dia adinony ilay jus e

    Lava be…..

  9. jogany on ven, 29th fév 2008 18:14 

    ie lava be…
    (hihihhhiih)

  10. news2dago on ven, 29th fév 2008 19:21 

    ikalakely=> mazava tsara ny fanazavana sy ny soson-kevitra! misaotra betsaka @ toro lalana sy ny fikafika tokony atao @ fitaizana! satria amiko tena antokin’ny ho avin’ny fiaramonina ny fitaizana e!
    tarana vaonona = fandrosoana

  11. news2dago on ven, 29th fév 2008 19:23 

    taranaka vanona = fandrosoana

  12. ikalakely on sam, 1st mar 2008 9:25 

    jogany> efa hainao ihany!!! eo dia eo dia eo dia eo…

    news2dago> marina e, fa ‘za izany raha vao resaka éducation dia eo dia eo dia eo dia eo e! misaotra e

  13. ikalakely on sam, 1st mar 2008 9:26 

    tonga dia borké ilay resaka fa ny hevitrareo aloha ahoana e?

  14. Rondro on sam, 1st mar 2008 15:44 

    Aza kapohina ny ankizy. Aleo ny teny no mandeha aloha toy izay ny tanana. Satria rehefa avy eo tsy afaka intsony ary marary fo be ( hiainana manokana).
    Tsy misy kapoka na inona na inona azo-na zaza 29 volana ry DotMg. Aorian’ny faha-telo taonany ny zaza vao mandray ny tiana ho lazaina aminy. Alohan’izay “par instinct” ny fomba anehoany zavatra.
    Mbola manadrana ny fiainana izy. adinony avy eo iny zavatra nandramany iny dia averiny indray rehefa avy eo.
    Ie bokim-bazaha no nahitako ireo hevitra sy soso-kevitra rehetra ireo fa hita misy mahamarina azy tokoa.
    Izao aho manenina tongotra aman-tanana satria rehefa tena tsy mety ny pisoko, voatery mananga-tanana (fa tsy mikapoka) aho indraindray vao manaiky izy.
    Ny fahitako azy, ny fitaizana ny ankizy dia ohatra avy amin’ny RAR no tena hiaingany. Izaho mino fa raha maditra ny ankizy dia satria ny RAR no tsy nanao ny tokony ny nataony. Na t@ fahakelin’ny zaza io ary mandra-paha lehibeny.

  15. Dotmg on lun, 3rd mar 2008 6:27 

    Ntsss, mahalala ihany izy ka. Fa mila fitandremana fotsiny hoe mihaino izy izany sa tsy mihaino. Indraindray bedesina dia mahalala hoe bedy aho izany dia tsy mamerina intsony (Ilay manipitsipy entana aloha izay efa tsy naveriny intsony), fa mahita ditra vaovao asolo an’iny. Eo no olana satria raha vao tsy mihaino izy dia manjary tsy afaka bedesina, dia raha vao tsy bedesina dia misaina hoe hay aho izany rehefa tsy miraharaha dia tsy afaka mankaiza ireto olona ireto, fa manaraka ny sitrapoko.

  16. news2dago on lun, 3rd mar 2008 13:59 

    Rondro => Misaotra fa manampy ny hafa e! satria ny tarana ny antsika eto aloa no tiana ho tonga olom-banona!
    Ikalakely => tsy manino fa rehefa mbola afaka manampy ny hafa aloa dia aleo manampy e!
    mahereza e!
    Dotmg => mahafinarira izany e! mbl lava ny fitaizana e! tena miova foana io arakaraka ny taona e!
    misaotra dhl e

  17. Rondro on lun, 3rd mar 2008 14:27 

    DotMg : Izany ve ? Mbola tsy afaka manazava aminao @ antsipirihany fotsiny izy hoe misy zavatra mahasosotra azy dia asehony amin’ny alalalan’ny fihetsika ilay izy.
    Za marina mino fa ny zaza raha mbola latsaky ny telo taona tsy maditra izany : mbola mitsapa izy, manandrana, mikaroka. Mila faharetana (izay tsy nananako matetika) aloha e.
    Hoatry ny hitako ery ianareo mianaka rehefa tafaraka :) News2dago : tsy misy fisaorana. Izay kely ananana ihany no azo zaraina.

