Fitohanana 12 KM

9 janvier 2008 by Avylavitra  

Niala sasatra tany amin’ny faritany  ny filoham-pirenena ary nody teto an-drenivohitra omaly antoandro. Mendrika izany ny olona rehetra, fa ny tena nahasorena ny maro sy nampivalaketraka ny maro dia ny fitohanan’ny fiara naterak’io fodiany io. Ny Radio Don Bosco aza moa dia nilaza sy nanome tarehi-marika mihitsy fa nahatratra 12 KM ny halavan’ny fiara nadritra io fotoana io. Tsy mbola nisy toy izany raha teto Antananarivo fotsiny, ary angamba nanerana ny Nosy. Ny isaorana ny fiadidiana ny Repoblika kosa dia ny nabdraisany an-tànana ny fitsaboana ilay mpanao hira gasy voadonan’ny fiara mpanokatra làlana nialoha azy tetsy 67 Ha.

Nanome kajy tsotra monja ny isan’ny olona nitohana vokatr’izany moa io onjam-peo io ka nitontaly hatrany amin’ny 10.000 mahery tany rehefa natambatra ny olona tany anaty fiara miampy ireo mpiandry fitateram-bahoaka sy ny mpitazana teny amoron’ny arabe.  Tiako be raha mba be mpanotrona toy izany koa aho rehefa tonga avy manao fialan-tsasatra.

,

Popularity: 2% [?]

Doro tanety RN4

8 janvier 2008 by Avylavitra  

Dia gaga aho nandre ny Solombavambahoakan’i KIANGARA tao amin’ny vaovaon’ny RNM ny 07 Janoary 2008 antoandro teo. Tsy menatra mihitsy ilay zalahy nilaza fa ny mpandeha fiara mandalo amin’iny làlana RN4 iny, hono, no mandoro ny tanety ka manjary tsy ahitan’ny biby fiompiny hanina. Nefa dia ny masoko mihitsy no nahita fa olona eny amin’io faritra io ihany no minia mandoro ny tanety fa hoe amin’izay, hono, dia tsara kokoa ny ahitra vao mitsiry aorian’io fandoroana ataony io. Dia mitondra rantsan-kazo toy ny kininina ry zareo, hamindramindrany ny lelafo. Dia sola tokoa anie izany ilay tanety e! Mampalahelo raha hifanipy hadisoana toy izany foana no hatao eto amin’ity firenena ity fa tsy hitady izay vahaolana maika eny ifotony eny. Olona efa ho telopolo mahery izahay no nanatri-maso sy tezitra nahita iny tanety lava iny mirehitra sy midonaka eraky ny làlana nolalovana. Mbola hasiako sary ity lahatsoratra ity amin’ny manaraka fa tsy nampoiziko hahita connexion aho androany.

, ,

Popularity: 3% [?]

Ireto mpampahalala vaovao ireto an!

8 janvier 2008 by Avylavitra  

(lahatsoratra ho hitanao ihany koa any amin’ny http://gazetyavylavitra.wordpress.com/ ity)

Asa ianao raha toa ahy? Tsy ny teny Malagasy ihany no mahasarotiny ahy mantsy fa hatramin’ny fanajàna ilay hoe Malagasy mihitsy amin’ny maha-olona azy. Ny mahatonga ahy manoratra izany eto dia izao: betsaka loatra hatrizay namakiako gazety izay ny hadisona ataon’ireo mpanoratra anatin’ireny gazety ireny. Dia lasa ny saiko hoe: “Fa angaha dia tsy misy olona mamerina mijery ny tsy mety (tsipelinteny, fahadisoana madinidinika…) ao amin’ireny gazety ireny e? Tsy vitan’izay fa rehefa mba mandefa fanamarihana ianao dia toa tsy asiana dikany sy toa hamaivanina ilay fanamarihana ataonao. Tsy vitsy mantsy izay gazety efa nantsoiko an-tariby sy nandefasako mailaka izay. Anisan’ireny, ary ialako tsiny raha abaribariko eto ny anarana fa angamba izay no hampahatsiaro tena azy ireny sy hanovàny ny fomba fanoratany ary hanaovany ezaka hanatsaràna ny ampitsony: eo ny “MidiMadagasikara”, ny “Gazetiko”, ary ity “NyVaovaontsika” ity.