  18. Avylavitra on mer, 5th mar 2008 8:51 

    miarahaba e! Toy izao ny ahy no fitondrako ny zanako: miteny aloha (mampianatra azy fa tsy nety ny nataony, no sady efa mampitandrina koa fa ho bedy raha mitohy), Mbola miteny fanindroany no sady efa mampiakatra feo kely ihany no sady milaza fa raha sanatria voa min’ny atao dia zakao ny vokany. Ary raha sanatria mitranga tokoa ny tokoa, ka hitako fa tokony ho zakany ny vokany dia asaiko lanjainy samy irery hahatsapany fa tena tsy nety tokoa kay ilay izy. Io lazaiko io dia marihako tsara fa nataoko ho an’ny zaza 5 taona noho mihoatra an. Raha mbola kely hatreo amin’io faha 5 taona io mantsy ny zaza dia marina ilay voalaza ery ambony fa tsaptsapa sy te hanao l’interessant no betsaka. Ilaina aamin’izay fotoana izay ny mahafantatra ny anton’ilay fihetsiny ny ny fiteniny fa tsy tonga dia hitratrevatreva. Ilay mamerina azy mantsy ny tsy zaka. Nisy fotoana efa nahavoa ahy io tonga dia mitratrevatreva tsy maka recul io. Nanjary voatery nifona tamin-janako telo vavy aho tamin’izay (mbola resaka ho entiko velarina eto koa io fifonan’ny raiamandreny amin-janaka io, fa be ny tsy mankasitraka azy io mantsy). Fadio koa ny milaza lainga amin’ny ankizy. Rehefa tsy te-hamaly dia mitadiava lalana hafa hitsoahana ilay fanontaniana, satria aleo tsy mamaly, toy izay any aoriana fantany fa lainga ny navaly azy ary dia very hatreo ny fitokisany anao ray na reniny. Fa ny tena hitako mety be amin’ny ahy (ny anareo tsy haiko) dia ity, nataoko izay handraisan’ny zanako anay mivady ho toy ny namany fa tsy dia ifikirana loatra ilay toerana maha-ray na reny. Miara-mitankosina milalao rehefa misy fotoana ilàny izany, miara-mibalady na manao zavatra iraisana rehefa misy fotoana azo anaovana izany sns …e! Raha tsy misy mantsy io fifanakaikezana am-po eo amin’ny mpitaiza sy ny taizàna io dia ho rano araraka amin’ny lamosin’gisa ny antsika.
    Zavatra tsy nankasitrahan’ny maro teo amin’ny manodidina ahy ny fahitsiako manazava zavatra rehefa manontany ny ankizy, nefa raha ao an-tokantranoko manokana no resahana, dia lazaiko marina etoana fa na inona na inona fanontaniana tian’ireo zanako hapetraka, dia tsy miahotra izy manontany. Izay ilay ilaintsika. Fa tsy ho ny any ivelany ny tena ho lasa mpampianatra azy.
    Azafady fa be resaka be aho teo

  19. Rondro on mer, 5th mar 2008 9:12 

    Tsy misy fetrany ve ilay hoe : toy ny namana ? Ary voatery ho tsy maintsy “namana” ve vao manakaiky fo ? Raha izany : maninona no nisy ny namana ary nisy ny RAR fa tsy tonga dia nafangaro ireo ?
    Fa marina aloha fa ireo RAR nahavita ho teo anilan-janany foana no tena nahatafita ny hafatra napetraka matetika e

  20. news2dago on mer, 5th mar 2008 10:59 

    Avylavitra => azoko tsara ny tianao ambara! satria ny namana matetika no tena itokisan’ny ankizy kokoa noho ny RAR satria mifanerasera @ eo ka mora aminy no mamboraka ny ao ampony! io koa anefa no vato misakana voalohany manasaraka ny RAR @ zanany satria misy karazany roa ny namana dia ny tsara sy ny ratsy io mantsy dia miakina foana @ ilay fitazaina nomeny ny RAR ny zanany! ka ahoana indray no atao raha sendra mifanerasera @ namana ratsy ny ankizy? misy manana hevitra ve isika? mety ho gaga ihany ianao oe tsy ilay hevitro no avalin’i news2dago izany fa lasa namana sy ny zanaka indray!

    Rondro => asa tokoa oe ahn no hanavahantsika an’io?