Mba andramo anie ny mandefa mailaka amin’ny adiresin’ny gazety “NyVaovaontsika” e! Tsy haiko na ny ahy be fanakianana no sakanana, na ilay adiresy mihitsy no fandrebirebena mpamaky, fa miverina fotsiny any aminao mpandefa ny filazana hoe tsy mandray hafatra io adiresy soratana anaty gazety io.

Tsy firaharahàna ny mpanjifa ve izany sa fanadalàna sa fanaovana tsinontsinona? Antsika no mamaly azy!

Mba nividy an’io gazety iray io aho androany, dia inona no ao anatiny hoy ianareo? Lahatsoratra efa nivoaka tamin’ny Alarobia 01 Aogositra 2007 no mameno ny pejy faha 3 ao anatin’ny namidy androany 08 Janoary 2008. Dia manontany tena aho hoe “Mba inona no anjara andraikitra raisin’ny tompon’ny gazety ho fanarenana ny toy ireny? Satria mantsy efa tafiditra ao anatin’ny vola naloan’ny mpividy ilay pejy diso. Mba hisy ve ho karazana famerenana vola amin’ny fomba ankolaka hataony ka hampitombo ny pejy hatonta ny ampitso izy mba ho tambin’ny tsy nety androany. Asa lahy????

Sa dia hoe “rano raraka tsy azo raofina iny, fa dia efa azo aloha ny vola, dia izay !!!” Sao tsy rariny.

,

Popularity: 4% [?]

Traikefan’ny fanatontoloana

7 janvier 2008 by Mitiyu  

Resaka be amin’izao fotoana ny fampiasana ireo voambolana teknika isan-karazany izay tsy dia nahazatra ireo mpitantana malagasy. Anisan’ireny voambolana izay fandre matetika eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy fitantanana ireny ny « benchmark » teny iray izay manambara fa ny soa sy ny traik’efan’ny hafa alaina ho an’ny tena.

Raha hiresaka fampivoarana dia miverina matetika ato an-tsaina ny fivoarana sy fandrosoan’ireo firenena matanjaka toa ny japoney (masoandro miposaka io!) na ry zareo alemàna (rain’ny boto e!). Mahavariana ny saina ny hoe nahoana moa ireo firenena ireo izay efa nalavon’ny ady no lasa laitra ary anisan’ny ohatra velona amin’ny kalitao sy ny fanarahan-dalàna na fanrahana ny sori-dalana no marina kokoa.

Raha resaka teknolojia fotsiny no resahina ohatra dia maro ny olona no mankafy ny vita avy any amin’ireo tany ireo na dia efamihatsara ihany koa aza anefa ny vita sinoa sy ny vita indianina. Raha izay vita frantsay na firenena miteny frantsay aloha amin’izao dia tsy manana ny toerany teo aloha intsony raha tena tsorina ny resaka.

Mifanontany tena ny samy malagasy rehefa mandinika eo hoe toa ny ankamaroan’ny firenena nozanahan’ny firenena anglisy dia mivoatra lavitra noho ireo firenena nozanahan’ny frantsay. Resaka statistika fotsiny sa tena misy mampitombona azy ny fahitana izany?

Raha iverenana ohatra ny japoney sy ny alemana dia anisan’ny firenena manaraka ny fepetra ifampifehezan’ny fiarahamonina na discipline ry zareo. Ary io no tiana isarihana hatrany ny saina satria dia raha ny malagasy dia kanto sy meva eo amin’ny famoronana fa rehefa hamokatra maromaro na ara-indostrialy dia very ilay kalitao nalefa ho ohatra. Dia tsy maintsy ho toy izay foana ve?

No Tags

Popularity: 3% [?]